Ejipta: 30 Andro Anoratana Bilaogy

(Fanamarihana: Lahasoratra tamin'ny May 2010)

Shayun Biqalbi, Ejiptiana bilaogera – Something in my Heart (Zavatra ao Am-Poko) – nanoratra momba ny fanentanana iray antsoina hoe “30 Anoratana Bilaogy”. Dalia Younis no tompon-kevitra niandohana ary nanoratra momba azy io ato [Ar]. Izay olona mandray anjara amin'ilay fanentanana dia mila manoratra lahatsoratra iray vaovao isanandro mandritry ny volana iray manontolo. Raha tsorina dia mitovitovy amin'ilay “365 Project” ilay izy, saingy amin'ity indray mitoraka ity dia lahatsoratra anaty bilaogy no atao fa tsy fakàna sary.

Shayun Biqalbi manome ireo antony nanombohana fanentanana tahaka ity, ato;

حملة “30 يومًا من التدوين” تهدف إلى ما يلي:
– زيادة شعور المدوّن والكاتب بالمسئولية تجاه قرائه الذين قد ينتظرون بالشهور لقراءة جديده ثم ييأسوا ويكفوا عن متابعة موقعه أو مدونته.
– إظهار موهبة الكاتب في قدرته على استنباط أفكار من حياته اليومية والكتابة عنها، وليس انتظار مجيء فكرة أو إلهام من العدم.
– تشجيع القراء على القراءة اليومية ولو كانت لتدوينة قصيرة.
– زيادة زوار ومتابعي المدونات الذين ستزداد ثقتهم في وجود جديد كل مرة

.

Ilay fanentanana 30 Andro Anoratana Bilaogy dia natao mba:
– Hampanan-karena ny fandraisana andraikitra avy amin'ireo bilaogera manoloana ny mpamakiny niandry azy ireo am-bolana maro mba hanoratra lahatsoratra vaovao, ary indraindray mety ho niala an-daharana sy nitsahatra tsy nanaraka ny bilaoginy.
– hanerena ny olona hanamafy ny talentany sy hivoaka hitady hevitra vaovao hosoratana, ary tsy hiandry ny hevitra ho tonga eo aminy fotsiny hanoratana bilaogy.
– handrisihana ireo mpamaky mba hamaky lahatsoratra iray isanandro, eny fa na dia ho lahatsoratra fohy monja aza no hovakian'izy ireo..
– hampitomboana ny isan'ireo mpitsidika sy mpanjohy ny bilaogy, izay hahazo toky kokoa fa hahita lahatsoratra vaovao isaky ny mitsidika ny bilaogin-dry zareo.

Toy izao ireo fitsipika:

يقوموا بالتدوين اليومي عن أي شيء ولو كان مواقف الحياة اليومية كما يرونها بأعينهم الخاصة طوال فترة شهر ابتداءً من أول مايو 2010 (وهو بديهيًا موعد بدء الحملة). وفي حالة أن لم تسمح ظروف المدون في يوم بعينه فيتعين عليه أن يكتب تدوينة زائدة في اليوم التالي

.

Tsy maintsy manoratra lahatsoratra iray isanandro ry zareo ao amin'ny bilaoginy. Azony atao daholo ny rehetra, mety ho zavamitranga isanandro iainany mandritra io volana io. Ny 1 May no nanombohany –  izay daty fanombohan'ilay fanentanana, ary raha toa misy amin'ireo mpandray anjara tsy mahavita manoratra lahatsoratra iray isanandro, dia azony fenoina amin'ny fanaovana lahatsoratra fanampiny, ny ampitson'iny.

Tombana ny ahy ny hoe tokony hiandry hahita ny isan'ireo bilaogera mandray anjara amin'ny fanentanana tahaka itony isika. Ary ny sasany koa manontany tena raha toa afaka manomboka ny “30 Andro Anoratana Bilaogy” azy ireo manokana amin'ny fotoana tiany hanaovana azy ry zareo, fa tsy voatery ho ny 1 May.

Farany, tsy haintsika na tena hevitra Ejiptiana tanteraka tokoa ny fanamby “30 Andro Anoratana Bilaogy”, satria tsy vaovao ilay izy. Ireo olona toa an'i Mary Beth Mills sy Flights of Whimsy dia efa niantso fanamby tena mitovy amin'io talohan'i Dalia Younis.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.