- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanaovana Heloka Ao Amin'ny Aterineto: Nesorina Ny Fitoriana Ilay Mpanorina ny Andianà Mpively Ampongatapaka Ao Jamaika

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tanora, Vaovao Mafana, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
[1]

Ampahany mitsivalana amin'ireo olona marobe tao amin'ilay Diabe Fankaherezana ireo Andianà Mpively Ampongatapaka Sisa Velona Manohitra ny Herisetra Ara-Nofo. Sary an'i Storm Saulter, fampiasàna nahazoana alàlana.

Noho ny lalàna vaovao tao Jamaika momba ny heloka bevava atao ao amin'ny aterineto, nosamborina ny [2] Martsa 2017 teo ilay mpikatroka, La Toya Nugent, noho ny nanononany imasom-bahoaka ny anaran'ireo mpanao herisetra ara-nofo tamin'ny alàlan'ny haino aman-jery sosialy. Ny 17 May 2017,  nesorin'ny [3] Talen'ny Fampanoavana ao amin'ny firenena (DPP) ireo vesatra rehetra nanenjehana azy, nahatonga an'i Nugent ho vehivavy afaka, milaza fa mpanorina ilay Andianà Mpively Ampongatapaka [4] miteraka resabe, hetsika iray vaovao [5] tarihan'ireo vehivavy sy sisam-paty taminà herisetra ara-nofo mizara ny zavatra nampijaly niainany, na ety anaty aterineto izany, na imasom-bahoaka.

Azo lazaina ho avy hatrany dia nivoaka tao amin'ny haino aman-jery sosialy ny vaovao. Tao amin'ny Facebook, nanambara i  [6] Annie Paul :

Vaovao farany!! notsoahan'ny DPP ireo vesatra 3 nanenjehana an'i Latoya Nugent tamin'ilay lalàna momba ny heloka bevava atao ao amin'ny aterineto!! #Tambourine [7]!!

Tsy taraiky tamin'izany ihany koa ny Twitter :

Notsoahana ireo vesatra nanenjehana ny mpiara-manorina ny Andiana mpively Ampongatapaka

Naneho hevitra i Rachel Mordecai mpampiasa Twitter:

Araka izay tokony ho izy! Nefa mety tsy ho izay koa. Vaovao tsara!

Notazonin'i Nugent hatrany ny maha-tsy manantsiny azy manoloana ìreo fiampangàna azy, izay nofintinina tamin'ny hoe “fampiasàna solosaina hanaovana fifandraisana ratsy manohintohina”. Hatrany am-piandohany, marobe ireo manampahaizana manokana momba ny lalàna no efa nahatsapa fa tsy ho lasa lavitra [2] ireo fiampangàna noho ny lalàna manome toerana sahaza ho an'ny fandikàna ny atao hoe fifandraisana tsy araka ny lalàna sy “ratsy manohintohina”.

Raha entina mivoaka ety ivelan'ny aterineto ny fomba fijerin'ny Andianà Mpively Ampongatapaka amin'ny fanononana ny anaran'ireo mpanatontosa herisetra ara-nofo amin'ny alàlan'ilay tenifototra #SayTheirNames [13] (#LazaoNyAnaranIreo) dia mety ho azo sokajiana ho fanalàna baràka. Saingy tamin'ny 2013, nohavaozin'i Jamaika ny fomba fitondra ny hoe fanalàna baràka ka lasa raharaha heloka tsotra, fa tsy heloka bevava intsony. Araka izany, ny zavadehibe indrindra, raha misy olona iray voampanga ho nanao fanalàna baràka ao Jamaika, dia azo ato ny mampandoa onitra azy, saingy tsy omena sazy fampidirana am-ponja.

Araka izay zaraina ao amin'ny Twitter, nohazavain'ny DPP ao amin'ny firenena ny antony tsy nanohizany ilay raharaha :

FANAVAOZANA: Natsahatry ny DPP, Llewelyn ny fanenjehana ilay Mpikatroka Ltoya Nugent o/c Stella tamin'ireo vesatra 3. Fanenjehana tsy mitombina hoe ny DPP