- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manasazy Ny VKontakte Sy Ireo Tranonkalan'ny Media Sosialy Rosiana Hafa I Okraina

Sokajy: Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Akon'ny RuNet

Sary natambatr'i Tetyana Lokot.

Nanao sonia ny didy mangataka ny mpanome tolotra aterineto mba hanakana ny tranonkalan'ny media sosialy Rosiana lehibe maro ao amin'ny firenena ny filoha Okrainiana Petro Poroshenko, araka ny didim-panjakana [1] nivoaka tao amin'ny tranonkalan'ny Fitantanan-draharahan'ny Filoham-pirenena.

Tamin'ny 28 Aprily 2017 no nivoaka ny didim-panjakana mikasika ny Filaminam-pirenena sy ny Filan-kevitry ny Fiarovana (NSDC) amin'ny ” Fampiasana ny Toe-karena Manokana sy ny Fepetra Famerana Hafa (Fanasaziana),” ary mikendry ny olon-tsotra sy ireo orinasa Rosiana maro, ​​anisan'izany ny orinasan'ny fifamoivoizana an'habakabaka lehibe indrindra ao amin'ny firenena, Aeroflot.

Anisan'ireo tranonkala izay hosakanana ny tranonkalan'ny media sosialy VKontakte, Odnoklasniki, izay loharanom-baovao fehezin'ny orinasa Mail.Ru avokoa, sy ny milina fikarohana malaza Yandex ary ny sampan-draharaha miaraka aminy . Tranonkalan'ny media sosialy mitovy amin'ny Facebook ny VKontakte izay manana mpisera Okrainiana miisa 27 tapitrisa tamin'ny taona 2014; manana mpisera miisa 11 tapitrisa ao Okraina tamin'ny taona 2014 ny Odnoklasniki, tranonkala iray izay mampifandray ireo mpiara-mianatra teo aloha ary malaza eo amin'ireo zokiolona, .

Ao anatin'ireo olona voasazy ny manampahefana Rosiana, anisan'izany ireo avy ao amin'ny antoko mpitondra Rosia Mitambatra, ary koa ny solontenan'ny Repoblika Entim-bahoaka separatista Luhansk sy Donetsk any amin'ny faritra atsinanan'i Okraina.

Ny totalin'ny mpitsidika ny tranonkalan'ny tambajotra sosialy ao Okraina (2014): VKontakte 27 tapitrisa, Odnoklassniki 11 tapitrisa, Facebook 3.2 tapitrisa, Twitter 430.000. Sary natolotry ny Yandex.

Nanatevin-daharana ny lisitry ny orinasa Rosiana mihoatra ny 450 sy olon-tsotra miisa 1.200 ireto fikambanana voasazy vao haingana ireto izay efa lasibatry ny governemanta Okrainiana hatramin'ny nanjanahan'ny governemanta Rosiana an'i Crimea ary nanombohany nanohana ny separatista tao amin'ny faritra atsinanan'i Okraina tamin'ny taona 2014.

Tsy nisy tamin'ireo tranonkala nofehezin'ny orinasa izay niampy tao amin'ny lisitry ireo voasazy no nosakanana tamin'ny talata tolakandro.

Nanamafy ny mpitondratenin'ny Fitantanan-draharahan'ny Filoham-pirenena fa efa nanao sonia ny didim-panjakana i Poroshenko, ary nilaza fa manantena ny NSDC mba haneho hevitra tsy ho ela izy.

Nampiana sehatra fampitam-baovao Rosiana maro ihany koa ny lisitry ny voasazy, anisan'izany ny fahitalavitra TV Center, NTV Plus, TNT, Zvezda, ary RBK. Voasazy ihany koa ny orinasa cybersecurity Kaspersky Labs, izay nanaovan'ny sampam-pitsikilovana Amerikana fanadihadiana [2] noho ny fifandraisany tamin'ny governemanta Rosiana .

Nanameloka ny fanapahan-kevitra i Evgeny Revenko, solombavambahoaka iray ao amin'ny “Duma”-mpanjakana ao Rosia , ary nilaza [3]hoe: fahadalana sy tsy misy fandinihana “ny Fanakanana [tranonkala] ao amin'ny Aterineto. Hitan'ny  olona foana ny hidirana amin'izany na ahoana na ahoana.”