- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mahita Fitoviana Mampiahiahy Amin'i Maduro ao Venezoelà sy ilay Maniry ho Filoha ny ao Meksika

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Venezoela, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Andrés Manuel López Obrador. Sary voaaro amin'ny zon'ny mpamorona, Creative Commons: Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0)

4.178 kilaometatra ara-jeografika no manasaraka ny Repoblika Bolivariana Venezoelà sy i Etazonian'i Meksika. Na izany aza, tsy tsapa hoe ngezabe be izany fahalavirana izany, tsy noho ny fanatontoloana, fa noho ny fitoviana misy eo amin'ireo mpiantsehatra ara-politika lehibe indrindra ao amin'ny firenena roa tonta.

Tao Venezoela, nahitana fahatezeram-bahoaka [2] teny an-dalambe nandritra ny herinandro maro, noho ny fihetsiky governemanta sasany izay hitan'ny maro fa toy ny fanonganam-panjakana. Mizarazara ny fiarahamonina, misy ireo manohana ny fitondrana ankehitriny sy ireo mitady fiovana – fiovana izay mety ahitana, ankoatra ny zavatra hafa maro, ny fialàn'ny Filoha Nicolás Maduro [3] amin'ny toerany ao amin'ny governemanta Venezoeliana ao amin'ny Lapam-panjakana Miraflores [4].

Ankoatra ny lahateny tsara lahatra ataon'ny governemantan'izy ireo manokana momba an'i Venezoela, anisan'izany antso tsy nahitam-bokany ho amin'ny fifanakalozan-kevitra [5] nataon'ny minisitry ny raharaham-bahiny ao Meksika, nanadihady ny toe-draharaha ny Meksikana ary nahita fitoviana teo amin'i Maduro sy i Andrés Manuel López Obrador [6], na AMLO raha hafohezina izay maniry hitantana an'i Meksika indray andro any – na dia efa resy tamin'ny fifidianana roa misesy aza, ny olona.

Ny zava-mitranga amin'i Nicolás Maduro dia mety hitranga ao Meksika raha mandresy i AMLO sy MORENA.

López no mpanorina sy lehiben'ny antoko politka Hetsi-pirenena ho an'ny Fahaterahana Indray (National Regeneration Movement [8]) (MORENA) ankehitriny. Mikasa hifanaraka amin'ny foto-kevitra ara-politikan'ny elatra ankavia izy; na dia izany aza, ny fijoroany mpandala ny nentin-drazana momba ny fanalan-jaza, ny fanambadian'ny olon-droa mitovy taovam-pananahana sy ny zon'ny mpifankatia mitovy taovam-pananahana mba hanangana fiankaviana [9], ankoatra ny olana hafa, dia mifanohitra amin'ny sary tian'ny tenany aseho ho mpanome fahalalahana miandalana.

Ireo olo-malaza eo amin'ny politika Meksikana izay akaiky an'i López, tahaka ny Dr John Ackerman, dia mitazana matetika ny governemanta Venezoeliana, araka ny notaterin [10]‘ilay mpanao gazety Pablo Hiriart, teratany Shiliana tamin'ny faran'ny volana Martsa 2017:

El asesor de AMLO, que lo acompañó en Washington a denostar a las Fuerzas Armadas de México, ahora nos ofrece al gobierno de Venezuela como un modelo. Dice Ackerman que “Venezuela es mucho más democrático y respetuoso de los derechos humanos que México”. Para el asesor de López “en Venezuela los medios privados de comunicación electrónica se lanzan día y noche, y de la manera más frontal y directa, en contra de su gobierno, mientras en México estamos sujetos a un régimen de control mediático sin parangón”.

Nanome anay ny governemanta Venezoeliana ho maodely halain-tahaka ankehitriny ny mpanolo-tsainan'i AMLO, izay nanaraka azy tany Washington mba hiampanga ny Tafika mitam-piadiana Meksikana. Nilaza i Ackerman hoe: “Demaokratika sy manaja kokoa ny zon'olombelona i Venezoela raha ampitahaina amin'i Meksika”. Araka ny filazan'ny mpanolotsainan'i López, «Manakiana ny governemantan'izy ireo manokana andro aman'alina ny fampahalalam-baovao tsy miankina antserasera ao Venezoela, ary amin'ny fomba mivantana kokoa, kanefa ahitana fifehezan'ny fitondrana ny haino aman-jery, tsy manampaharoa, ao Meksika».

Diego Fernández de Cevallos, kandidà filoham-pirenena teo aloha sady mpisolovava, nanasokajy [11] ilay te-ho mpitarika ao amin'ny firenena tahaka izao:

Es un viejo político, criado y educado en la más pedestre tradición oficialista; sin ideas, con mucha ambición y mantenido con dineros públicos y otros desconocidos, va por un atajo sinuoso pero eficaz: se deslindó de su pasado, dice luchar por los pobres (entre más haya mejor para él), hace alarde de pobreza material envuelto en “honestidad valiente” (como si hubiera honestidad cobarde), transfigurado en cómico involuntario con su dedito distingue a los puros de los impuros (…)

Mpanao politika lany andro izy, notaizana sy nampianarina amin'ny fomban-drazan'ny mpandeha an-tongotra; tsy manan-kevitra, saingy manana faniriana marobe ary tazonin'ny volam-bahoaka sy ny vahiny, nisisika hatrany izy mba halaza saingy tsy nahomby: nanapaka ny lasany izy, nilaza fa mitolona ho an'ny mahantra (arakaraka ny mahabetsaka azy ireo no mahamety izany aminy), mifono “fahamarinana be herim-po” ny fahantrana ara-pitaovana (tahaka ny hoe misy ny kanosa), niova ho mpanao hatsikana tsinahy miaraka amin'ny fanondrony kely manavaka ny madio amin'ny maloto […]

Mikasika ny resaka kolikoly eo amin'i López, nilaza [11] i Fernández de Cevallos hoe:

Es limpio e incorruptible, jamás toca dinero bien o mal habido, carece de todo pero explota el malestar social y se hace acompañar por un número indeterminado de pillos que escondidas recogen dinero ilegal “para la causa”. Cuando son sorprendidos (en flagrancia), él responde que lo esculquen, que es pobre y ama a los pobres, que “no miente, no roba y no engaña”, que son trampas de “la mafia del poder”.

Madio sy tsy mpanao kolikoly izy, mbola tsy nikasika vola madio na maloto izy, tsy ampy zavatra izy saingy manararaotra ny korontana ara-tsosialy ary manana antoka fa miaraka amin'ireo mpihatsaravelatsihy marobe manangona vola tsy ara-dalàna am-piafenana “noho ny zavatra arovana.” Rehefa tratra izy ireo (mena volo), dia mamaly amin'ny filazana fa notapahana izy ireo, mahantra izy ary tia ny mahantra, ary “tsy mandainga, mangalatra, na mamitaka izy,” ka noho izany, ny tena mpamitaka dia ireo “Mafian'ny fahefana.”

Noho izany karazana fitondran-tena izany indrindra no nahatonga ireo Meksikana maro hiditra Twitter mba hampitandrina ny fitoviana hitan'izy ireo eo amin'i Maduro sy i López:

@MLopezSanMartin [12]@AtiendenosGDF [13] Mitovy izany satria manome tsiny ny Ampira hatrany i Nicolás Maduro, saingy tsy mbola tompon'andraikitra tamin'ity na iry izy ireo. Mampidi-doza i AMLO.

@Mzavalagc [15] tsy mahagaga raha mbola mino an'i AMLO ny olona, raha misy ireo mbola matoky an'i Nicolás Maduro ao Venezoelà, dia feno olona mora ambakaina eny rehetra eny

Midika fankasitrahana ny fahanginana?

Amin'ny tapaky ny taona 2017, hanatontosa fifidianana isam-paritra i Meksika ka hifanandrina mafy ireo antoko politika ao amin'ny firenena mba hametraka sy hanomana ny tenan'izy ireo amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny taona 2018. Mandritra ny vanim-potoana fifidianana, zava-dehibe kokoa ny fanambaram-bahoaka – sy ny tsy fisian'izany – avy amin'ireo olo-malaza ara-politika.

Noho izany, noraisin'ny maro ho fanekena ireo tetikady ireo [17] ny zava-misy amin'ny tsy fanehoan'i López hevitra mikasika ny famoretana natao tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ao Venezoela:

Sioka momba an'i AMLO sy DELFINA dia samy nangina manoloana ny habibiana nataon'i MADURO tamin'i Venezoelà ho fanoherana ny …

Sombin-dahatsoratra: Ny helo Venezoeliana tian'izy ireo ho an'i Meksika: Nahoana ny filoha Meksikana no tsy niampanga ny habibian'ny governemantan'i Maduro tamin'ny vahoaka? Izany no fanontaniana nivezivezy tao amin'ny media sosialy omaly.

Tsy ny Meksikana rehetra no natoky fa marina ny fampitahàna, ary maro ireo Meksikana nitsangana hatrany hanohana an'i López:

@julioastillero [20] Manohana an'i AMLO aho ary tsy mankahala azy, ry namako.. Mankasitraka ny asany sy ny herim-pony aho!!

@AR2ROTOTO [22] Manohana an'i @lopezobrador_ [23] aho satria fantatro fa rehefa miaraka aminy, hanana firenena tsara kokoa isika, sy fahafahana bebe kokoa ho an'ny rehetra. Fa tsy hoe mitady asa aho!

Tamin'ny Tatitra Manerantany taona 2017 navoakan'ny Mpanaramazo ny Zon'olombelona, nahita ny Tale Mpanatanteraka Kenneth Roth fa misy ny “fivoarana mampidi-doza amin'ny fandrendreham-bahoaka [25]” mitranga maneran-tany. Satria tranga maneran-tany izany, tsy mahagaga intsony raha manaraka izany fironana izany ny firenena sasany ao Amerika Latina.

Amin'ny volana Jolay 2018, ho hitantsika raha hanatevin-daharana ity hafanam-pon'ireo mpitarika ity i Meksika, izay araka ny filazan'i Roth, “manome vahana ny tombontsoa nambara ho an'ny maro an'isa, mandrisika ny olona mba hanaraka finoana mampidi-doza fa tsy ilaina ny mampihatra ny zo hanoherana ny governemanta manao lava tanana manao zavatra amin'ny anaran'izy ireo. “