- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogy Ho An'ny Hetsika Vonjitaitra

Sokajy: Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Tontolo_iainana, Voina, Vonjy Voina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2004)

Taorian'ny loza mahatsiravina nateraky ny onja mahery vaika (tsunami) tao Asia Atsinanana, nalaky be ireo bilaogera tao India nametraka ny bilaogy Ny Horohorontany sy Tsunami ao Azia Atsimo-Atsinanana [1] ho an'ireo vaovao sy torohay momba ny hoenti-manana, fanampiana, tolotànana ary ezaka firotsahana an-tsitrapo. Ezaka iray sarobidy io bilaogy io, ary manipika ny filàna tranonkala iray matanjaka sy maharitra ho fandrindràna mitohy ireo bilaogera sy ireo loharano hafa ety anaty aterineto ho fiatrehana ny loza voajanahary mety hitranga amin'ny hoavy. Nick Lewis avy amin'ny Progressive Blog Alliance [2] dia miasa aminà tranonkala toy ny “Bilaogy Ho An'ny Hetsika Vonjitaitra”. Nametraka lisitra mailaka izahay (eab at activist-tech.org) ho an'ny ezaka iombonana mba hamaritana ireo zavatra tsy maintsy atao sy ho an'ny fanasokajiana siantifika, ary namorona ny tranonkala tamin'ny fampiasàna zavatra toy ny ny CivicSpace [3]. Mba hisoratana anarana, dia mandefa imailaka tsy misy votoaty amin'ny eab-subscribe at activist-tech.org. Antenaina fa ity no ho fiarahana miasa iraisampirenen'ireo bilaogera sy mpikirakira teknolojia, noho izany dia tetikasa tsara ho an'ireo izay manohana ny fandraisana andraikitry ny Global Voices .