- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japàna: Ilay Kiririokan'ny Ao Afovoany Atsinanana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Azia Atsinanana, Japana, Koety, Korea Atsimo, Fanatanjahantena, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka

The ball [1](Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2008)

Karazana fanatanjahantena mahasarika ny sain'ny haino aman-jery sy ny vahoaka amin'ny ankapobeny ny lalao handball tsy toy izay nisy tao Japàna tany aloha tany, sy tany Korea [2]. Vaky masoandro ny disadisa [3] rehefa injay i Korea sy Japàna samy nangataka ny Federasiôna Iraisampirenen'ny taranja Handball mba hamerina ny lalao fifanintsanana ho an'ny Lalao Olaimpika, faritra Azia noho ireo fitsaràna mampisalasala nataon'ilay mpitsara lalao. Ny honohono dia milaza hoe novain'ny Asian Handball Association (AHF), eo ambany fitarihan'ilay Koetiana Sheikh Ahmad Fahad al-Sabah, ho mpitsara avy ao Afovoany Atsinanana ireo mpitsara Eoropeana, taloha kely monja hanaovana ireo lalao hifanandrinan'i Koety amin'i Japàna sy Korea mba hampitanilàna ny lalao ho any amin'i Koety.

Raha somary niha-ratsiratsy ihany no fahitàna ilay fifandirana [4], ireto no tenin'ireo Japoney bilaogera sasany.

We Are Family [5] manakiana ilay lazaina ho “Kiririokan'ny Ao Afovoany Atsinanana” ary mihevitra fa ny toetoetry ny vahoaka Japoney no mety nitàna anjara toerana tamin'ny zavatra rehetra niseho:

あの「中東の笛」と呼ばれるスポーツにあるまじき行為・・・。個人的にはスポーツはお金や権力に左右されずにみんなに平等であるべきだと思うけど・・。では何故今それが話題になってきたのか?これまではなかったのか?と考えると・・・日本の自己主張力がないような気がする。今回の問題も韓国のおかげで事が大きくなったし。多分日本は不公平なジャッジでもしょうがないと思っていたに違いない。そこがやはり外国と日本との考え方(価値観)の違いなんだろうねぇ。まあこれからはもっと国際化してくなかで日本人が直さないと世界とは戦えないという事が増えてくるかもしれないねぇ。。頑張れ日本!!

Ity zavatra antsoina hoe “Kiririokan'ny Ao Afovoany Atsinanana” ity, fitondrantena tsy azo ekena amin'ny resaka fanatanjahantena… Izaho manokana dia mino fa ny fanatanjahantena dia tokony tsy hofehezin'ny vola na ny fahefana ary tokony hitovy ho an'ny rehetra…
Araka izany, nahoana no ametrahana fanontaniana indray ny momba izany ankehitriny? Tsy efa nisy ve izany tany aloha? Hoy aho… Heveriko fa tsy ampy fanamafisana ny maha-izy azy ny vahoaka Japoney. Mila nieritreritra ny Japoney na dia nahazo fitsaràna nitanila aza, tsy misy na inona na inona azony atao intsony momba azy iny. Heveriko fa izany no maha-samihafa ny Japoney sy ny fomba fisainana vahiny (soatoavina). Eny, heveriko fa mbola betsaka ny zavatra tokony hovain'ny Japoney mba hifaninanana amin'izao tontolo izao….Ataovy izany Japàna a!

Sports News [6] manipika hoe tsy ao Afovoany Atsinanana ihany no ahitàna fitsaràna mitanila fa raharaha fahita amin'ny fanatanjahantena rehetra io.

にわかに脚光を浴び始めた「中東の笛」という言葉ですが、中東に限らず地元のチームに有利な判定が出ることを「ホームタウン・デシジョン」と言います。これはプロの世界ではボクシングでかなり露骨に見られる場合があります。例えば問題になった亀田興毅VSランダエタの第1戦などもその一つであると考えられます。あの時は驚異的な視聴率をとったこともあり、多くのボクシングビギナーもTV観戦したことから大問題となりましたが、海外で日本人が(日本人に限りませんが)試合をした場合に、地元の選手に有利な判定で涙を飲むことは珍しくないんですよね。
「中東の笛」は批判されてしかるべきですが、スポーツの試合に完全なクリーンさを望むのもどうかと思います。一番ホクホクしているのは、高視聴率がとれそうなコンテンツのできたテレビ局かも。

Ity fomba fiteny ity  “Kiririokan'ny Ao Afovoany Atsinanana” , dia nanomboka nisarika be ny saina tampoka teo, saingy tsy tao AfovoanyAtsinanana ihany — ny fomba fitsara hanomezana tombony ny tarika avy eo an-toerana dia nantsoina hoe “fanapahankevitra avy any an-tanàna”. Eo amin'ny sehatry ny matianina, misy ireo tranga izay ahitàna izany mivandravandra any amin'ny ady totohondry. Ohatra, ilay lalao voalohany nifandonan'i Kameda Koki sy Juan Landaeta dia noheverina ho iray tamin'ireny. Lasa olana goavana ilay izy satria nanamarika taham-pijerena iray tsy mbola nisy toa azy ary marobe ireo vao mirotsaka eo amin'ny sehatry ny ady totohondry no nijery ilay lalao tao amin'ny TV, saingy rehefa milalao any ampitan-dranomasina ny Japoney (na dia tsy voafetra ho ny Japoney ihany aza), tsy mahazatra loatra ny hoe mahatàna ny ranomasony ireo mpilalaony rehefa mirona mankany amin'ny mpilalao eo an-toerana ny fitsaràna.
Mendrika fanakianana ny “Kiririokan'ny Ao Afovoany Atsinanana”, saingy tsy azoko antoka ny fangatahana fanadiovana tanteraka ireo lalao ara-panatanjahantena. Angamba ireo fantsom-pahitalavitra no tena mahita fifaliana, dia izy ireo izay manana votoaty afaka hahazoany taham-pijerena ambony be tokoa.

Farany , hanasinogomibako [7] manoratra hoe:

クウェートの王族が実権を握っているのだから友好関係にひびが入るほうが心配
中東諸国が石油を日本に売らないと言われたほうが心配
日本は北京五輪に出られたとしてもメダルを取れるほど強くはないし予選で韓国にも負けているほどだから
ハンドボールの件は日本韓国のアピールが通ったのだから次回からは公平に成ると思う。
スポーツと政治は別ものだが歴史を見れば関係大有り。

Satria eo an-tànan'ny fianakavian'ny mpanjaka Koetiana ny fahefana, mampanahy be kokoa ahy ny hahasimba ny fifandraisana am-pirahalahiana.
Mampanahy ahy bebe kokoa hoe ireo firenena aty Afovoany Atsinanana mety hilaza fa tsy hivarotra intsony ny solika avy any aminy ho any Japàna.
Na mandeha mamonjy Lalao Olaimpika aza i Japàna, tsy dia tsara omana loatra hahazo medaily ary resin'i Korea izy tamin'ny lalao fifanintsanana.
Raha ny raharahan'ny lalao Handball, satria vita ny antso niarahan'i Japàna sy Korea nanao, ho ara-drariny kokoa ny amin'ny manaraka.
Zavatra roa misaraka ny fanatanjahantena sy ny politika, saingy raha jerenao ny tantara, misy fifandraisana mivandravandra ao.

(Sary ery ambony: naverina navoaka miaraka amin'ny lisansa GNU )