Lahatsary Fanadihadiana Vaovao Momba ny Famonoana ilay Mpanao Gazety Mpanohitra Tao Kyiv Nanasarotra ny Fanadihadian'ny Polisy

Fanevan'ny dokambarotra ho an'ny horonantsary fanadihadiana  “Ny famonoana an'i Pavel” avy amin'ny OCCRP sy Slidstvo.info, manasongadina ny teny notsongain'i Pavel Sheremet.

Nandalina ny famonoana an'ilay mpanao gazety Pavel Sheremet, izay novonoina tao Kyiv tamin'ny volana Jolay 2016 ny horonantsary fanadihadiana vaovao avy amin'ny Tetikasa Fanaovana Tatitra Mikasika ny Fikambanan-jiolahy sy ny  Kolikoly (OCCRP)* miaraka amin'ny Slidstvo.info .

Folo volana taorian'ny nipoahan'ny fiara voasesika baomba izay namoizan'i Sheremet ny ainy, tsy nisy fandrosoana azo tsapain-tanana ny fanadihadiana nataon'ny manampahefanan'ny polisy tamin'ny famahana ny famonon'olona. Namoaka ny antsipiriany vaovao miompana amin'ilay famonoana ny tatitra nataon'ny OCCRP sy Slidstvo.info, ary nametra-panontaniana amin'ny kalitaon'ny famotorana ary nilaza fa nisy ny fandraisana anjaran'ny Sampam-pitsikilovana tamin'izany famonoana izany.

Misy amin'ny teny Anglisy, Rosiana , ary Okraniana ilay horonantsary “Killing Pavel”. Tao anatin'ny telo andro namoahana izany tao amin'ny YouTube, nahasarika mpijery mihoatra ny 145.000 ny lahatsary telo miaraka ka nahatonga tsikera avy amin'ny mpanao gazety maro ao amin'ny faritra.

Misaotra anareo noho ity horonantsary ity izay manadihady ny famonoana ny mpanao gazety Pavel

Niseho voalohany tamin'ny fitateram-baovao iraisam-pirenena ihany koa ilay horonantsary, ary nanambara haingana ireo manampahefana Okrainiana fa hampiasa ny zavatra hitan'ny tatitra ry zareo mba hanampiana ny fanadihadiany. Mandritra izany fotoana izany, nandà ankitsirano ny fifandraisany amin'ny raharaha ny Sampam-pitsikilovana Okrainiana .

Nanomboka ny asany tao Belarosia i Pavel Sheremet ary nitatitra momba ny olan'ny kolikoly . Voatery nifindra toerana tany Rosia izy tamin'ny taona 1997 noho ny fanerena avy amin'ny manampahefana Belarosiana. Dimy ambin'ny folo taona taty aoriana, niverina ny zava-nitranga taminy ka dia voatery nifindramonina tany Okraina indray izy tamin'ity indray mitoraka ity. Tao Kiev izy nitantana fandaharana maraina iray tao amin'ny onjam-peo, ary niasa ho an'ny gazety an-tserasera Ukrainskaya Pravda (Ny Marina Okrainiana ). Nahazo ny Lokan'ny Fahalalahana An-gazety Iraisam-pirenena avy amin'ny Komity Mpiaro ny Mpanao gazety tamin'ny taona 1999 izy sy ny Loka ho an'ny Fanaovan-gazety sy ny Demaokrasia tao amin'ny Fikambanana misahana ny Fiarovana sy ny Fiaraha-miasa ao Eoropa tamin'ny taona 2002.

Tao amin'ny Aterineto, nampitovy ireo mpitsikera malaza tao Kremlin, izay niatrika na maty tamin'ny  fanafihana mitovy amin'izany tao Rosia ireo mpisera sasany:

Famonoana mpitsikera an'i Potinina iray hafa tao Okraina- Ahoana ny fanadihadiana momba ny famonoana an'i Sheremet , Nemtsov ?

Famonoana an'i Voronenkov toy ny an'i Litvinenko, raha ny an'i Sheremet kosa dia mitovy kokoa amin'ny an'i Politkovskaya .

Ankoatra ny vaovao fanampiny momba an'i Sheremet,  ohatra miavaka avy amin'ny fanadihadian'ny fanaovan-gazety ihany koa “Ny Famonoana an'i Pavel”, izay mampiseho amin'ny mpijery ny fomba hiatrehan'ny mpanangom-baovao ny loharanom-baovao, ny vavolombelona misy, ​​ny tahirin-kevitry ny fanadihadiana, ary ny manampahefana hentitra dia hentitra.

 Ampahany amin'ny asa fanaovan-gazety miavaka ity lahatsary fanadihadiana maharitra 50 minitra miresaka ny famonoana ilay mpanao gazety Pavel Sheremet ity

Tohanan'ny famatsiam-bola avy amin'ny Sampan-draharahan'ny Amerikana ho an'ny Fampandrosoana Iraisampirenena, ny Departemantam-panjakana Amerikana, ny Orina Mpanasoa Open Society (Fiarahamonina Mivelatra), sy fikambanana maro hafa ny * OCCRP.  Tsy manaiky fanohanana avy amin'ny fanjakana ny Global Voices, kanefa mahazo famatsiam-bola avy any amin'ny Orina Mpanasoa Open Society (Fiarahamonina Mivelatra).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.