Nandositra Ny Tranony Karakara Volamena Ve Ilay “Boloky Voalohany” Ao Tajikistan?

Biby mpirenireny Afrikanina nompiana an-trano, boloky volon-davenona eo ambonin'ny talantalana eny an-jaridaina. Sary avy amin'i Keith Allison. Creative commons.

Nandao ny karakara vy nanidiana azy ilay boloky malalan'ny printsesy ary nisidina naka ny fahafahany. Nitady ilay boloky nandositra manerana ny tanàna ny olon'ilay printsesy sahiran-tsaina ary nanambara fa omena valisoa izay olona mahita azy. Tsy nisy ny soritra nahitàna ilay zava-manan'aina manan'elatra.

Angano tamin'ny Vanim-potoana Antenantenany ve izany, sa andro iray hafa fotsiny tao Tajikistan? Ny maraina namantarana ny tantara – tamin'ny alalan'ny fizarana izany tao amin'ny media sosialy fa tsy tamin'ny mpitabataba eraky ny tanàna  – Tajiks maro no nahatsiaro toa nifoha tany amin'ny firenen-kafa.

Nampiditra ny resaka ilay mpisera media sosialy iray, Dilovar Valizoda:

: Аз сахар хезам, хама сухан оиди тути. Кадом тути?

Nifoha aho ary nahita fa miresaka boloky ny olona. Boloky inona?

Boloky inona tokoa? Boloky miloko volon-davenona sy mena ihany, mpiavy Afrikana (Psittacus erithacus) antsoina hoe Roma an'ny zanakavavin'ilay nantsoina tamin'ny fomba ofisialy hoe Mpanorina ny Fandriampahalemana sy ny Firaisam-pirenena ao Tajikistan, Mpitarika ny Firenena, Emomali Rakmon!

Tsy zanakavavin'ny filoha Tajik ihany i Ozoda Rakhmon fa lehiben'ny fiadidiana heverina ho iray amin'ireo mpanapa-kevitra ara-politika lehibe indrindra ao amin'ny firenena. Fa na dia eo aza ny fampisehoana karazana fahefana izay Ivanka Trump ihany no afaka manofinofy azy, tsy afaka nihazona ny boloky notadiaviny ny olon'i Ozoda.

Orazshoh Poyandashoyev nanoratra hoe:

 Эта сладкая слова СВОБОДА…

Ity no teny mahafinaritra: FAHALALAHANA

Hatramin'ny antsasaky ny lehilahy eo amin'ny taona tokony hiasa ao Tajikistan no mandao ny firenena nampahantraina mba hitady asa any Rosia sy any amin'ny firenen-kafa. Ny tantara mampitaintaina an'i Roma, ilay boloky, izay tsy notaterin'ireo fampahalalam-baovao ao amin'ny firenena mihitsy, dia nahatonga ireo mpiserasera aterineto Tajik hanasongadina ny fitomboan'isan'ny olom-pirenena avy ao amin'ny firenena mitady fialofana ao Eoropa.

Fayziniso Vohidova:

Тути давно дар Аврупо ва панохандагии сиеси пурсидааст!))))

Efa ao Eoropa sahady ny boloky ary mangataka sata ho mpialokaloka.

Mandritra izany, nampahafantatra fepetra famaizana matetika raisin'ny governemanta ao amin'ny firenena ho an'ireo havan'ny mpitsoa-ponenana ara-politika kosa ny hafa:

Тутиро тамоми хешу авлодашонро заложникий гирифтанд

Nalaina an-keriny avokoa ny havan'ilay boloky

Nahitana esoeso bebe kokoa ny tsaho momba ny valisoa 1000 Tajik somonis (113 dolara eo ho eo) ho an'izay olona mahita ny boloky:

Шояд тутии суханчин бошад?) Хеле сирру накшахоро донад

Angamba boloky be resaka izany ary nahafantatra ireo tsiambaratelo sy drafitra marobe?

Бубинед дустони гироми! Арзиши як паранда аз шаҳрванди Тоҷикистон чигуна баланд аст. Барои ҷустуҷуи як тути омода ҳастанд маблағ ҷудо кунанд ва тамоми вазоратҳову корхонаҳо думболи ин кор шаванд. Аммо шаҳрванди Тоҷик дар дохилу хориҷ мемирад касе аз ӯ суроғ намекунад..

Jereo, ry namana! Sarobidy kokoa noho ny olom-pirenena ny vorona. Vonona izy ireo hanome valisoa noho ny boloky ary manetsika ny tafika rehetra mba hitady izany. Kanefa maty ao anatin'ny firenena sy any ivelany ny olom-pirenena Tajik ary tsy misy miraharaha.

Ny  tranonkala tsy miankina Akhbor.com, mpiresaka momba an'i Tajikistan manana ny foibeny ao Prague no tranonkala tokana nitatitra ny voalaza fa fahaverezan'ilay boloky, tranonkala sokajiana ho azo antoka sy be mpijery. Nofafàna taty aoriana ny roa tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Akhbor miresaka ny raharaha.

Na izany aza, mahalana no misy setroka tsy misy afo, ary na dia foronona amin'ny ampahany aza ny tantaran'ny boloky, toa lasa nanjary angano izany noho ny dikany mahery vaika.

Alim Sherzamonov, iray amin'ireo mpitarika ny antokon'ny mpanohitra tsy parlemantera, ny Demokraty Sosialy, namazivazy hoe:

Sherzamonov Alim Фирори тутии аввали Точикистон водор ба як андешаам кард. Хар кадар кафас тиллои хам бошад, он кафас аст ва хастанд паррандахое ба мисли мурги хонаги, ки бе кафас хам то дар дег чушиданашон шукронаи сохибашонро мекунанд ва хастанд паррандахое мисли хамин тути, ки озодии кутохмудатро,ки мунчар ба халокаташон мешавад, авлотар аз зиндаги дар хонаи нармтарину гармтарин медонанд.

Ny fandosiran'ilay Boloky Voalohany dia nahatonga ahy hihevitra fa na dia volamena ilay trano karakara, dia mbola karakara fanidiana vorona hatrany izany. Misy ny vorona, tahaka ny vorona an-trano, ka na dia tsy ampidirina anaty karakara aza izy dia mbola velom-pankasitrahana hatrany amin'ny tompony mandra-pahatonga azy any am-bilany. Ary misy ny vorona maniry fahalalahana kokoa fa tsy te-hihidy anaty karakara volamena, na dia ao anatin'ny fotoana fohy fotsiny aza ary tsy maintsy hitarika ho amin'ny fahafatesany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.