- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tontolo Arabo: Tantara An-tSary

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Emirà Arabo Mitambatra, Koety, Syria, Hevitra, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Tsidika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2009)

Miaraka amin'ny fakantsariny, bilaogera roa tao amin'ny faritra no nandeha naka sary ny fahazarana sy ireo zavatra meti nisarika ny sainy ary avy eo naneho hevitra tamin'izy ireny.

Tao Siria, beshr094 [1] nandefa ity saripika ity ary nanoratra hoe:

An ugly wall [2]

Rindrina iray mahatsiravina

الحقيقة هي أني أغار على وطني وأريد له الصورة الأبهى و الأحلى بعكس اولئك …. الذين لايتمتعون بلمحة من التفكير , واتسائل ألا يوجد ضوابط على أصحاب المطابع في سوريا ؟ فمن المعروف عندما تريد طباعة إعلان أو أي شيئ آخر يرسل صاحب المطبعة ” الصبي ” لـ لصق الإعلانات وكأن الشوارع ( مطوبة أسمه ) 🙁 فيجوب الصبي شوارعة المدينة وأينما وجد حائطا ً صافيا ً كالسماء يذهب ويضع الإعلان المحترم لصاحب المطبعة المحترم وللمُعلن القدير .هذا مايحدث فما هو رأيك ؟

Ny marina dia mampanahy ahy ny momba ny fireneko ary tiako ny hahita azy amin'ny endrika tsara, izay somary mifanohitra amin'ny an'ireo tsy manana na dia piti-pahalalàna kely akory aza.
Ny fanontaniako dia izao, misy ve fandrindràna ireo mpanonta ao Siria? Efa fantatra fa raha te-hanonta dokambarotra ianao na zavatra hafa, dia handefa ny olony ilay mpanao printy hametaka afisy lehibe eny amin'ny rindrina, toy ny hoe azy ery izy ireny. Hitety tanàna iny mpiasa iny, ary hametaka ireny afisy lehibe ireny eny amin'izay toerana malalaka hitany. Io no mitranga, ka ahoana no eritreritrao?

Frankom, [3] Koetiana, dia nahita ity Lexus miloko ankoso-bolamena ity, izay nisarika ny sainy ary niteny hoe:

 The Golden Lexus [4]

Ilay Lexus volamena

أقرأ عن تلك السيارت التي يتم تعديلها وصبغها بالوان وحركات غريبة !! ولكنني لم اتخيل أنني شأشاهد أي من تلك السيارات أمامي .. هذه صورة التقطها مساء أمس أثناء خروجنا من مجمع الافنيوز .. سيارة ليكزس أل أس 460 تحمل لوحات أبو ظبي – الامارات وهي مصبوغة بالكامل باللون الذهبي
Efa namaky momba itony fiara itony aho izay novaina sy nolokoina hafahafa!! Saingy tsy noeritreretiko mihitsy ny hahita fiara iray tahaka izany hiantsona eo anoloako. Ity ny sary nopihako halina rehefa hiainga aho tao amin'ny “The Avenues Mall”.  Lexus 460 io, mitondra laharana avy any Abu Dhabi, ary voaloko manontolo toy ny lokom-bolamena.