- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Satria Efa Akaiky Ny Fifidianana Izay Ho Tale Jeneralin'ny OMS, Voampanga Tamin'ny Resaka Kolerà ny Kandidàn'i Ethiopia

Sokajy: Afrika Mainty, Etiopia, Fahasalamàna, Fampandrosoana, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Paompy notohanan'ny Unicef ara-bola ao Ethiopia. © UNICEF Ethiopia/2016/Ayene. CC BY-NC-ND 2.0.

Tamin'ny Janoary 2017, raha nisongadina tamin'ireo kandida telo voalohany [2] ny kandidan'i Ethiopia ho an'ny tale-jeneralin'ny OMS, Tedros Adahanom – nandresy kandidà enina hafa – fotoan-dehibe [3]ho an'ny governemanta ao Ethiopia izany.

Na dia niatrika mpanohitra [4] masiaka teo amin'ireo mpiray tanindrazana aza i Adahanom, dia tsy nampihontsina azy izany, manome fandresena fampielezan-kevitra ho an'ny fampahalalam-baovao-panjakana [5] Etiopiana. Noho ny fampielezan-keviny voatohana ara-bola tsara [6], nitsidika firenena maherin'ny 120 i Adahanom, ary nahatsiaro natoky tena ireo mpanohana azy fa ho lany izy ary fotoana fotsiny sisa no isaina.

Tamin'ny 13 May, namoaka tantara [7] ny New York Times, izay milaza fa niampanga an'i Adahanom ho nanafina areti-mifindra kolerà [8] telo nanomboka tamin'ny taona 2008 ka hatramin'ny 2011 nandritra ny maha Minisitry ny Fahasalamana azy tao Etiopia ny “manam-pahaizana iray malaza manerantany momba ny fahasalamana”. Nanao ny fiampangana i  Lawrence O. Gostin; mpanolo-tsaina tsy ofisialy ao amin'ny iray amin'ireo mpanohitra an'i Adahanom mifaninana hofidiana tale jeneraly, David Nabarro avy ao amin'ny Fanjakana Mitambatra, saingy nilaza tamin'ny New York Times i  Nabarro fa tsy nilaza tamin'i Gostin mba hanao ny fiampangana amin'ny anarany.

Nony farany! Miantso ny kandidà ho Tale Jeneralin'ny @WHO [10] @DrTedros [11] ny @NYTimes [9] noho ny fandrakofana momba ny areti-mifindra kolerà amin'ny fampiasana teny malefaka Aretin-kibo Mipiriritra Be.

Abebe Gellaw, mpanao gazety Etiopiana malaza any am-pielezana, nanoratra [14] tao amin'ny Facebook fa vao fanombohany fotsiny izany:

New York Times has a hard-hitting article on Tedros Adhanom. Tedros says it is a “smear campaign”. But the revelation is just the tip of the iceberg. A lot more will come out in the next few days…

Manana lahatsoratra sarotra momba an'i Tedros Adhanom ny New York Times. Nilaza i Tedros fa “fampielezan-kevitra fanambaniana” izany. Saingy vao ny tendron'ny vaingan-dranomandry (iceberg) ny fanambarana. Mbola maro ireo hipoitra atsy ho atsy…

[7]

Pikantsary tamin'ny lahatsoratry ny New York Times momba an'i Tedros Adahanom. Tsindrio ny sary raha hamaky ny tantara ao amin'ny nytimes.com

Nahatonga an'i Adahanom sy ny mpanohana azy hiaro tena ny lahatsoratra mivaivay satria toy ny fahatsapana valifaty ho an'ireo mpanohitra azy izany. Nandà ny fiampangana i Adahanom. Namaly tao amin'ny Twitter ilay mpanao gazety taloha tao amin'ny Reuters, izay namoaka lahatsoratra momba ny valan'aretina kolerà tao Etiopia tamin'ny taona 2009 ary nilaza fa mifanaraka amin'ny zavatra hitany ny fiampangana notantaraina tamin'ny antsipirihany tao amin'ny New York Times.

Tamin'ny taona 2009, tamin'i Tedros mbola minisitry ny fahasalamana, nahazo “vaovao” tamin'ny fihaonan'ny ONG/Firenena Mikambana aho, izay nanekena fa nisy ny valan'aretina kolerà.

Tsy nety naneho hevitra ny ONG, ny Firenena Mikambana sy ny governemanta. Ary nanery ahy mba tsy hamoaka ny tantara ny manampahefana tao amin'ny Firenena Mikambana. Eto ny tantara feno: https://t.co/Ixtu373nUs [16]

Tamin'izany fotoana izany, matetika nitaraina tany antakonana ireo manampahefana ao amin'ny Firenena Mikambana fa nanakana azy ireo tsy hahazo fanampiana bebe kokoa ny tsy fisian'ny fankasitrahana avy amin'ny governemanta.

Namaly ny fiampangana, niampanga ny antokon'i Nabarro ho miditra amin'ny fampielezan-kevitra manevateva ahitana fikasana imperialista i Adahanom. Nandray izany fiampangana izany lavidavitra kokoa ireo vondrona mpanohana ny governemanta, nilaza fa miara-miasa amin'ny mpanohitra Ethiopiana izay nopetahana anarana hoe “mpampihorohoro” i Nabarro.

Miampanga ny mpanolo-tsaina manokana ankehitriny ao amin'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana , Dr David Navarro ho manao fampihorohoroana, ny fampahalalam-baovao tsy tena ofisialy ao Ethiopia.

Nanomboka ny Aprily 2014, nanohitra ny governemanta [21] ilay hetsi-panoherana malaza ao Etiopia, izay namaly tamin-kerisetra. Araka ny filazan'ny Mpanaramaso ny Zon'Olombelona, olona 800 fara fahakeliny no namoy ny ainy [22], ary mpanohitra ara-politika an'arivony sy mpanohitra an-jatony no voampanga ho manao fampihorohoroana [23]. Nanomboka tamin'ny Oktobra 2016, efa nametraka lalàna momba ny sivana henjana indrindra manerantany ny manampahefana taorian'ny fanambarany ny firenena ho latsaka an-katerena [24].

Ankehitriny, miparitaka manerana ny sisintanin'i Etiopia ny tetikady miantso ny mpanohitra ho  “mpampihorohoro” ary mety hiteraka vokatra tsy ampoizina ho an'i Adahanom satria dinihan'ny fampahalalam-baovao iraisampirenena tsara ny momba azy.

Hifidy izay ho tale-jeneraly amin'ny 23 Mey 2017 ireo minisitry ny fahasalamana ao amin'ireo firenena mpikambana ao amin'ny OMS.