- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nitsangana Ny Sendikà Tsy Miankina Voalohany Ao Ejypta

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Saripika, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna

(Fanamarihana: Ity lahatsoratra ity dia nivoaka tamin'ny volana Aprily 2009)

Nibilaogy [1] momba ny fahatsapany voalohany ny fandresena taorian'ny andro niarahany tamin'ireo mpanangona hetra ilay mpikatroka sady bilaogera Ejypsiana, Hossam El Hamalawy, izay nanao fihetsiketsehana tao an-tanànan'i Nasr mba handresy lahatra ny Minisiteran'ny Asa mba hankasitraka ny sendikà mahaleotenan'izy ireo. Avy eo izy nampiakatra sary [2] nalainy nandritra ny fihetsiketsehana, ary nilaza [3] momba ny tatitra navoakan'i Sara Carr – tao amin'ny Daily News Egypt. Sambany ireo mpanangona hetran-tany no nanangana sendikà tsy miankina voalohany nanomboka tamin'ny taona 1957.

Tax Collectors celebrate the formation of their union. Picture by Hossam El Hamlawy [4]

Mpanangona hetra mankalaza ny fananganana ny sendikan'izy ireo. Sary avy amin'i Hossam El Hamlawy

Taty aoriana, nilaza [5] i El Hamalawy fa nahazo fankasitrahana iraisam-pirenena ny sendikà – miampy ny fankasitrahana tao an-toerana – raha nanaiky ny maha-mpikambana ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Hetran-tany ao Ejypta ny Arabo, Afrikana, sy ny solontena iraisam-pirenena ao amin'ny Sampan-draharaham-panjakana Iraisam-pirenena [6].