Anna Guèye : Lasa aloha loatra.
Tamin'alahelo lehibe no nandrenesako ny fahafatesan'i Anna Gueye, mpanoratra sy mpandika teny ato amin'ny Global Voices amin'ny teny Frantsay, sy feo mahery ao amin'ny fiarahamonina Afrikanina mpiteny frantsay ao amin'ny aterineto. Tamin'ireo asa maro vitany, nandray anjara tamin'ny fananganana ny Africtivistes, tambajotran'ireo mpikatroka Afrikanina ho an'ny demokrasia izy. Efa namariparitra zavatra maro tsara kokoa tsy haiko ambara ireo namana maro akaiky azy sy ny olona ao amin'ny fianakaviany, nilaza izy ireo fa nisolo-tena ny Aterineto Afrikana i Anna. Nanomboka niara-niasa tao amin'ny Global Voices izaho sy Anna raha vao nitsangana volana vitsivitsy monja ny Global Voices amin'ny teny Frantsay.
Teratany tao Dakar, Senegaly i Anna, saingy manana ny kolontsain'ny taranaka fahatelo. Tahaka izao ny fomba nilazany ny fiainana mitety firenena sy mahita zava-baovao:
Je vis aujourd'hui aux Pays-Bas (La Haye est ma 12e ville de résidence et les Pays-Bas mon 8e pays). J'ai passé mon adolescence en Éthiopie et ma fille est née aux USA. Son père est français avec des origines italo-siciliennes. Moi-même je suis née en Bretagne d'un père sénégalais et d'une mer à moitié guinéenne. Ma mère est née en Guinée et mon père vient de Guinée-Bissau.
Monina ao Holandy aho ankehitriny (La Haye no tanàna faha-12 nonenako ary Holandy no firenena faha-8). Nandany ny fahatanorako tao Etiopia aho ary teraka tao Etazonia ny zanako vavy. Frantsay ny rainy, manana fiaviana Italiana-silisiana. Teraka tao Grande-Bretagne aho, ary Senegaly ny raiko ary Gineana ny reniko. Teraka tao Ginéa ny reniko ary avy ao Guinée-Bissau ny raiko.
Tsy mitsaha-mitombo ny fanomezam-boninahitra azy ao amin'ny aterineto noho ny asa maro vitany, famantarana ny fisian'ny marika navelany ho an'ireo mpanara-baovao amin'ny aterineto. Nilaza izy fa ny Twitter no sehatra tena tiany amin'ny fikatrohana. Mifanaraka tsara amin'ny toetrany mavitrika sady manan-tsaina ny hafohin'ity sehatra ity. Nahafehy ny “twitterstorms (firongatry ny sioka) alohan'ny naha lasa lamaody ny twitterstorm izy. Saingy heno amin'ny fomba tsy dia fahita firy saingy mahery vaika amin'ny alalan'ny lahatsorany lava ny feony. Tahaka ny fanapotehany ny famaritana miverimberina kanefa diso momba ny ady Afrikana izay lazaina fa avy amin'ny “fifanenjanana ara-poko” rehetra:
Dans la plupart des cas, les Africains n'avaient que très peu allégeance à ce qui peut désormais être considéré comme une « tribu » selon des critères objectifs de la génétique, de l'homogénéité linguistique ou culturelle dans une région géographique donnée. Les groupes ethniques sont en grande partie un héritage colonial, qui ont émergé comme des instruments pour contrôler les personnes et se partager leurs ressources.
Les colons européens ont encouragé l'assimilation des Africains en groupes, par la création d'unités administratives qui ont ensuite été étiquetés en termes ethniques, comme cela s'est produit en Ouganda avec la classification obligatoire des populations locales en fonction de leur «tribu », comme cela s'est produit aussi au Rwanda. En Zambie, un catalogue étonnant de stéréotypes avait été fait : les Ngoni étaient « forts et belliqueux », le Lamba quant à lui était « paresseux et indolent », et ainsi de suite pour les 70 et quelques « tribus ».
Les administrateurs coloniaux qui ne pouvaient être physiquement partout, avaient également besoin « d’hommes importants », les soit disant chefs traditionnels. Ces chefs étaient responsables de l'exécution de la politique coloniale dans leur région. Lorsque les communautés ethniques existantes étaient fragmentées (ce qui était le cas pratiquement partout), elles ont été fusionnées ou affectées à d'autres groupes, et un chef unique a été choisi pour toutes les représenter. Par exemple les Yoruba au Nigeria (sont composés d’au moins 12 sous-groupes importants), les Akan au Ghana ou les Xhosa en Afrique du Sud ont été artificiellement regroupés en « tribu » parce qu’ils ont des caractéristiques linguistiques et culturelles similaires.
Amin'ny ankamaroan'ny toe-javatra, tsy dia manaiky loatra ny Afrikana amin'izay heverina ankehitriny fa toy ny “foko” araka ny fepetra mitanila amin'ny fototarazo, ny fitoviana ara-teny sy ara-kolontsaina ao amin'ny faritra jeografia iray. Lova tamin'ny fanjanahan-tany ny vondrona ara-poko amin'ny ankapobeny, izay nipoitra ho fitaovana hifehezana ny olona sy hifampizarana ny loharanon-karenan'izy ireo.
Nampirisika ny fampidirana ny Afrikana isam-bondrona ireo voanjo Eoropeanina mpanjana-tany, tamin'ny alalan'ny fananganana vondro-pitantanana izay avy eo nasiana marika tamin'ny teny ara-poko, toy ny nitranga tany Ogandà tamin'ny fanasokajiana an-katerena ny olona ao an-toerana arakaraky ny “fokon'izy ireo”, sy tahaka ny nitranga tany Rwanda ihany koa. Ao Zambia, nisy ny katalaogy mahagaga amin'ny fitsaratsaram-poana: ny Ngoni dia “matanjaka sy tia ady”, ny Lamba kosa dia “kamo sy tsy rototra” ary tahaka izany ireo foko 70 mahery kely.
Ireo mpitantana tamin'ny fanjanahantany izay tsy afaka ho hita eny rehetra eny dia nila “lehilahy manan-danja” ihany koa, ilay antsoina hoe mpitarika nentim-paharazana. Ireo mpitarika ireo no tompon'andraikitra amin'ny fanatanterahana ny politika fanjanahan-tany ao amin'ny faritra misy azy ireo. Rehefa voazarazara ny fiarahamonina ara-poko misy (izay nitranga saika na aiza na aiza), natambatra na nalefa tany amin'ny vondrona hafa izy ireo, nosafidiana ny mpitarika tokana mba hisolo tena ny rehetra. Ohatra, ny Yoruba any Nizeria (dia ahitana zana-bondrona lehibe miisa 12, fara fahakeliny), ny Akan any Ghana, na ny Xhosa ao Afrika Atsimo dia navondrona ho “foko” satria mitovy ny toetry ny fiteny sy ny kolontsain'izy ireo
Ny ankamaroantsika dia mahatsiaro ny tolony tsy manam-pitsaharana tsy ho an'ny rariny sy ny fitoviana, ary indrindra indrindra ny toeran'i Afrika ao amin'ny Word Wide Web. Sasany amin'ireo fanomezam-boninahitra tao amin'ny aterineto:
I still recall the early days of African blogging of which you were a trailblazer; so full of enthusiasm & hope for the continent! #RIPAnnahttps://t.co/pD0aRPBJJj
— Dibussi Tande (@dibussi) May 18, 2017
Mahatsiaro foana ireo fotoana voalohany tamin'ny bilaogy Afrikana aho, izay anisan'ny lohan-daharana ianao, feno fientanam-po sy fanantenana ho an'ny kaontinanta.
Mes pensées à la famille de @annagueye et aux @AFRICTIVISTES. Une grande perte pour la communauté des blogueurs. #264220Merci #RipAnna pic.twitter.com/G88SifBITK
— Ibrahima BADIANE (@IbrahimaBadiane) May 18, 2017
Miara ory amin'ny fianakavian'i @annagueye sy ny @AFRICTIVISTES. Fahaverezana lehibe ho an'ny fiarahamonin'ny bilaogera.
Une ENGAGÉE s'est éteinte , @annagueye , pour moi ton nom rime avec LIBERTÉ. tu vas nous manquer. repos éternel#RipAnna
— Ibrahim (@Brahimi_T) May 18, 2017
Namoy ny ainy ilay FENO FAHAVONONANA, @annagueye, ho ahy, miaraka amin'ny FAHALALAHANA ny anaranao. Ho banga anao izahay. Mandria am-piadanana#RipAnna
Amin'ny maha mpandika lahatsoratra ahy ao amin'ny faritra mpiteny Frantsay nanomboka tamin'ny taona 2009, ny asa sy ny fahaiza-manao an'i Anna dia zava-dehibe mba hanazavana ho an'ireo mpamaky ny Global Voices mikasika ireo ady marobe nitranga folo taona lasa tao Afrika Andrefana. Ny ady an-trano tao Côte d'Ivoire sy ny ady ankehitriny ao Mali sy ny voka-dratsy maharitra ateraky ny tolona ara-pivavahana ao Repoblika Centrafricaine, marina hatrany i Anna ary tsy nanaiky ireo fanazavana kamo sy tsotra momba ireo toe-javatra sarotra. Amin'izany lafiny izany, nitàna ny soatoavina ao am-pon'ny Global Voices izy. Tsy azo nohozongozonina tamin'ny faharesen-dahatrany sy ny fanehoan-keviny izy. Matetika izahay tsy mifanaraka rehefa manitsy ny lahatsoratra nosoratany ato amin'ny Global Voices, saingy nanatsara ahy kokoa ny fahatsoram-pony matetika amin'ny fifanakalozan-kevitra. Ka misy ireo lesona telo tadidiko avy amin'i Anna mba hampiononako tena manoloana ny fahafatesany tampoka :
- Ny fahamarinana dia teraka tamin'ny adihevitra marina sy madio, indrindra raha mikasika ny fanontaniana sarotra.
- Tena ilaina soratana sy tapahan'ny zanany hevitra ny tantara ankehitriny ao Afrika.
- Sarotra, isan-karazany sy marobe ny tantara Afrikana. Tsy tokony ho tsorina velively izany tantara izany mba ho hitan'ny mpanara-baovao any ivelany.
Hotsaroako hatrany ny fomba fijeriny miziriziry, ny hafanana noentiny tao amin'ny fiarahamonintsika sy ny fomba nandrisihany antsika, izaho sy ny tsirairay amintsika, mba ho lasa maranitra amin'ireo lohahevitra marobe avy amin'ny kaontinanta Afrikana.
Mandria am-pahefana, Anna.
Namela kamboty, tovovavy antsoina hoe Emma i Anna.