- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Israely: Noho ny Fitiavana Sakafo

Sokajy: Amerika Avaratra, Ejipta, Etazonia, Israely, Fifindràmonina, Fivavahana, Foko sy Fiaviana, Hehy, Mediam-bahoaka, Sakafo, Tantara

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Septambra 2009)

Rehefa manakaiky ny fety Jiosy, toa ny sakafo no be ao an-tsain'ny rehetra. Rakotra resaka tsakitsaky mirenty ny tontolon'ny bilaogy jiosy, ary misaintsaina momba ny fidiran'ny sakafo sy ny haify ary ny maha-izy azy amin'ny resaka kolontsaina, ary hatramin'ny tantara sy kolontsain'ireo fahafinaretantsika amin'ny sakafo tiantsika manokana.

Ao amin'ny bilaoginy What War Zone??? (Faritra Ady, Aiza ???) am-pitiavana no amaritan'i [1] Benji Lovitt  [amin'ny teny anglisy, toy ireo rohy rehetra tanisaina ato] ny hainahandro israeliana sy ny fifohazana mahery vaiky ny fanjifàna sakafo amerikana nandritra ny fitsidihany vao haingana an’ i Etazonia, ilay firenena nahaterahany.

Tiako ny sakafo israeliana, ANKAFIZIKO. Ara-pahasalamana, matsiro, ary efa nasiako famamarihana ve ny momba ny  legioma? Ireo bolabolanà “fallafel”, betsaka dia betsaka izay zavatra tsara nohaniko nandritra ireo herinandro vitivitsy nivahiniako tao Amerika izay, ary tena alahelo foana no amaranana ny sakafo tsirairay (« Fa inona ity nataoko ») ary miaraka amin'ny vava maisatra Whooooooooooaaaaaaaa (ny tànana ery amin'ny kibo) …. . Tena tsy hihinana betsaka tahaka ireny intsony aho.

Ashley ao amin'ny bilaogy Googled Israel (Nokarohako tamin'ny Google i Israely) dia manohy io lohaevitra io anaty lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe : “Fallafel: ny tantarany, ny angano … ny voanjobory.” [2] .

Fallafel, hoy izy :

Tsy dia mahataitra loatra, na endrika na anarana, fa raha i Israely no maka nahandro iray ho sakafom-pirenena, dia io izay, ilay fallafel omen-kasina . Ny Fish & Chips ho an'ny Mediterane, ny tapas ho an'ny ao Afovoany-Atsinanana.

[Sary an'ny : I Googled Israel]

Sady manome torohevitra momba izay toerana ahitàna azy, sy ny fomba fihinana azy, omen'i Ashley topimaso isika momba ireo fifindramonina samihafa ao Israely.

Manazava izy :

Na dia mamàka lalina ao Israel aza, dia avy any Ejipta ny fallafels, ary tany ampiandohana dia namboarina avy amin'ny voanà “féverole”. Ireo kristiana Kopta ao Ejipta, izay tsy manana zo hihinana hena nandritry ny fotoana sasantsasany no namorona azy.

Ankehitriny ny fallafels, izay lasa tsakitsaky, dia hita saika anatin'ireo hainahandro rehetra mihitsy.

Nony farany ny Falafel dia niala amin'ny maha-sakafo an-dalambe azy ka nahazo ny sata maha-“mariky ny firenena” azy.

Fa angamba isika lasa alohan'ny fotoana. Mangataka antsika i Aliza Hausman avy amin'ny Jewminicana mba hisaintsaina momba izay nomentsika anarana sy momba ny fahafantarana hoe avy aiza sy inona avy ireny sakafo izay lazaintsika fa “sakafo Jiosy” ireny.

Mitantara [3] izy:

Farany, nandre zavatra betsaka aho momba ny “sakafo jiosy”. Toa ny olona rehetra no manana ity fomba fiteny ity eny am-bavany. Manelingelina io fomba fiteny io satria rehefa miteny ny olona hoe “sakafo jiosy”, voamariko fa tsy miresaka afa-tsy sakafo ashkénazes (avy any Eoropa atsinanana) ry zareo.

Raha nitatitra resaka iray nifanaovany tamin'ny namany, dia hoy i Aliza Hausman amintsika :

Rehefa niresaka taminà namana jiosy ashkénaze iray aho momba io trangan-javatra io izay mampitovy ireo « sakafo jiosy » amin'ireo « sakafo eoropeana tatsinanana » fotsiny, dia hoy izy namaly ahy : « Heveriko fa fambaranà tranga iray miparitaka be izy io … izay any Eoropa atsinanana, “fomba fijery jiosy” no iheverana ny zavatra rehetra… eny fa na ho an'ny Halakha [4] (lalàna jiosy) aza, ny minhagim [5](fomba),  ny vavaka …. ».
Nampiany hoe : « Na tsy tiako aza ny hiresaka azy toy ny hoe ny zavatra ratsy indrindra eto ambonin'ny tany, manafintohina izany ary mitondra ny olona hisalasala momba ny tantaran'izy ireo manokana sy ny làlana nodiaviny, izay zavatra tsy tsara… hamadika ho tokampangaro lehibe kokoa hatrany ny ao anatin'ny fiarahamonina jiosy».

Raha te-hahafantatra misimisy kokoa momba ireo sakafo isankarazany jiosy ianareo, arakaraky ny niaviany, ny lahatsoratry ny Wikipédia momba ny  « Hainahandro Jiosy »  [6] no mety hahaliana anareo.

Raha mbola tsy ampy nampilendalenda sy nampiraraka ny ivinao, asehon'ny Pensées collectives d'une Ginrod  ho antsika ity sarinà Sakafo maraina tao Tel Aviv ity. [7]

Araka ny fiteninay aty Israely, « Betayavon! », mazotoa homana.