- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Israely: Fisoloana Vava Ny Fampinonoana Imasom-bahoaka

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Sakafo, Tanora

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2009)

Lanjalanjain'ny [1]A Mother in Israel  ny momba ny fampinonoana eny imasom-bahoaka. “Kivalavala ny hevitra hoe tokony horaràna ny fampinonoana eny imasom-bahoaka fa mahatonga ny sasany tsy hahazo aina, toy ny hoe fitazonana ny vehivavy bevohoka tsy hivoaka ny trano satria mety hahalasa saina ny olona ny nahatonga azy ho toy izany.”