Netizen Report: Chelsea Manning sy ny Herin'ny Mangarahara

Pikantsarin'ny sarin'i Chelsea Manning voalohany tao amin'ny Twitter, taorian'ny famotsorana azy tamin'ny 17 Mey 2017.

Ny Netizen Report (Tatitry ny Mpiserasera) an'ny Global Voices dia manome topi-maso iraisampirenena momba ny fanamby, fandresena sy ny vaovao malaza momba ny zo an'aterineto manerantany.

Navotsotra tao amin'ny fonjan'ny miaramila tamin'ny 17 Mey ilay manamboninahitra amin'ny tafika Amerikana Chelsea Manning rehefa nigadra nandritra ny fito taona noho ny fizarana antontan-kevi-panjakana sy tsiambaratelo ara-miaramila an'arivony izay nampiseho fanitsakitsahana zon'olombelona sy kolikoly ataon'ny governemanta Amerikana sy ny maro hafa.

Nenjehin'ny governemanta Amerikana tamin'ny fiampangana miisa 22 i Manning, anisan'izany ny “fanampiana ny fahavalo”. Na dia tsy nahavita nanaporofo aza ireo mpampanoa lalàna fa niteraka fahavoazana ara-materialy teo amin'i Etazonia ny zavatra nataon'i Manning, dia mbola nahazo sazy 35 taona an-tranomaizina tao anatin'ny raharaha ara-politika mampiadihevitra izy ary noraisin'ireo sivily sy mpiaro ny zon'olombelona ho ezaka hametrahana ohatra henjana amin'ny fanasaziana raharaha mahakasika ny famoahana tsiambaratelon'antontan-taratasy nomerika.

Nahenan'i Barack Obama ny saziny tamin'ny andro farany nitondrany. Tsy manafaka ny fiampangana azy anefa ny fanalefahan-tsazy, fa midika fotsiny hoe afaka izy mba “hiaina rivotra mafanan'ny lohataona,” araka ny filazany andro vitsivitsy talohan'ny nandehanany an-kalalahana.

Namoaka fanambarana mampieritreritra tamin'ny andro namotsorana azy ny mpisolovavan'i Manning, David Coombs, izay nosokajiany fa “fahadisoana goavana” nataon'ny rafi-pitsarana miaramila ny saziny. Nanoratra izy hoe:

…the particular constellation of players involved in this case, the desire to make an example out of Manning, and the “win at all costs” mentality of the prosecution created a powder keg where the ability to achieve a just result was impossible.

So I don’t see Manning’s commutation as a victory.  I see it as an unfortunate failure of military justice to do its job.

… ny vondron'olona malaza amin'ny famirapiratan'ireo mpilalao tafiditra amin'ity raharaha ity, ny faniriana hametraka ohatra avy amin'i Manning, sy ny toe-tsaina “mandresy na inona na inona” amin'ny fanenjehana dia niteraka barikam-banja izay tsy azo tanterahina ny manatratra valiny ara-drariny.

Ka tsy mahita ny fanalefahan-tsazin'i  Manning ho fandresena aho. Mahita izany ho tsy fahombiazana mampalahelo ataon'ny fitsarana miaramila amin'ny fanatontosana ny asany aho.

Nisy fiantraikany tsy hay refesina tamin'ny fahafantarana sy ny valinten'ny vahoaka manoloana ny fanaon'ny governemantan'i Etazonia sy ny governemanta hafa ny antontan-taratasy izay nampahafantarin'i Manning tamin'ny vahoaka. Ahitana porofo goavana indrindra amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'i Etazonia tamin'ny ady ao Iraka sy Afghanistan ny antontan-taratasy. Ankoatra an'i Etazonia, nampiseho kolikoly lalina sy fanitsakitsahana ny zon'olombelona miverimberina ataon'ny governemanta Toniziana teo ambany fitondran'i Zine el Abidine Ben Ali ihany koa ny antontan-taratasy. Mpitari-dalana lehbe tamin'ny revolisiona Toniziana ny famoahana ireny antonta-taratasy ireny, izay niteraka ny fionganan'i Ben Ali tamin'ny Janoary 2011 ary nanampy tamin'ny fiterahan'ireo andiana fikomiana manerana ny faritra izay tondroina ankehitriny ho “Lohataona Arabo».

Tamin'ny bilaogy mampieritreritra iray nivoaka tamin'ny taona 2013, namariparitra ny fiantraikan'ny zavatra nataony ilay mpikatroka Toniziana Sami Ben Gharbia, izay nandray andraikitra lehibe tamin'ny fampielezana antontan-taratasy teo amin'ny fiarahamonim-pirenena Toniziana:

If the U.S. will take 35 years from Chelsea Manning’s life, may it console her that she has given us, Arabs, the secret gift that helped expose and topple 50 years of dictatorships.

[…]

After she was sentenced to 35 years in prison Chelsea Manning said in her statement that “Sometimes you have to pay a heavy price to live in a free society.” I don’t know if she knows that she helped us, in this part of the world, to move toward that noble goal. Closing a cell door on a prisoner with a free mind has opened a thousand and one doors for a free society.

Raha haka 35 taona amin'ny fiainan'i Chelsea Manning i Etazonia, hampitony azy anie fa nanome antsika, Arabo, fanomezana miafina izay nanampy nampibaribary sy nanongana ny didy jadona 50 taona izy

[…]

Rehefa avy nosaziana 35 taona an-tranomaizina, dia nilaza tamin'ny fanambarany i Chelsea fa “Indraindray, tsy maintsy mizaka ny mafy ianao mba honina ao anatin'ny fiarahamonina malalaka.” Tsy fantatro raha fantany fa nanampy antsika izy, tao anatin'ny ampahan'izao tontolo izao, mba handeha amin'izany tanjona mendri-kaja izany. Nanokatra varavarana an'arivony ho an'ny fiarahamonina malalaka ny fanakatonana ny varavaran'ny efitry ny fonjan'ny gadra ao anatin'ny saina malalaka.

Hiatrika andiana fanamby i Manning ankehitriny amin'izao famotsorana azy izao, satria nanjary olo-malaza ambony izy izay mety hitombo ny fanorisorenana sy ny fandrahonana herisetra. Nahangona vola maherin'ny 140 000 dolara Amerikana tao amin'ny fanangonam-bola Welcome Home ireo mpanohana an'i Manning, ary niara-nametraka raki-tsary nomerika manasongadina ireo mpanakanto toa an'i Michael Stipe, Tom Morello sy Talib Kweli mba hanohanana azy.

Nosivanin'i Okraina ireo tranonkalam-baovao Rosiana, sy sehatra habaka

Nanasonia didim-panjakana mandidy an'ireo mpamatsy tolotra aterineto mba hanakatona tranonkala media sosialy Rosiana lehibe maromaro ny filoha Okraniana, anisan'izany ny tambanjotra sosialy VKontakte sy Odnoklasniki, ny tolotra mailaka Mail.Ru sy ny milina fikarohana Yandex. Nametraka sazy ho an'ireo olona sy orinasa Rosiana maromaro ihany koa izany didy izany, anisan'izany ny zotra-piaramanidina Aeroflot, ny orinasa fiarovana antserasera Kaspersky Labs, ary ireo manampahefana avy ao amin'ny antoko Rosia Tafatambatra.

Manamarika ny onjan-tsazy avy amin'ny governemanta Okraniana nanomboka tamin'ny fanakambanana an'i Krimea izany: orinasa Rosiana miisa 450 sy olona 1200 no nokendren'ny sazy nanomboka tamin'ny taona 2014. Nanomboka tamin'ny 16 Mey, tsy nisy voasakana ireo tranonkala voasazy ireo.

WannaSob? Niharan'ny fanafihana rindrambaiko fitakiana vola mafy i Shina

Tamin'ny 15 Mey, nanjary firenena voakasiky ny rindran-tsompatra mpitaky vola “WannaCry” indrindra i Shina, izay nihatra tamin'ireo solosaina maherin'ny 230.000 ao amin'ny firenena nanomboka tamin'ny 12 Mey, ary ao Shina no misy ny atsasak'izy ireo. Manafika ireo solosaina tantanin'ny Microsoft Windows ny rindrantsompatra mpitaky vola ary manakana ny mpiserasera tsy hampiasa ny rafitry ny Micorsoft, mitaky amin'ny mpiserasera mba handoa 300 dolara Amerikana raha hamaky ny lahatahirin'izy ireo. Ireo mpiserasera Sinoa – sy ny maro hafa ao amin'ny firenena ahitana famerana momba ny zon'ny mpamorona – no tena mora iharan'ny fanafihana satria maro ireo mampiasa endrika Windows tsy manana fahazoan-dalana sy lany andro ka noho izany tsy mahazo ny fanavaozana farany momba ny fiarovana ho fisorohana ny fanafihana.

Mandrahona an'i Facebook amin'ny fitsarana i Thailandy

Nandrahona hitory an'i Facebook any amin'ny fitsarana ny governemanta Thailandey noho ireo lahatsoratra maherin'ny 131 “manohitra ny fitondram-panjaka tokana”, nangataka tamin'ity goavan'ny media sosialy ity mba hanaisotra izany tao amin'ny sehatrany ny manampahefana. Amin'ireo lahatsoratra, misy ny lahatsary mampiseho ny mpanjaka Thailandey vaovao mandehandeha eny amin'ny toeram-pivarotana lehibe miaraka amin'ny ambonin'akanjo manify, izay niparitaka manerana ny tambajotra sosialy. Nametraka lalàna lese-majeste henjana i Thailandy, manasazy izay lahateny hita fa manevateva ny fianakavana mpanjaka Thailandey, ary nanamafy ny fanenjehana ny fanitsakitsahana ireo lalàna ireo: olona 105 no efa nosamborina noho ny fanitsakitsahana ny lalàna lese majeste nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakana miaramila tamin'ny taona 2014. Efa namafa lahatsoratra 178 sahady ny Facebook tamin'ity taona 2017 ity.

Manome  voninahitra ireo mpikatroka LGBT namoy ny ainy ireo bilaogera Bangladeshita

Nanangana ny bilaogy amin'ny teny Bangla, Dhee (izay midika hoe talenta na faharanitan-tsaina amin'ny teny Bangla) ny Boys of Bangladesh, tambajotran'ireo lehilahy pelaka Bangladeshita, ho fahatsiarovana ireo mpikatroka LGBT namoy ny ainy tao amin'ny firenena sy hanao fanentanana momba ny fanavakavahana ny vondrom-piarahamonina LGBT ao amin'ny firenena. Herintaona mahery lasa izay, mpikatroka mafàna fo Mahbub Rabbi Tonoy sy mpanao gazety antserasera Xulhaz Mannan, izay nanangana ny tranonkalam-baovao LGBT voalohany ao Bangladesh no nalaina an-keriny ho faty tao an-drenivohitra Dhaka.

Nilaza ny Ansar Al-Islam ao Bangladesh fa izy no tompon'antoka tamin'ny famonoana, saingy tsy nahavita namoaka fiampangana tamin'ireo ahiahiana ny polisy. Na dia tsy voaràra mazava ao  Bangladesh aza ny fahapelahana, manameloka ny hetsika ara-nofo “manohitra ny natiora” ny fehezan-dalàna famaizana ao amin'ny firenena, anisan'izany ny lehilahy miray amin'ny lehilahy, ny finonoana taovam-pananahana ary ny fampidirana ao amin'ny lavaka aoriana.

Fikarohana vaovao

 

Misorata anarana amin'ny mailaka ao amin'ny Netizen Report

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.