Meksika: Ny Fanaovan-gazetin'ny Fiarahamonina Ao Amin'ny Helodranon'i California

(Fanamarihana: nivoaka tamin'ny 31 mey 2010 ny lahatsoratra)

Ao amin'ny Helodranon'i California, ny rano izay manasaraka ny Saikanosy Baja California ao amin'ny tanibe Meksikana, dia ahitana ohatra mahafinaritra momba ny fomba ahafahan'ny olon-tsotra mpanao gazety mamorona fahatsapan-tena momba ny tontolo iainana ao anatinà fiarahamonina ary lasa maodely amin'ny fitateram-baovao.

Photo of the Gulf of California by lecates and used under a Creative Commons license.

Fikambanana ao an-toerana ny SuMar “Voces por la naturaleza” (Ny Ranomasimbenao: Feo ho an'ny Natiora), izay mifantoka amin'ny tontolo iainana ao amin'ny Helodranon'i California, mandrisika ny fiaharamonin'izy ireo manokana amin'ny alalan'ny fanomezana fitaovana ho an'ny olona mba ho lasa mpitarika sy mandray andraikitra. Lohahevitra iray lehibe ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra, satria nanatontosa fihaonambe isan-karazany mikasika ny fanoratana manasongadina ny tontolo iainana sy ny sosialy izy ireo. Tahaka izao no nolazain'izy ireo tao amin'ny tranonkalan'izy ireo manokana:

El periodismo comunitario, el arte como medio didáctico y las nuevas tecnologías de la comunicación son algunas de las tácticas utilizadas por SuMar. Porque una sociedad crítica y propositiva es una sociedad con poder, nuestras campañas de comunicación están orientadas a informar a la ciudadanía e invitándolos a participar en temas de interés común y con gran respaldo técnico y científico.

Ny asa fanaovan-gazetin'ny fiarahamonina, zavakanto toy ny fampahalalam-baovao enti-mampianatra sy teknolojiam-pifandraisana vaovao no anisan'ireo fitaovana sasantsasany ampiasaina amin'ny SuMar. Noho ny fiarahamonina manakiana sy be fanantenana amin-kery, natao hampahafantarana ny fiarahamonina, manasa azy ireo handray anjara momba ny lohahevitra ahitan'ny tsirairay tombontsoa iombonana ny fampielezan-kevi-pifandraisanay, miaraka amin'ny fanohanana ara-tsiantifika sy ara-teknika.

Tokony ho mpampianatra sy mpianatra 100  no afaka hiditra ao anatin'ny tetikasa fanaovan-gazetin'ny olom-pirenena. Amin'ny firesahana ireo olana ara-tontolo iainana, nampiofanina momba ny fampiasana ny median'olompirenena izy ireo ary voaofana hiasa sy haneho hevitra momba izany. Nisy ihany koa ireo fihaonambe maromaro momba ny asa fanaovan-gazetin'olom-pirenena mikasika ny fikorontanan'ny toetrandro, fanjonoana, sy ny toekarena ara-pizahantany, sns

Tsy mifantoka ihany amin'ny fanoratan-dahatsoratra ireo mpandray anjara, fa namorona fandraisam-peo, fampiratiana sary sy lahatsary isan-karazany momba ny zava-mitranga ao amin'ny faritr'izy ireo manokana.

Manomboka amin'ity teny fampidirana ity ny fizarana fandraisam-peo (podcast) rehetra:

Sobrevivir en el Golfo de California: Promesas incumplidas de la modernidad, crisis ambiental y postales cercanas del progreso como ideologia. Una serie de reportajes producidos por el staff de política y rock'n'roll.

Miavo-tena ao amin'ny Helodranon'i California: Fampanantenana tsy notanterahina, krizy ara-tontolo iainana, sy ny karatra paositra manakaiky kokoa ny fandrosoana, tahaka ny foto-kevitra. Andian-dahatsoratra novokarin'ny mpiasa politika sy ny rock'n'roll.

Ny sasany amin'ireo lohahevitra tantaraina dia momba ny olana ao an-toerana, toy ny tantaran'i Puerto Peñasco (manomboka amin'ny fisian'ny vondrom-piarahamonina tompotany ka hatramin'ny fananganana foto-drafitrasa ara-pizahantany, ary sombiny avy amin'ny kabarin'ny mpanao politika), fanabeazana ao amin'ny faritra lehibe, ary ny fifindramonina ao amin'ny faritra. Na izany aza, iray amin'ireo lafiny tena manan-danja indrindra amin'ireo fandraisam-peo ireo ny fahalalahana maneho ny hevitry ny tena, miaraka amin'ny vinavina mampahafantatra, izay manome feo ho an'ny mponina ao amin'ny faritra Helodranon'i California mba hitaraina sy hiresaka ny olana miantraika ao amin'ny faritr'izy ireo manokana.

Ity sombiny tamin'ny Fandraisam-peo #8:

Con sus impresionantes campos de golf, su turismo de sol y playa, con los infaltables e innumerables casos de despojos ejidatarios, pescadores y pequeños propietarios; por parte de los potentados políticos en turno, el denominado Cancún Foxista, Peñasco o Rocky Point para los turistas americanos, es uno de los claros ejemplos de la corrupción desarrollista del Estado Mexicano.

Miaraka amin'ny tany filalaovana golf,  masoandro sy ny fizahan-tany amoron-dranomasina, miaraka amin'ireo kaoperativa, mpanjono sy orinasa madinika marobe tsy  tambo isaina; avy amin'ireo mpanao politika isan-karazany any anaty birao, ilay antsoina hoe Foxista Cancun, Peñasco na araka ny fahafantaran'ireo mpizaha tany Amerikana azy: Rocky Point, dia ohatra mazava tsara amin'ny fandrosoan'ny kolikoly ao Meksika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.