- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanakana Ny Fampitam-baovao Tsy Miankina I Azerbaijan (Ary Miaiky Izany)

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Azerbaijan, Fanampenam-bava, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Tany am-piandohan'ity volana ity nandrava ny fahazarana amin'ny fiainana andavanandro ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Serasera ary ny Teknolojia ao Azerbaijan [2] tamin'ny fanatanterahana ny didim-pitsarana manakana ireo sehatra fampahalalam-baovao manan-danja tsy miankina , anisan'izany ny tranonkala amin'ny aterineto miisa telo sy fahitalavitra amin'ny zanabolana miisa roa.

Tsy milaza akory izany fa hoe tsy nanakana tranonkala ny Minisitera talohan'izay fa saingy tsy mbola niaiky izany fotsiny izy ireo. Nandà ny tatitra mikasika ny fanakanana ny manampahefana tahaka ny tany amin'ny fanjakana mpanao didy jadona hafa tao amin'ny firaisana sovietika teo aloha toa an'i Kazakhstan [3] [mg] sy i Tajikistan [4] [mg].

Voakasiky ny fanapahan-kevitry ny fitsarana tamin'ny 12 May ny azadliq.info [5], ny sampan-draharaha [6]n'ny Onjam-peo Free Europe Radio Liberty Azerbaijani [6] ; ny zoro fampitam-baovaon'ny mpanohitra ao berlin Meydan.TV [7] ; ary ny  fantsona fahitalavitra amin'ny zanabolana Turan TV [8] sy Azerbaijani Saadi (Ora Azerbaijan ).

Tranonkala miisa 5 tao #Azerbaijan [9] no voasakana ofisialy.

VAOVAO:Azerbaijan:nosakanana ny tranonkalam-baovaon'ny mpanohitra sy ny tranonkalam-baovao tsy mainkina

Nanakana tranonkalam-baovao lohany miisa 5 i Azerbaijan izay ao anatin'ny famoretana ny fampitam-baovao tsy miankina.

Nilaza ny  mpampanoa lalànam-panjakana  fa “mampidi-doza” ny filaminam-pirenena ao Azerbaijan ireo tranonkala ireo, ary niampanga azy ireo ho mizara votoaty mampiroborobo ny herisetra, ny fankahalana, ny ekstremisma, ary manitsakitsaka ny fiainana manokana sy mifono fanendrikendrehana izany.

Saingy tsy mifanaraka amin'izany famaritana izany ny lahatsoratra vao haingana navoakan'ny Onjam-peo  Azadliq . Manasongadina ny tantara momba ny tahan'ny famonoan-tena [21] , ny hetsi-panoheram-bahoaka [22] , ary ny raharaham-barotra [21] ataon'ilay filoha lefitry ny Orina mpanasoa tsy miankina iray Mehriban Aliyeva ao Azerbaijan ny pejin'ny tranonkala amin'izao fotoana izao, ary nanatsikafona ny fanambarana [23] vaovao momba ny fanodikodinam-bola [24] izay ataon'ny havan'ny filoha sy ireo olona manodidina azy.

Ankoatra izany ,tsy manakana ireo loharanom-baovao fotsiny ihany ny didim-pitsarana. Azo ampiasaina hanenjehana [25] ireo mpiasan'ny seha-baovao [26] noho ny fanakorontanana ny filaminana mitovy amin'izany ihany koa izy ity ary antony hanakanana azy ireo .

Ny sehatra fampitam-baovaon'ny mpanohitra abzas.net [27] no tranonkala lasibatry ny manampahefana  vao haingana iray hafa. Tamin'ny volana Aprily, nilaza [28] tamin'ny Meydan.TV i Ulvi Hasanli, toniandahatsoratra fa nahatsikaritra olana tamin'ny fidirana aminy ny toniandahatsoratry ny tranonkala sy ny mpamaky nanomboka tamin'ny volana Martsa tamin'ity taona ity  .

Nanomboka taoriana kelin'ny nampidiran'ny parlemanta ao Azerbaijan ny fanitsiana ny lalàna momba ny “Serasera, ny Fanomezam-baovao sy ny Fiarovana ny Fampahalalam-baovao” sy ny lalànan'ny fifandraisandavitra ny olana tamin'ny fidirana .

Nanasongadina ny fanafihana nomerika fanampiny natao tamin'ireo  mpanao gazety, mpikatroka  sy mpiaro ny zon'olombelona ao Azerbaijan ny tatitra [29] tamin'ny antsipirihany izay navoakan'ny Amnesty International:

We documented a series of spearphishing attempts using a custom malware agent that has targeted critics of the Azerbaijani government over at least thirteen months. The recent samples of the malware are consistent with independent reports of an increase in the compromise of social media accounts of activists. The victims and targets identified, as well as the political theme of bait documents, indicate that the campaign is largely targeting human rights activists, journalists, and dissidents. This campaign also aligns with findings by VirtualRoad.org in their report [30], “News Media Websites Attacked from Governmental Infrastructure in Azerbaijan”, which links some of the same network address blocks with “break-in attempts” and “denial of service attacks” against several independent media websites

Nahita  andianà andrana fanjonoana lahatahiry amin'ny alàlan'ny fampiasana ny rindran-tsompatra mahazatra izay mikendry ireo mpitsikera ny governemanta Azerbaijani izahay  efa ho telo ambin'ny folo volana izay fara fahakeliny.  Mifanaraka amin'ny tatitra tsy miankina momba ny firoboroboan'ny fifanarahana eo amin'ny kaontin'ny mpikatroka ao amin'ny media sosialy ny  santionany vao haingana tamin'ny rindran-tsompatra. Mampiseho ireo lasibatra sy ireo zavatra kendrena , ary ny lohahevitra ara-politika misy ny tahirin-kevitra fandrika  fa mikendry ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, ​​mpanao gazety, sy ny mpanohitra ny fanentanana amin'ny ankapobeny . Ity fanentanana ity ihany koa dia mitandahatra amin'ny fahitan'ny tatitra [30] nataon'ny VirtualRoad.org , “Tranonkalam-baovao Lasibatry ny Fotodrafitrasan'ny Governemanta ao Azerbaijan”, izay mampifandray ireo bolongana tambajotra mitovy sasany amin'ny  “ezaka fanapahana” sy ny “fanafihana fandàvana tolotra” atao amin'ny  tranonkala fampitam-baovao  tsy miankina maro.

Tato anatin'ny andro vitsivitsy,  nitatitra olana momba ny fahazoana antso iraisampirenena amin'ny alalan'ny Skype sy ny WhatsApp ireo mpisera ao Azerbaijan.

Tsy afaka miresaka amin'ny WhatsApp, na Skype mihitsy. Moa nosakanana ihany koa ve izany?

Nisy ny olana tamin'ny fahazoana antso iraisam-pirenena amin'ny alalan'ny Whatsapp sy Skype tato anatin'ny andro vitsivitsy. Toy ny tsy manam-bola  i Aliyevs, lany vola ny mpandraharahany ara-pinday   .

Efa 5 andro izao no tsy afaka manao antso amin'ny Whatsapp. Toa tsy maintsy nanao izany izy ireo noho ny antony ara-piarovana, kanefa mbola afaka atao mora foana ny manao antso amin'ny alàlan'ny famelan-kafatry ny Facebook. Mety nanadino ny momba ity iray ity angamba izy ireo.

Eny, tahaka izany hatrany nandritra ny dimy andro. Tsy afaka miresaka rehefa mahazo antso iraisampirenena iray. Izany no zavatra iray efa navelantsika ary nalain'izy ireo ihany koa. Enga anie Andriamanitra hanafay azy ireo. Tsy mieritreritra afatsy ny hanapim-bava sy handrahona ny olona izy ireo .

Nanolotra vahaolana haingana mba hialana amin'ny fanakanana i Hebib Muntezir, iray amin'ireo mpanorina ny Meydan TV izay efa voasakana tamin'ny fomba ofisialy ankehitriny   :

Azo ialana amin'ny alalan'ny fampiasana VPNs ny  olana tsy maharitra [hatreto] amin'ny fidirana amin'ny Skype sy ny WhatsApp  .

Tsara homarihina fa  mampiantrano ny Lalaon'ny Firaisankina Islamika i Azerbaijan amin'izao fotoana izao, hetsika iraisampirenena izay nanomboka tamin'ny 12 May, andro izay nandidian'ny fitsarana ny fanakanana ny tranonkala ary hitohy mandra-pahatongan'ny 22 May. Manana endrika lalao Olaimpika ny fifaninanana izay misokatra ho an'ny firenena Miozolomana rehetra, ary atleta miisa 3000 avy amin'ny firenena miisa 50 no nandray anjara tamin'ity taona ity.

Nisioka tamim-pireharehana ny Komity Nasionalin'ny Lalao Olaimpika Azerbaijan  hoe:

Tantara manerantany mandala ny fandriampahalemana miorim-paka amin'ny kolontsaina sy ny fomba amam-panaon'i Azerbaijan [9] ny lanonantsika androany alina.

Ny famoretana ny fitsikerana amin'ny asa fanaovan-gazety sy ny sivana amin'ny aterineto: ireo no tena fomban-drazana matanjaka indrindra ao  Azerbaijan ankehitriny .