- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Mirongatra Manerana Izao Tontolo Izao Ny Firaisankina (Lahatsary)

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Tanora

(Fanamarihana: Lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Janoary 2011, nandritra ny fihetsiketsehana tao Ejypta ity)

Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana Ejypta 2011 [1].

Tamin'ny Asabotsy, tao an-tanàn-dehibe samihafa manerana izao tontolo izao, nanao fihetsiketsehana ho firaisankina amin'ireo mpanao hetsi-panoherana Ejipsiana ny olona. Famintinana ny sasany tamin'ireo lahatsary ny diabe nivoaka an-tserasera ity.

Nifamory teo anoloan'ny masoivoho Ejiptiana any Londra ireo mpanao fihetsiketsehana. Ao anatin'ity lahatsary navoakan'ny sternchenproductions [2] ity, manan-kolazaina amin'ny olony niverina ao Ejypta i Waseem Wagdi:

Mpanao diabe marobe eny an-dalamben'i Londra ao amin'ity lahatsary nalefan'ny essamcs [3] ity:

Avy ao Beirut, lahatsary avy amin'ny Pomegran8mm [4]:

Ao Danemark, tsy nihontsina tamin'ny toetr'andro mangatsiaka ireo mpanao diabe ary nanao diabe tao an-dalamben'i Copenhagen (lahatsary avy amin'ny adamskamel [5]):

http://www.youtube.com/watch?v=JuKrDRnLbtk

Avy ao Toronto, Kanada, ity lahatsary avy amin'ny HiMYSYeD [6] ity:

Avy ao Munich, Stockholm, Dublin, Washington DC, Londra, Cincinnati, Berlin, The Hague, angon-dahatsary nalefan'ny ilknur1988 [7]:

http://www.youtube.com/watch?v=RjoVR3gYS4I

Ity lahatsary avy amin'ny ryanharrytorok [8] ity dia mampiseho ny Ejypsiana-Americkana ao Westwood, Los Angeles:

Avy ao Boston ity lahatsary avy amin'ny mmoselhy1607 [9] ity:

Ao Seattle, ity lahatsary ity dia avy amin'ny Princessofegy [10]:

Avy ao Melbourne, Aostralia, lahatsary avy amin'ny EmanMorrison [11]:

http://www.youtube.com/watch?v=5XlZh3instE

Avy ao Portland, Etazonia, lahatsary notontasain'ny zebra334 [12]: