- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Meksika: Mpampiasa Twitter Nalaina Am-bavany Noho Ny Bitsika Nahabe Resaka

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2011)

Ny 10 Novambra 2011, namoaka ity bitsika [1] ity i Spameo Flores (@mareoflores [2])  :

No salía tan temprano del trabajo desde que se cayó la avioneta de Mouriño. Anden con cuidado, funcionarios voladores.

Tsy niala aloha tamin'ny asako mihitsy aho hatramin'ny nidarabohan'ny fiaramanidina nisy an'i Mouriño. Mitandrema ianareo manampahefana ao amin'ny governemanta mpandeha sidina.

Ny 11 Novambra, maty [3] nianjera tamin'ny loza nanjo ny angidimby nitondra azy i Fernando Blake Mora, Sekreteran'ny Atitany Meksikàna, tany amin'ny sisintany manasaraka ny Fanjakan'i Meksika sy ny Distrika Federaly. Nisaona azy daholo ny faribolan'ireo manampahefana ambony tao amin'ny governemanta ary nisy fampitsaharana adilahy politika tao anatin'ny adihevitra momba ny tetibola 2012.

Maro no nanontany tena raha toa ka vazivazy ilay bitsika nalefan'i Mareo Flores, na tena nahafantatra zavatra tokoa izy. Ny 13 Novambra, naka am-bavany azy [es] [4] ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Meksika (PGR), tamin'ny filazàna fa nilain-dry zareo ny nanatanteraka “ireo rehetra andalana tsirairay anatin'ny fandihadiana”.

Rehefa nahafantatra an'io ny vahoaka, nitombo ny onjam-panoherana avy amin'ireo Meksikàna mpampiasa Twitter, sy ireo fanamelohana ny governemanta izay naniry hanazava hoe hadisoan'olombelona no nahatonga ilay loza.

Io zavamisy io, manampy ilay ezaka fanivànana tsy ela akory nataon'ny governoran'ny [5]Fanjakan'i Veracruz, dia nanomboka namorona fahatsapàna tsy fandriampahalemana rehefa mibitsika, toy ny nilazàn'i Miguel C [6] (@mikescobedo) azy:

#mareoflores [7] ya hasta tengo miedo twitear #NoMiento [8]

#mareoflores [7] ankehitriny matahotra aho na dia ny hibitsika aza #NoMiento [8]

[9]Ankoatra izay, lasa tranga iaingàna mampiahiahy io ho an'ireo mpampiasa Twitter, momba izay ataon'ireo rantsan'ny governemanta amin'ireo torohay momba ny olompireneny,  Jesús Robles Maloof [10](@roblesmaloof) nilaza hoe :

¿De donde obtuvo la PGR información sobre la identidad de la persona que utiliza la cuenta de #MareoFlores [11] y de su domicilio?

Avy aiza no nahazoan'ny PGR ny mombamomba ilay olona mampiasa ny kaonty #MareoFlores [11] sy ny adiresiny?

Nizara ny ahiahiny momba ilay olana i Mario Campos [12] (@mariocampos) mpanao gazety:

Delicada la detención de #MareoFlores [11] -del que urge info- como imprudente su bio como “ángel de la muerte de panistas voladores”

Saropady ny fitazonana an'i #MareoFlores [11]  – etsy ankilany ho an'izay mitady vaovao – satria tsy fahamalinana ihany koa ny nanoratany ny mombamomba azy ho “Anjelin'ny fahafatesana”

Ny zavamisy, raha raisina ny rivotra iainana feno herisetra iainan'ny firenena amin'izao fotoana izao, manontany ny lojikan'io rivotra iainana io ny olona sasany toa an'i Juno [13] (@voyporcigarros) :

En México puedes matar y vender droga, pero si tuiteas eres considerado una amenaza. #MareoFlores [11]

Ao Meksika, afaka mamono olona sy mivarotra rongony ianao, saingy raha vao mibitsika ianao dia heverina ho loza mitatao. #MareoFlores [11]

Mbola misy ny fisalasalàna, azon'ny manampahefana alaina tsy misy didy fampisamborana ve ny olona iray? Izany no fahitàn'i Geraldina GV [14] (@geraldinasplace) azy ity:

Tuit o no tuit. La cosa es que ninguna autoridad te puede detener sin una órden de aprehensión. #MareoFlores [11]

Na bitsika na tsy bitsika. Ny olana dia tsy misy manampahefana afaka misambotra olona tsy misy didy izany. #MareoFlores [11]

Tsy isalasalàna fa ireny vaovao ireny dia hitohy ho ivon'ny adihevitra mandritry ny andro maro hoavy noho ny resaka saropady aterak'ilay olana, saingy eny anivon'ireo mpampiasa Twitter, ny fahatsapàna iraisana dia ny hatezerana,  toy ny nanambaràn'i Un mal necesario [15]  (@Frank_lozanodr) azy:

Como ciudadano mexicano lamenté la muerte de Blake Mora. Como ciudadano mexicano, también repudio la injusticia contra #MareoFlores [11]

Amin'ny maha-olompirenena Meksikàna dia mampalahelo ahy ny nahafatesan'i  Blake Mora. Amin'ny maha-olompirenena Meksikàna, dia helohiko ihany koa ny tsy rariny natao an'i #MareoFlores

Teny kely avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: Mifanandrify indrindra amin'ny raharahan'ny tsaho niely tamin'ny Facebook tao Madagasikara, nilaza ny fihotsahan'ny  lozoka Ambanidia ny fotoana nandikàna ity lahatsoratra ity. Ny 24/05/2017, nisy nanely tsaho fa hoe nirodana ilay lozoka, ary dia olona marobe no tonga teny an-toerana hizaha ny tena zavanisy. Ny 24/05/2017 dia nivoaka lohateny tamin'ny gazety mpiseho isanandro tao an-drenivohitra, fa hikaroka ny tomponandraikitra tamin'ilay tsaho ny polisy Malagasy)