Meksika: Zarain'ny Mpifidy Ao Amin'ny Twitter ireo Vato Tsy Manankery

(Fanamarihana: lahtsoratra nivoaka tamin'i Jolay 2009)

Naneho ny tsy hafaliany amin'ny rafitra politika ao amin'ny fireneny ireo mpampiasa Twitter ao  Meksika, tamin'ny nandraisany anjara tamin'ilay Fanentanana Vato Tsy Manankery tamin'ireo fifidianana tamin'ny 5 Jolay 2009. Taorian'ny latsabato nataon'izy ireo, nentiny ny findainy sy ny fakantsarin'izy ireo ho any amin'ireo toerana fifidianana ary naka sary ireo vato tsy manankery.  Tsy nijereny izay maha-tsiambaratelo ny fifidianana, fa nozarain'ny sasany tamin'ireo olompirenena Meksikàna tao amin'ny tranonkala ireo vatom-pifidianany maneho fanoherana.

Na dia heloka bevava manoloana ny lalàna federaly aza ny fakàna sary ny vatom-pifidianana mba hisorohana ny hosoko araka ny nampitandreman'ny gazety Meksikana Milenio [es], nozaraina ho an'ny daholobe ireo vatom-pifidianana nisy “fahaizamamorona”, tamin'ny fampiasàna ny tenifototra #votomx sy #anulArte (kilalaon-teny avy amin'ny “null” sy  ny “art”). Kanefa, tao anaty Twitcaps – iray amin'ireo tolotra manampy ny Twitter hamoahny ny sary, amin'ny alàlan'ny fampiasana ny endrika bitika misy rohy- no toerana tena nahafahana nankafy ireo fanambatambàrana ireo sarinà vatom-pifidianana, sary amantarana ny Failwhale an'ny Twitter, vato fanohanana ilay fampielezankevitra mahatsikaikin'i Dr Mono araka ny ampahafantaran'ny bilaogy Bunsen [es] azy, betsaka sarinà filahiana maharikoriko sy teny vetaveta, ary hatramin'ny rangodrangotra natao pensily avy a,in'ny asan'i Shakespeare.

Priscilliana mampiasa ilay sary amantarana ny Failwhale an'ny Twitter [es] ao anatin'ny vatom-pifidianany, mahatonga hihevitra ilay lazain'ny sasany hoe  “tsy fahombiazana goavan'ny rafitra”:

Image taken from http://twitpic.com/9el5l

Sary nosintonina tao amin'ny http://twitpic.com/9el5l

Hernandezz nifidy ho an'i Dr. Mono [es], olon'ny tantara an-tsary avy amin'ilay tantara mahatsikaiky ety anaty aterineto [es] maka tàhaka ireo Meksikàna mpifaninana politika :

Image taken from http://twitpic.com/9f5ww

Sary nalaina tao amin'ny http://twitpic.com/9f5ww

 “Todos con Dr. Mono!!1 (O una prueba de que tengo pésimo pulso)”

“Ny rehetra miaraka amin'i Dr. Mono!!1 (Na porofo fa mihetsika ny tànako)”

Hgsantarriga mandefa hafatra tsy miolankolaka ao anaty vatom-pifidianany, miaraka aminà sary mitovy amin'ny Zapatista mpihoko :

Image taken from http://twitpic.com/9ekc7

Sary nalaina tao amin'ny http://twitpic.com/9ekc7

Aquí comienza la revolución.

Manomboka eto ny revolisiona.

Nivoaka tany amin'ireo gazety nasionaly maro ireny vato tsy manankery ireny, toy ny  Milenio [es], El Universal [es] y Reforma, tahàka ity manaraka ity izay nasehon'i Jordi avy aminà taratasim-pifidianana izay nalefan'olona taminy [es], izay tsy fantatra ny anaran'ny mpandefa fa mora takatra kosa ny hafatra ampitainy:

Image taken from http://twitpic.com/9ex9j

Image taken from http://twitpic.com/9ex9j

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.