(Fanamarihana: Ity lahatsoratra ity dia nivoaka tamin'ny volana Aprily 2009)
Nibilaogy momba ny fahatsapany voalohany ny fandresena taorian'ny andro niarahany tamin'ireo mpanangona hetra ilay mpikatroka sady bilaogera Ejypsiana, Hossam El Hamalawy, izay nanao fihetsiketsehana tao an-tanànan'i Nasr mba handresy lahatra ny Minisiteran'ny Asa mba hankasitraka ny sendikà mahaleotenan'izy ireo. Avy eo izy nampiakatra sary nalainy nandritra ny fihetsiketsehana, ary nilaza momba ny tatitra navoakan'i Sara Carr – tao amin'ny Daily News Egypt. Sambany ireo mpanangona hetran-tany no nanangana sendikà tsy miankina voalohany nanomboka tamin'ny taona 1957.
Taty aoriana, nilaza i El Hamalawy fa nahazo fankasitrahana iraisam-pirenena ny sendikà – miampy ny fankasitrahana tao an-toerana – raha nanaiky ny maha-mpikambana ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Hetran-tany ao Ejypta ny Arabo, Afrikana, sy ny solontena iraisam-pirenena ao amin'ny Sampan-draharaham-panjakana Iraisam-pirenena.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...