- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mandrahona Ny Hitory An'I Facebook Any Amin'ny Fitsarana I Thailandy Noho ireo Lahatsoratra Mamely ny Fitondram-Panjaka

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, GV Mpisolovava

Miaramila mpiambina nijoro teo ivelan'ny Foiben'ny Zavakanto sy ny Kolontsaina tao Bangkok taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila tamin'ny volana Mey 2014. Sary avy amin'i Hon Keong Soo, Copyright @Demotix (5/24/2014)

Nanala lahatsoratra miisa 178  izay heverina fa manivaiva ny fitondram-panjaka Thailandey hatramin'ny taona 2017 i Facebook, izay tafiditra ao anatin'ny ezaka mba hanarahana ny lalàna hentitra ao Thailandy momba ny “faniratsirana ny mpanjaka”.

Kanefa nilaza ny governemanta tohanan'ny miaramila, fa misy lahatsoratra fanampiny miisa 131 izay mbola mila esorina. Nanome fe-potoana ho an'ny orinasa hatramin'ny 16 May izy ireo mba hanalana ireo lahatsoratra miisa 131 manohitra ny fanjakan'olon-tokana ireo. Nilaza hitory ny orinasa any California any amin'ny fitsarana ny manampahefana Thailandey [1] raha toa ka tsy manao izany izy ireo .

Nametraka ny iray amin'ireo lalàna miady amin'ny Lese Majeste (Faniratsirana ny Mpanjaka) mafy indrindra eto amin'izao tontolo izao i Thailandy. Nilaza ny governemanta fa tena ilaina ny lalàna mba hiarovana ny firaisan-tsaina ao amin'ny firenena, kanefa mihevitra ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpahay lalàna fa tokony asiana fanitsiana ny lalàna satria midadasika loatra ary matetika no manararaotra izany ny manampahefana.

[2]

Ny Foibe Cyber Tafika ao amin'ny Governemanta izay nikaroka tamin'ny fomba mahery vaika ny lahatsoratra tao amin'ny Aterineto izay maniratsira ny Mpanjaka .

Araka ny Federasiona Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'olombelona, olona miisa 105 no efa nosamborina [3] noho ny voalaza fa fandikan-dalànan'ny Lese Majeste hatramin'ny nandraisan'ny miaramila ny fahefana tamin'ny taona 2014. Olona enina monja no nentina teo anatrehan'ny fitsarana noho ny faniratsirana ny Mpanjaka talohan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014, izay nandraisan'ny miaramila ny fahefana sy nametrahany ny fitondrana miaramila .

Maro tamin'ireo olona voasambotra no mpikatroka izay nitsikera ny miaramila, ka nahatonga ny mpiaro ny zon'olombelona hiampanga ny governemanta tamin'ny fampiasana ny lalànan'ny Lese Majeste mba hampanginana ny mpanohitra.

Firenena mbola ao anatin'ny tetezamita i Thailandy. Manana mpanjaka vaovao, lalàm-panorenana novolavolaina roa taona lasa latsaky ny roa taona, ary miaramila izay efa nampanantena ny hamerina ny fitondrana sivily rehefa tafapetraka ny fifidianana sy ny fanavaozana ara-politika. Ao anatin'izao tetezamita izao, masiaka ny governemanta amin'ny fifehezana [4] ny asan'ny fampitam-baovao sy ny fisamborana ireo izay manao fanentanana ho amin'ny fanavaozana demaokratika. Eny fa na dia ho an'ireo izay manao ‘zarao’ sy ‘ekeko’ ao amin'ny lahatsoratra  Facebook fotsiny aza ka hita fa tsy nanaja ny mpanjaka dia voampanga ho manao heloka bevava [5] eo anatrehan'ny fitsarana.

Tamin'ny volana lasa teo, nandrisika ny mpisera aterineto  ny governemanta mba tsy hanaraka [6] [mg] ny pejin'ny media sosialy mpanao tsikera miisa telo any ampitan-dranomasina. Ilay akademika any an-tsesitany Somsak Jeamteerasakul ny iray amin'ireo mpitsikera telo ireo. Tamin'ny 4 Mey 2017, nahazo hafatra [7] avy amin'ny Facebook momba ny fanesorana ny iray amin'ireo lahatsary izay nalefany tao amin'ny pejy izy:

We’re contacting you because the Ministry of Digital Economy & Society has sent us a Court Order issued by the Judge Tassanee Leelaporn and Judge Somyod Korpaisarn of the Criminal Court of Thailand stating that the following post you made on Facebook violates Section 14(3) of the Computer Crimes Act B.E. 2550 (2010).

Mampilaza anao izahay satria naniraka anay ny Ministeran'ny Toekarena  sy ny Fiarahamonina Nomerika mba hilaza ny Baikon'ny Fitsarana izay navoakan'ny mpitsara Tassanee Leelaporn sy ny Mpitsara Somyod Korpaisarn ao amin'ny Fitsarana Heloka Bevava ao Thailandy  izay milaza fa ny lahatsoratra manaraka izay nataonao tao amin'ny Facebook dia mandika ny Fizarana faha 14 (3) ao amin'ny lalànan'ny Heloka Bevavan'ny solosaina B.E 2550 (2010).

Nilaza i Somsak fa mikasika ny fomba fiainan'ny mpanjaka vaovao ao amin'ny firenena ny lahatsary . Ny lahatsoratr'i Somsak  izay nahazoany fampahafantarana avy amin'ny Facebook dia manamafy ireo tati-baovao fa nanaraka ny didy navoakan'ny fitsarana Thailandey ny orinasan'ny tambajotra sosialy.

Tamin'ny taona 2016, nitatitra [8] i Facebook fa nanala lahatsoratra miisa 50 izay nangatahan'ny governemanta Thailandey izy. Tamin'ity taona ity, efa nanakana lahatsoratra miisa 178 i Facebook  , kanefa manizingizina ny governemanta Thailandey fa tsy mbola ampy izany.

Ankoatra ireo lahatsoratra Facebook miisa 131 sisa tavela manohitra ny fanjakan'ny mpanjaka , nahita [9]loha-hevitra an-tserasera miisa 820 izay voalaza fa maniratsira ny fianakavian'ny mpanjaka ny Foibe Cyber-Tafika. Ahitana lahatsoratra miisa 365 nalefa [2] tao amin'ny Facebook, 450 tao amin'ny YouTube, ary dimy tao amin'ny Twitter ao anatin'izany lahatsoratra miisa 820 izany .

Moa ve i Facebook sy ireo orinasan'ny media sosialy hanaiky ny fangatahan'ny governemanta Thailandey amin'ny fanalana ireo  lahatsoratra ‘tsy ara-dalàna’ ireo?

Tena zava-dehibe koka, mety hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny hetsika mitaky ny fiarovana ny fahafahan'ny olom-pirenena sy ny famerenana amin'ny laoniny ny demaokrasia ao amin'ny firenena ny famoretana an-tserasera [10] satria tsy mitsaha-mitombo [11] hatrany ny fisamborana mifandraika amin'ny Lese Majeste.