- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Mediam-Panjakana Ethiopiana Ihany no Tsy Nihoby An'I Teddy Afro, Ilay Mpihira Mitarika Amin'ny Laharan'ny Billboard

Sokajy: Afrika Mainty, Etiopia, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika, Zavakanto & Kolontsaina

Fampisehoan'i Teddy Afro mivantana. Lahatsarin'ny YouTube.

Tokony hanatanteraka antsafa iray izay tena notohanan'ny fahitalavi-panjakana Etiopiana EBC i Tewodros Kassahun, mpihira pop Etiopiana fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Teddy Afro, talohan'ny nanesoran'ny manampahefana tampoka ny dokambarotra momba izany.

Saika ho alefa tao amin'ny fandaharana ny alahady 14 May ny antsafan'i Teddy Afro, izay nantenaina iresahan'ity mpanakanto ity ny fahombiazan'ny rakikirany farany mitondra ny lohateny hoe ‘Ethiopia’, ary mitana ny laharana voalohany ao amin'ny Tabilaon'ny ” World Music Chart “amin'izao fotoana izao. Kanefa nanamafy [1] tao amin'ny pejiny Facebook tamin'ny 12 May i Getu Temesegen, mpanao gazety zokiolona ao amin'ny governemanta  fa tsy ho alefa ny antsafa.

Ny manampahefana Etiopiana no matetika anton'ny sivana [2] ara-politika, ary mikendry ireo mpanao gazety sy mpanakanto. Matetika mitsikera ny fanjakana Etiopiana ireo hiran'i Teddy.

Talohan'ny nivoahan'ny lahatsoratr'i Temeegesen tao amin'ny Facebook, nanaisotra mangina  ny lahatsary fohy misy ny dokambarotra fampahafantarana avy amin'ny antsafa niarahana tamin'i Teddy Afro tao amin'ny pejiny Facebook ny fahitalavi-panjakana.

Ora vitsy taty aoriana , nanoratra tao amin'ny Twitter i Dawit Kebede, mpanao gazety mpanohana ny governemanta iray hafa fa efa niverina ny antsafa, kanefa  tsy nety nanamafy na nandà ity fanambarana ity ny mpanolotra fandaharana ao amin'ny fahitalavitra.

Nanapa-kevitra ny handefa ny antsafan'i Teddy Afro ihany ny EBC ny farany!

Nahazo ny laharana voalohany tao amin'ny fampilaharan'ny rakikira Mozika Manerantany i ‘Ethiopia’ taorian'ny fahalafosana betsaka indrindra tao an-toerana sy iraisampirenena. Nahasarika mpijery maherin'ny telo tapitrisa ilay hira hatramin'ny namoahany ny lohatenin-kirany tao amin'ny Fantsony YouTube tamin'ny 16 Aprily .

Rakikira fahadimy novokarin'i Teddy i ‘Ethiopia’. Nahalafosana betsaka indrindra tao Ethiopia ny rakikirany rehetra teo aloha kanefa  tsy mbola fahita hatrizay teo aloha ho an'ireo mpanakanto avy ao amin'ny firenena ny fahombiazany tao amin'ny Billboard [5].

Taorian'ny fahombiazan'ny rakikirany, nanome antsafa tao amin'ny fampitam-baovao iraisampirenena maro i Teddy , anisan'izany ny Associated Press ( navoaka tamin'ny gazety lehibe [6] maro ny tantara [7]) sy ny sampana teny Amharic an'i Voice of America [8]. Kasaina hiseho ao amin'ny BBC Afrika ihany koa izy.

Angamba noho ity firongatry ny fahalianana iraisampirenena ity no nametraka ny fahitalavi-panjakana Etiopiana teo ambany fanerena mba hanome antsafa an'i Teddy, na dia teo aza ny tsy firaharahin'ny fampitam-baovao mpikambana amin'ny fanjakana ny fahombiazany tamin'ny ankapobeny.

Na dia izany aza, nanao izay fantany fa tsara indrindra ny milin'ny sivana, ary nanimba ny fety raha niandry fatratra  ny fampitana mivantana ireo mpankafy.