Makedonia: Hira Adaladala Manao Politika

(Fanamarihana: Lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny taona 2010 ity)

Rehefa avy nitatitra lohahevitra momba ireo hira amin'ny dokambarotra mahatsikaiky ao Makedonia ny GVO, nipoitra tao amin'ny habaka Makedoniana ireo ohatra vitsivitsy maromaro. Ny tena voaresaka dia ny hira fanevan'ny Tanora Sosialista [MKD], sampan'ny tanora ao amin'ny Antoko Sosialista Makedonia.

Raha nidera ny hira fanevan'ny [MKD] izay anisan'ny malaza amin'ny «famoronana tsy mitsaha-mitombo eo amin'ireo antoko politika Makedoniana» sy ny fampiasana ny fampahalalam-baovao ho fomba mahazatra amin'ny fifandraisana amin'ny olom-pirenena ny vavahadin-tserasera Kirilica , somary manadino kosa ireo loharanom-baovao sasany maro tsy miankina. Ny 365 nampitaha ny [MKD] amin'ny antoko mpihira filazantsara sandoka, tao amin'ny On.net kosa nandefa ny tahadikan'ny lahatsary sy ny teny fampidirana [MKD]:

Wow, what a musical political candy! The clip for the anthem of the young socialists of Macedonia, yummy, yummy! Musically it smacks of Band Aid (SPM for Africa: Did they know it's lunch break time?), and lyrically it takes a bit of Mira Marković (“the heart, too, is on the left”) and a lot of rhyming: globalist, humanist, socialist, nudist… And the montage: as soon as the term “visionary” is mentioned, Ljubisav Ivanov pops into view, with cameos of Goce Delchev. Like, like!

Oao, vatomamy mozika ara-politika izany! Ny horonantsarin'ny hira fanevan'ny tanora sosialista Makedonia, matsiro, matsiro! Ara-mozika, tahaka ny Band Aid izany (SPM ho an'i Afrika: Fantatr'izy ireo ve fa fotoana hisakafoanana atoandro izao?), ary mampihetsi-po fa ahitana ny sombin-kiran”i Mira Marković (“Ao ankavia ihany koa ny fo”) izany sy rima, fanantoloana, maha-olona, sosialista, mpiboridana ihany koa… Ary ny fandrafetana: raha vao voalaza ny teny hoe «mpanana vina (visionnaire)» . Hita tamin'izany i, Ljubisav Ivanov, miaraka amin'i Goce Delchev. Tiavo, tiavo

Come on, become a socialist

You can do what nobody else can
beyond all rules and laws,
if you are an anti-globalist,
come on, be a socialist.

If you are a [friend/comrade] without a blemish
and your heart beats on the left side,
you are the same as every other person,
come on, be a socialist.

Visionary, cosmopolitan,
missionary and a humanist
come on, it's your turn,
come on, be a socialist

If in your heart you feel grief
for those in misery, pain and hunger,
you are an eternal pacifist
come on, be a socialist

[spoken word/speech]
We live in an unequal world, a world in which 50 biggest companies own more property than 50 poorest countries. We live in a world in which over 100 million people get by with less than a dollar per day. We socialists must fight against such a world. Until we build a world of different people with equal opportunities.

Avia, midira ho sosialista

Afaka manao izay vitan'ny olon-kafa ianao
mihoatra noho ny fitsipika sy ny lalàna,
raha anti-globalista ianao
avia, midira ho sosialista.

Raha toa ianao ka [namana/sakaiza] tsy misy kilema
ary mitempo eo amin'ny lafiny ankavia ny fonao,
Mitovy amin'ny olon-kafa rehetra ianao,
avia, midira ho sosialista.

Manana vina, kosmopolitana,
Misionera sy mpandala ny maha-olombelona
avia, fa anjaranao izao,
Avia, midira ho sosialista

Raha  mahatsiaro fahoriana ny ao am-ponao
Amin'ireo fahantrana, fanaintainana sy hanoanana,
Tia filaminana mandrakizay ianao
avia, midira ho sosialista

[Teny tenenina / lahateny]
Monina ao anatin'ny tontolo tsy mitovy isika, tontolo izay manana fananana manokana bebe kokoa tsy tahaka ireo firenena 50 mahantra indrindra ireo orinasa 50 lehibe indrindra. Monina ao amin'ny tontolo isika izay olona maherin'ny 100 tapitrisa no mandray latsaky ny iray dolara isan'andro. Isika sosialista dia tsy maintsy miady amin'izany tontolo izany. Mandram-panorintsika tontolo ahitana olona isan-karazany manana fahafahana mitovy.

Iray amin'ireo nampazoto indrindra ny mpiserasera Facebook izay nizara ity lahatsary ity ny tsy fifandraisan'ny tononkira mihitsy amin'ny zava-misy, sy ny fanadinoana tanteraka ny fanesoana. Ny lehiben'ny SPM, Ljubisav Ivanov, antsoina hoe Dzingo dia solombavambahoaka ary mpikambana maharitra ao amin'ny governemantan'ny fiaraha-mitantana nandritra ny roapolo taona farany, anisan'izany koa ireo tantanin'ny elatra havanana liberaly vaovao.

Mitarika ny iray amin'ireo fianakaviana manankarena indrindra ao amin'ny firenena i Ivanov, ary nampiasa ny toerany ambony ara-politika taloha sy taorian'ny fahaleovantenan'i Makedonia izy mba hanome ireo orinasa mifandraika amin'ny ahiahin'ny Sileks hotantanin'ny tsy miankina, anisan'izany ny toeram-pitrandrahana, ny banky sy ny orinasan'ny fanamboarana, mifamatotra amin'ireo tantara ratsy marobe momba ny fanitsakitsahana ny zon'ny mpiasa. Manana Fahitalavitra Sitel, Klioba Baolina Kitra Sileks ihany koa ity fianakaviana ity ary saika mitantana ny tanànan'i Kratovo toy ny fanjakana kely.

Niresaka momba ilay lahatsoratra GVO ny lahatsoratra  iray [MKD] tao amin'ny gazetiboky Makedoniana Globus ary namelabelatra amin'ny an-tsipiriany ny hiran'ny tanora sosialista. Nanazava ny fampiasàn'i Mira Markovic, vady navelan'ny filoha Serba Slobodan Milosevic ny teny filamatry ny mpanoratra ny lahatsoratra, Dzvezdan Georgievski, manasongadina ireo fitaomana isan-karazany ao amin'ny SPM sy ny fitondrana misy azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.