Ejypta: Mikorontana i Mubarak Satria Mitohy Ny Fihetsiketsehana

(Fanamarihana: Ity lahatsoratra ity dia efa nivoaka tamin'ny volana Janoary 2011, nandritra ny fihetsiketsehana tao Ejypta)

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana Tao Ejypta 2011.

This post is part of our special coverage of Egypt Protests 2011.

Mitohy ny fihetsiketseham-bahoaka, ao anatin'ny andro fahenina misesy. Na dia teo aza ny ezaka hampangina tanteraka ny olom-pirenena sy ny fampahalalam-baovao mahazatra, mitohy manjaka hatrany ny vaovao avy ao Ejipta.

Vao avy nanakatona ny biraon'i  Al Jazeera ao Kairo i Ejipta, rehefa avy nanapaka ny aterineto tamin'ny 27 Janoary. Na izany aza, mbola mikoriana ny vaovao mikasika ny fihetsiketsehana manerana ny faritra, manomboka ao Kairo sy Alexandria. Miiha mikorontana ihany koa ny filoha Ejiptiana Hosni Mubarak satria niova fijery ireo mpanao gazety avy amin'ny gazety tohanan'ny fanjakana.

Teo amin'ny fitondrana nandritra ny 30 taona i Mubarak – ny fialàny no fitakian'ireo mpanao hetsi-panoherana an'arivony nandritra ny andro vitsivitsy .

Tahaka izao no nitranga tamin'ny fihetsiketsehana tao amin'ny Kianja Tahrir ao afovoan-tanànan'i Kairo:

@Hisham_G: RT @beleidy: Tahrir Square is happening! People are gathering there, morale is high, army is friendly and letting people in #Jan25 Egypt

@Hisham_G: RT @beleidy: Mitranga ny ao amin'ny Kianja Tahrir! Mivorivory ny olona, ambony ny moraly, tia namana ny tafika ary mamela ny olona hanao hetsika ao Ejypta #Jan25

@alaa: ♻ @hananegypt: Cressida speaking to K: ‘amazing amotsphere. Everyone is helping and volunteering. The solidarity is beautiful’ #Egypt #Jan25y

@alaa: ♻ @hananegypt: Cressida miresaka amin'i K: ‘Zava-mitranga mahatalanjona. Manampy sy milatsaka an-tsitrapo ny tsirairay. Mahafinaritra ny firaisankina’ #Egypt #Jan25y

@Hisham_G: RT @beleidy: Helicopters are all over the place circling the sky #Jan25 Egypt

@Hisham_G: RT @beleidy: Manerana ny toerana ny angindimby mivezivezy eny amin'ny habakabaka #Jan25 Ejypta

@hilalchouman: RT @monaeltahawy: thousands of #Egyptians pouring into #Tahrir Square in Cairo will achieve what Tahrir means in Arabic: Liberation! #Jan25

@hilalchouman: RT @monaeltahawy: Ejypsiana an'arivony mirongatra ao amin'ny kianjan'i #Tahrir ao Kairo no hahavita izay dikan'i Tahrir amin'ny teny Arabo: Fahafahana! #Jan25

Hassan Al Mustafa avy ao Arabia Saodita nanampy hoe:

halmustafa@

محمد سليم العوا: أكثر من 150 ألف متواجدون حاليا في ميدان التحرير

Mohammed Saleem Al Awa: Mpanao fihetsiketsehana mahery ny 150.000 no ao amin'ny Kianjan'ny Tahrir amin'izao fotoana izao

hassanyahya@

من مظاهرات التحرير الآن: أمامك 80 مليون شهيد لتبقى زعيم الطغاة

Avy ao amin'ny fihetsiketsehana ao Tahrir amin'izao fotoana izao: Miatrika martiora 80 tapitrisa ianao raha mbola hijanona filohan'ny mpanao didy jadona

Notaterina tao Alexandria ihany koa ny fihetsiketsehana:

@draddee AlJazeera: The number of protesters in Alexandria is at record levels. In Tahrir the numbers are increasing, the military's passive. #jan25

@draddee AlJazeera: Tsy mbola nisy toy izany ny isan'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Alexandria. Mitombo kosa ny isa ao Tahrir, mandalo fotsiny ny miaramila. #jan25

Ary toa vao mainka mitombo ny korontana ho an'ny fitondrana Moubarak, satria miaka-peo ihany koa ireo mpanao gazety ao anatin'ny gazety malaza:

@marcynewman Some of Al-Ahram, state controlled newspaper, journalists have signed a petition calling Mubarak to resign #Egypt #Cairo #Jan25 via @alaa

@marcynewman Ny sasany ao amin'ny Al-Ahram, gazety fehezin'ny fanjakana, nanasonia fanangonan-tsonia miantso ny fametraham-pialàn'i Mubarak ireo mpanao gazety #Egypt #Cairo # Jan25 via @alaa

@nadinetoukan: #Jan25 “@sharifkouddous While lack of security is cause 4concern, leading 2more solidarity among people & increasing hatred 4regime #Egypt

@nadinetoukan: #Jan25 “@sharifkouddous Raha anton'ny ahiahy ny tsy fisian'ny fiarovana, izay mitarika firaisankina kokoa eo amin'ny olona sy fankahalana hatrany ny fitondrana

@draddee: Karim Yehia of the AlAhram newspaper just called Mubarak a dictator, a murderer and a butcher on Aljazeera Arabic. #jan25

@draddee: Karim Yehia ao amin'ny gazety AlAhram vao avy niantso an'i Mubarak tao amin'ny Aljazeera Arabo fa mpanao didy jadona, mpamono olona sy mpivaron-kena. #jan25

Mitohy mirongatra manerantany ny fanohanana:

@alaa ♻ @AfriNomad: You can take #AlJazeera out of Tahrir (Liberation) Square but can't take Tahrir Square out of Aljazeera. They're back! #Jan25

@alaa ♻ @AfriNomad: Afaka mijery ny #AlJazeera ivelan'i Tahrir (Fahafahana) ianao saingy tsy afaka maka ny Kianjan'i Tahrir ivelan'i Aljazeera. Niverina izy ireo #Jan25

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.