Fitaovana Hanehoana Hevitra Manokana Sy Hiarovana Kolotsaina Ny Hip-Hop Ho An'ny Tanoran'ny Firenena Voalohany Sasany

Fandraketam-peo ho an'ny hira  “Home to Me” – Firenena Voalohany Grassy Narrows . Sary nahazoana alàlana avy amin'i N'we Jinan.

Misaintsaina ny olana izay lehibe amin'izy ireo ao anatin'ny hip-hop ireo tanora avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny Firenena Voalohany manerana an'i Canada amin'ny alalan'ny atrikasa isankarazany .

Ao anatin'ny fitetezam-paritra N’we Jinan ny  fitondran'ny mpitarika ny atrikasa mivantana amin'ny studio mandehandeha mba hamokarana mozika any an-tsekoly sy any amin'ny foiben'ny tanora ary hampianarana azy ireo ny famoronan-kira, ny fandraisam-peo, ny raki-peo sy ny famokarana lahatsary ary ny fanaovana fampisehoana mivantana ho an'ny vondrona tanora nanomboka tamin'ny taona 2014.

Notarihin'i David Hodges ny atrikasa tany am-boalohany , izay mpanabe monina any Montreal, ary niara-niasa tamin'ny vondrom-piarahamonina Cree miisa 10 any amin'ny faritra avaratr'i Quebec, ary avy eo nanomboka niara-niasa tamin'ny tarika hip-hop Cree The NorthStars izy. Nanomboka  tamin'ny fifampiresahana teo amin'ny tanora mpanatrika ny modelin'ny atrikasa mba hikarohana foto-kevitra toy ny hoe “ny mari-panondroana ara-kolontsaina,ny fiteny, ny tolona, ny fitiavana, ny fanekena ny tena,” na ny zavatra hafa tao an-tsain'izy ireo. Nampiasa ny olana ho toy ny aingam-panahy ho an'ny hira sy ny lahatsary izy ireo avy eo miaraka amin'ireo tanora vedety. Noho ny lazan'ny atrikasa , niara-niasa tamin'ny vondrom-piarahamonina hafa ao amin'ny Firenena Voalohany any Kolombia Britanika ihany koa ny ekipa, ary nasaina mba hikarakara atrikasa mitovy amin'izany miaraka amin'ny foko Winnebago ao Nebraska any Etazonia.

Ohatra, milaza ny tantaran'ny Lalambe faha 16 na ny ” Lalamben'ny Ranomaso ”  ity lahatsary avy amin'ny Sekoly ‘Na Aksa Gyilak'yoo ao amin'ny Firenena Voalohany Kitsumkalum any Colombia Britanika ity, làlana iray any andrefan'i Canada izay nahitana ny fanjavonana na famonoana ny zatovovavy efa ho roa ampolony in-droa ary tompotany ny ankamaroany kanefa tsy mbola voavaha ny ankamaroan'ny raharaha.

Mampiasa ny  foto-kevitra lalao video ity lahatsary manaraka avy amin'ny Firenena Voalohany Nemaska Cree ity  mba hampitana ny maha zava-dehibe ny fihazonana ny fomba amam-panao nentim-paharazana sy ny fomba fanao na dia eo aza ny fiantraikan'ny fanatontoloana.

Maro amin'ny lohatenin'ny hira no amin'ny fitenindrazana satria misy ny ambaratonga samihafa momba ny fiteny misosa tsara ao amin'ny Firenena Voalohany eo amin'ireo tanora izay mandray anjara. Ao amin'ity hira noraketina tao amin'ny  Firenena Voalohany Whapmagoostui Cree ity,  hiraina amin'ny fiteny Cree ny isan'andininy amin'ny hira. Nampian'i Gary Jolly ao amin'ny tarika hip hop Northstars ireo tanora ao anatin'izany, izay nampindrana azy ireo ny andininy ao amin'ny Eastern James Bay Cree .

Ao amin'ny Pejy Facebook N'we Jinan, natao ny famadihana ny andininy ho tarehin-tsoratra  , miaraka amin'ny fandikanteny amin'ny teny Anglisy :

Metch agah endun ehpsgatikyaan aydaytiman
Sook maak engah gwitchtan, ewt stcheet jeh bimtayyaan
Enjeesh jigga behtoonoh, eh yashkawayyat
mwetch endeh eh whinchinyat ay snacksiyat ewsneejuuyat,
muk indabwehten bayg a jeeshagow jeh psigoodowt
Mwee naawee waptan endwee ayshaa bimatchewdow
Jenndowchjehdow, Neeganshgohdowt ewshneejew gehweeyow
jeh dootkoh dan guysh eechimgoodot Chemindoo

Indraindray aho mahatsiaro fa toa tsy misy miraharaha
kanefa mbola miezaka hatrany aho ny hanohy ny androko eto an-tany
ity no andro handrenesanao ny hikiakianay
satria toy ny tanora very làlana amin'ny fiainana izahay
kanefa mino aho fa indray andro any dia hitsangana izahay
Tsy te-hahita azy ireo hiaina ao anatin'ny fiainana ratsy aho
mba hahafahan'izy mitombo sy mitarika ny tanora ihany koa
mba hahafahan'izy ireo manao izany toy ny mpamorona voatendry ho azy ireo

Mbola hita ao anatin'ny fanehoan-kevitra ihany, nandray anjara tamin'ny famadihana ho tarehin-tsoratra ny andininy ny mpamaky teny sady mpisolovava miteny amin'ny fiteny Cree Kevin Brousseau tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny rafitra fanoratana feo tokana (izay navoaka tao amin'ny bilaoginy ihany koa ary nahazoana alàlana mba havoaka indray):

ᒬᐦᒡ ᐁᑳ ᒥᑐᓐ ᐁ ᐱᓯᔅᑳᑎᑲᐎᔮᓐ ᐁ ᐃᑌᔨᐦᑕᒫᓐ
ᓲᐦᒃ ᒫᒃ ᓂᑲ ᑯᒋᐦᑖᓐ ᐆᑕᐦ ᐊᔅᒌᐦᒡ ᒉ ᐱᒧᐦᑌᔮᓐ
ᐊᓄᐦᒌᔥ ᒋᑲ ᐯᐦᑕᐎᓈᐙᐤ ᐁ ᐊᔮᔑᐦᑴᔮᐦᒡ
ᒬᐦᒡ ᐊᓐᑌ ᐁ ᐗᓂᔑᓂᔮᐦᒡ ᑖᓐ ᐁᔑᓈᑯᓯᔮᐦᒡ ᐁ ᐅᔥᒋᓃᒌᐎᔮᐦᒡ
ᒥᒄ ᓂᑖᐺᐦᑌᓐ ᐯᔭᑯ ᒌᔑᑳᐤ ᒉ ᐸᓯᑰᑣᐤ
ᒨᔾ ᓂᐐ ᐙᐸᐦᑌᓐ ᓇᑕᐐᔾ ᐁ ᐃᔑ ᐱᒫᑎᓰᑣᐤ
ᒉ ᓂᐦᑖᐎᒋᑣᐤ ᐁ ᓃᑳᓂᔥᑲᐙᑣᐤ ᐅᔥᒋᓃᒋᐤᐦ ᑲᔦ ᐐᔭᐙᐤ
ᒉ ᑑᑕᐦᒀᐤ ᑖᓐ ᑳ ᐃᑕᔓᒥᑯᑣ ᒋᔐᒪᓂᑑᐦ

Sarotra ny hanehoana ny famoronan'ireo vondrom-piarahamonina ao amin'ny Firenena Voalohany ao anatin'ny lahatsary telo monja. Azo jerena ao amin'ny  fantsona YouTube N'we Jinan ny hira rehetra avy ao amin'ny tetikasa. Efa nivoaka ihany koa ny kapila mangirana mirakitra hira samihafa miisa dimy avy amin'ny atrikasa isankarazany .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.