Nandalina ny famonoana an'ilay mpanao gazety Pavel Sheremet, izay novonoina tao Kyiv tamin'ny volana Jolay 2016 ny horonantsary fanadihadiana vaovao avy amin'ny Tetikasa Fanaovana Tatitra Mikasika ny Fikambanan-jiolahy sy ny Kolikoly (OCCRP)* miaraka amin'ny Slidstvo.info .
Folo volana taorian'ny nipoahan'ny fiara voasesika baomba izay namoizan'i Sheremet ny ainy, tsy nisy fandrosoana azo tsapain-tanana ny fanadihadiana nataon'ny manampahefanan'ny polisy tamin'ny famahana ny famonon'olona. Namoaka ny antsipiriany vaovao miompana amin'ilay famonoana ny tatitra nataon'ny OCCRP sy Slidstvo.info, ary nametra-panontaniana amin'ny kalitaon'ny famotorana ary nilaza fa nisy ny fandraisana anjaran'ny Sampam-pitsikilovana tamin'izany famonoana izany.
Misy amin'ny teny Anglisy, Rosiana [1] , ary Okraniana [2] ilay horonantsary “Killing Pavel” [3]. Tao anatin'ny telo andro namoahana izany tao amin'ny YouTube, nahasarika mpijery mihoatra ny 145.000 ny lahatsary telo miaraka ka nahatonga tsikera avy amin'ny mpanao gazety maro ao amin'ny faritra.
.@OCCRP [4] @HromadskeUA [5] thank you for this film investigating the murder of journalist Pavel #Sheremet [6] #Belarus [7] https://t.co/vJUXV3CZdI [8]
— Hanna Liubakova (@HannaLiubakova) May 10, 2017 [9]
Misaotra anareo noho ity horonantsary ity izay manadihady ny famonoana ny mpanao gazety Pavel
Niseho voalohany tamin'ny fitateram-baovao iraisam-pirenena [10] ihany koa ilay horonantsary, ary nanambara [11] haingana ireo manampahefana Okrainiana fa hampiasa ny zavatra hitan'ny tatitra ry zareo mba hanampiana ny fanadihadiany. Mandritra izany fotoana izany, nandà [12] ankitsirano ny fifandraisany amin'ny raharaha ny Sampam-pitsikilovana Okrainiana .
Nanomboka ny asany tao Belarosia i Pavel Sheremet [13] ary nitatitra momba ny olan'ny kolikoly . Voatery nifindra toerana tany Rosia izy tamin'ny taona 1997 noho ny fanerena avy amin'ny manampahefana Belarosiana. Dimy ambin'ny folo taona taty aoriana, niverina ny zava-nitranga taminy ka dia voatery nifindramonina tany Okraina indray izy tamin'ity indray mitoraka ity. Tao Kiev izy nitantana fandaharana maraina iray tao amin'ny onjam-peo, ary niasa ho an'ny gazety an-tserasera Ukrainskaya Pravda (Ny Marina Okrainiana ). Nahazo ny Lokan'ny Fahalalahana An-gazety Iraisam-pirenena avy amin'ny Komity Mpiaro ny Mpanao gazety tamin'ny taona 1999 izy sy ny Loka ho an'ny Fanaovan-gazety sy ny Demaokrasia tao amin'ny Fikambanana misahana ny Fiarovana sy ny Fiaraha-miasa ao Eoropa tamin'ny taona 2002.
Tao amin'ny Aterineto, nampitovy ireo mpitsikera malaza tao Kremlin, izay niatrika na maty tamin'ny fanafihana mitovy amin'izany tao Rosia ireo mpisera sasany:
Another killing of #Putin [14] critic in #Ukraine [15] – what about investigation of #Sheremet [6]#Nemtsov [16] murders? @Kasparov63 [17]https://t.co/i0qz5e0JMt [18]
— Michael Andersen (@MAjourno) March 24, 2017 [19]
Famonoana mpitsikera an'i Potinina iray hafa tao Okraina- Ahoana ny fanadihadiana momba ny famonoana an'i Sheremet , Nemtsov ?
#Voronenkov [20] murder similar to #Litvinenko [21] (insider/silovik spilling beans), while #Sheremet [6] more similar to #Politkovskaya [22] (pesky journo). https://t.co/5OcXQ38yEF [23]
— Andrej Novak (@andrejfnovak) March 24, 2017 [24]
Famonoana an'i Voronenkov toy ny an'i Litvinenko, raha ny an'i Sheremet kosa dia mitovy kokoa amin'ny an'i Politkovskaya .
Ankoatra ny vaovao fanampiny momba an'i Sheremet, ohatra miavaka avy amin'ny fanadihadian'ny fanaovan-gazety ihany koa “Ny Famonoana an'i Pavel”, izay mampiseho amin'ny mpijery ny fomba hiatrehan'ny mpanangom-baovao ny loharanom-baovao, ny vavolombelona misy, ny tahirin-kevitry ny fanadihadiana, ary ny manampahefana hentitra dia hentitra.
This 50-minute documentary investigating the assassination of #journalist [25] Pavel #Sheremet [6] is itself a remarkable piece of journalism. https://t.co/NINcYCrEGx [26]
— Bonnie Britt (@editndesign) May 10, 2017 [27]
Ampahany amin'ny asa fanaovan-gazety miavaka ity lahatsary fanadihadiana maharitra 50 minitra miresaka ny famonoana ilay mpanao gazety Pavel Sheremet ity
Tohanan'ny famatsiam-bola avy amin'ny Sampan-draharahan'ny Amerikana ho an'ny Fampandrosoana Iraisampirenena, ny Departemantam-panjakana Amerikana, ny Orina Mpanasoa Open Society (Fiarahamonina Mivelatra), sy fikambanana maro hafa ny * OCCRP. Tsy manaiky fanohanana avy amin'ny fanjakana ny Global Voices, kanefa mahazo famatsiam-bola avy any amin'ny Orina Mpanasoa Open Society (Fiarahamonina Mivelatra).