- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japàna: Afaka Isorohana Famonoantena Ve ny Twitter?

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Vonjy Voina
[1]

Jior LED manga ao amin'ny Làlana Shinjuku .(Tokyo) An'i  jediduke

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2010)

Vao haingana ny Masoivohon'ny Polisim-Pirenena no namoaka ny vokatry ny fanarahana maso fanaony isantaona momba ny famonoantena ao Japàna. Araka ny antontanisa ofisialy [2] [ja, pdf], 32.845 ireo olona nanatanteraka famonoantena tamin'ny taona 2009 ary ny tena nampivarahontsana dia ny fitomboan'ny isan'ireo teo anelanelan'ny 20 sy 30 taona; ny tena antony [3] [ja] dia voalaza ho 1) olana ara-pahasalamana, 2) olana ara-bola na ara-tsosialy, 3) olana ara-pianakaviana.

Malaza ratsy loatra ho iray amin'ireo firenena mandroso nefa manana taham-pamonoantena avo indrindra isaky  ny isan'ny mponina [4][en], efa an-taona maro i Japàna no efa niezaka ny hiatrika ilay olana, tamin'ny fiasàna hisorohana izany miainga avy amin'ny lafim-piarahamonina rehetra. Tsy sasatra ny manao fanentanana mba hanairana ny saina sy manasa ny vahoaka hila fanampiana amin'ireo ivontoerana natao ho amin'izany ny governemanta sy ireo vondrona hafa, rehefa mahatsapa izy ireo fa tratry ny rarintsaina na resy lahatra fa ny vahaolana tokana hamahàny ny olany, na matetika ny olan'ireo havan-tian-dry zareo, dia ny famonoana tena.

Ny fanapahana hevitra hiresaka amin'olona hafa, fieritreretana ary famaritana ny anton'ny hadisoam-panantenan'izy ireny, dia tena dingana sarotra tokoa izay vitsy ny olona tratry ny rarintsaina no inoana fa hahavitra hanao azy. Nefa, na tsy ho vahaolana maharitra aza ny aterineto, mino ny sasany fa mety ho fitaovana afaka manampy , indrindra fa eny anivon'ireo andian-taranaka tanora mpiondana teknolojia.

Amin'io lafiny io, ivon'ny adihevitra natao tsy ela akory izay ny Twitter, ho an'ireo izay mahita ny endrika tarehintsoratra 140 ao aminy ho misy azo ampiasaina hifandraisana amin'ireo mitady fanampiana nefa maniry tsy ho fantatra anarana ary tsy afaka ny hilaza ny fangirifiriany aminà fehezanteny lavabe sy tsara rafitra.

Yamabe [5] milaza fa ny vaovao [6] [en] hoe, tsy ela akory izay, afaka nisakana vehivavy iray tsy hamono tena ilay mpilalao an-tsehatra, Demi Moore, tamin'ny alàlan'ny fifampibitsihana tarehintsoratra manana halava 16 monja, dia nahatonga azy hisaintsaina momba ilay olana.

考えてみたんだけど、案外自殺予防とツイッターって相性が良いのかもしれない
まず、ツイッターはゆるい関係が主体なので、書き込みがしやすいというのがある
このことは何を意味するかというと、ちょっと人生が嫌になって実際に自殺はしないのだけど
心が折れてしまってこのまま消えてしまいたいそんな気持ちをもツイッターでつぶやきやすいということだ
つまり自殺予防だけではなく、その前の段階(死んでしまいたい気持ち)に至るのをも防ぐことができるということだ
絶望から来る自殺なら、ツイッターでそれをつぶやけば
案外自分は一人ではないと気がつくかもしれない……

Nosaintsainiko kely ny momba azy io ary tsapako fa raha ny marina dia afaka miaraka tsara ny Twitter sy ny fisorohana ny famonoantena.
Voalohany indrindra; tsy manara-penitra ny fifandraisana misy ao amin'ny Twitter, izay mahatonga ny fanoratana ho mora kokoa. Rehefa voalohany mipoitra ny fahatsapàna hoe nandiso fanantenana ny fiainana, na nankarary saina ka tsy ilaina tohizana lavitra ary tonga hatramin'ny faniriana hampitsahatra azy mihitsy, dia eo ilay teboka iray afaka andefasaka ilay fihetsehampo amin'ny alàlan'ny bitsika – fahatsapana fa tsy afaka manohy izany intsony ny olona iray ary tsaratsara ho azy angamba raha foana tsy hita eto amin'ity izao tontolo izao ity izy.
Araka izany, dia mety ho azo ampiasaina ny Twitter, tsy hoe fotsiny ho fisorohana ny tranganà famonoantena, fa koa hanakanana ny fahaterahan'izay dingana teo alohany, ny fieritreretana faniriana ny ho faty. Ho an'ireo famonoantena vokatry ny hadisoam-panantenana tanteraka, angamba mety hanampy hahatsapàny fa tsy irery izy raha toa ny olona iray afaka mibitsika ny fahaketrahany….
[7]

Fitaratra fisorohana ny famonoantena, ao Sapporo. an'i MJTR (´・ω・)

Marobe ireo niezaka ny nanome ny fijeriny [8] [en] ny olana sarobahàna tahaka izany, niezaka ny nandalina ny dona ara-tsaina izay entin'ny “fihetsika famonoantena” ao Japàna, toerana izay niheverana fa fihetsika fanehoana fahasahiana ny “famonoantena” tamin'ny andro fahiny. Tsy ao anatin'ny kolontsaina Samurai ihany, fa koa any ambanivohitra any, izay mazàna ireo zokiolona no manapaka hevitra samirery ny  ‘hihataka’ any an-tenodrombohitra [9] [en] mba tsy ho vesatra ho an'ny fianakavian'izy ireo.

Nefa ny zavamisy hoe toa tsy hihena mihitsy ny isan'ireo tratrany, dia efa midika fotsiny fa saro-pantarina ny antony, ary ny bilaogera sasany, toa an'i Ayasan [10], dia kely finoana ihany amin'ny ho tanjaky ny Twitter sy ny aterineto amin'ny ankapobeny.

ツイッターやチャット、相手の素性を知らず(こちらの素性も知られず)に、リアルタイムでやり取りをする方法は沢山あります。
勿論、然るべきルートで然るべき方法をとれば、「PCの向こう側の個人」を特定することはできるけど、リアルタイムではほぼ無理。
そういう状況の中で、フリーにアクセスできてしまうツールで、「命」を扱う事、私はとても危うい事だと思います。[…]
過去の記事に、「言葉は人を殺す事ができる」という内容の記事を書いた事があります。
言葉の選び方、漢字の使い方、文のニュアンス…
「あちら側との狭間」に立つ人は、「言い回しひとつ」に過剰に反応し、簡単に決行してしまう。
PCを通して向かい合っている(つもり)の相手が、「善意の人」だと言い切れますか?
インターネットでの繋がり程度で、「死にたい程の孤独」が紛れると本気で考えてるとしたら、相当オメデタイか、想像力が欠如してると思うよ?
確かに、「一時的な気休め」にはなるのかも知れないけれど、最終的な光にはなり得ない

Misy fomba betsaka azon'ny tsirairay ifampiresahana, toy ny fampiasàna ny Twitter na ireo efitra fifampiresahana (chat), toerana izay tsy ahafantaranao hoe iza ilay iray hafa, sy tsy ahafantaran-dry zareo koa hoe iza ianao. Mazava loatra, mety ho azo atao  ara-teknika ny mamantatra ny olona iray ao ambadiky ny solosaina, saingy tsy eo noho eo, mbola tsy afaka atao aloha izany hatreto. Izany no antony, rehefa anaty tranga tahaka itony, iheverako fa tena mampididoza raha afaka tantanina amin'ny alàlan'ny fitaovana iray mamela fifanakalozana malalaka tahaka izany ny fiainan'ny olona iray . […]

Tany aloha tany aho dia nanoratra lahatsoratra hoe ‘manana hery mahafaty olona ny teny’. Ny fisafidianana ny teny, ny fampiasàna ireo voanteny, ary ny fahasamihafàn'ny fehezanteny iray feno manontolo dia tena manandanja be tokoa. Ilay olona misavily eo amin'ny kofehy kely iray manify manasaraka ny tsipiky ny fiainana sy ilay lafy iray ‘hafa’ dia tena saropady tokoa ary mora tohinin'ny fehezanteny tsirairay, mahatonga ny fanapahankevitra hoe “lasa izao / tsy lasa izao” ho haingana dia haingana. Misy ve olona afaka hiteny amin'ny fomba azo antoka fa ilay olona, ifampiresahany amin'ny alàlan'ny solosaina, dia tena manana fitondrantena atosiky ny fitiavana tokoa?

Tena te-hanolotra fiarahabana aho ho an'ireo izay tena mino marina tokoa fa miaraka amin'ireo karazana fifandrohizana natsangany tao amin'ny aterineto, ny fihetsehampon'ny olona iray izay tena mihevitra ny hoe “mahatsiaro tena manirery aho ka te-ho faty” dia afaka tokoa ho avilivily ny sainy. Na angamba tsy ampy fieritreretana ry zareo.
Eny, ny fifandraisana amin'ny olona iray tsy fantatra amin'ny alàlan'ny aterineto dia mety hanome famonjena vonjimaika saingy tsy heveriko ho afaka hanome hevitra na vahaoloana iray maharitra.

Raha tsy nahavita nisoroka ny famonoantena ireo fepetra fisorohana, tahaka ireo fefy sy jiro LED manga any amin'ireo toeram-piantsonan'ny fiarandalamby (ny fitsambikinana amin'ny fiarandalamby no fomba ankafizin'ny maro [11] ‘hamaranana ny aminy’), ny sasany indray mihevitra hoe , ao anatin'ny vanimpotoanan'ny bilaogy, Twitter sy Facebook, mety ho fomba vaovao afaka hanampy hamaha ilay olana ireo tolotra omen'ny tambajotra sosialy.
Ikeda Hayato [12] mino ny herin'ny haino aman-jery sosialy.

今までのウェブだったら、その声は無視されていたかも知れませんが、ソーシャルグラフ(人間関係/データ関係)が構築された昨今のウェブでは、声を上げることは「つながる」きっかけになり得えます。
Wonder Shakeの鈴木君(@Doubles9124)が、「ソーシャルメディアは人生を変える意思決定を生み出す可能性のある場」という言葉をスカイプで伝えてくれました。自殺を防ぐことができたら、それは究極的な「人生を変える意思決定」です。
ショッキングなことに、20代・30代の自殺率が上がっているそうです。テクノロジーで全て解決できるわけはありませんが、今のウェブは「つながる」力を持っています。ソーシャルウェブを活用することで、一人でも多くの人の人生が変わるのなら、素晴らしいことだと思います。

Miaraka amin'ilay endrika tranainin'ny tranonkala, mety tsy nisy mpihaino ny feon'ireo mijaly, saingy miaraka amin'ny tranonkala amin'izao fotoana izao, izay tsara rafitra sy azo rasina ireo kisarisary sosialy (fifandraisan'ny samy olona, fifandrohindrohizan'ny angondrakitra), ny fanandratanao ny feonao dia afaka ho lasa fifandraisana aminà olona iray.
Ing. Suzuki avy ao amin'ny Wonder Shake [13] (@Doubles9124), nandefa tamiko ireto teny ireto tamin'ny alàlan'ny Skype:” Ny haino aman-jery sosialy dia mahasolo toerana iray izay ahafahana mandray fanapahankevitra iray manome làlana hisian'ny fiovàna amin'ny fiainan'ny olona iray”. Raha azo atao ny misoroka ny famonoantena, dia mety ho angamba ny fampiasàna araka izay tratra ny dingana iray fandraisana fanapahankevitra mba hanovàna ny fiainan'ny olona iray.
Ny tena hitako ho manaitra dia ny fitomboan'ny isan'ireo olona mamono tena eo anelanelan'ny 20 sy 30 taona. Mazava loatra fa tsy ho vita ny hamaha ny olan'ny tsirairay amin'ny fampiasana ny teknolojia, saingy ny tranonkala amin'izao fotoana izao dia manana hery hampifandray, ary mety ho zavatra mahafinaritra raha toa, amin'ny fampiasana ny tranonkala sosialy, afaka ho voaova sy ho voavonjy ny fiainan'ny olona, na dia ho iray monja aza.
[14]

Suicide prevention campaign. by titincai. The poster reads ‘Are you thinking of dying? Communicate your thoughts.’