- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Antso Hanaovana Ankivy ny Pizza Hut Israely Noho Ny Famazivaziany Ilay Gadra Palestiniana Mitokona Tsy Hihinan-kanina tao amin'ny Facebook

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Palestina, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Nameno ny media sosialy ny Palestiniana miantso ny hanaovana ankivy ny trano fisakafoanana Pizza Hut manerantany [3] taorian'ny nanaovan'ny sampana Israeliana nitantana dokambarotra mihantsy tao amin'ny Facebook izay naneso ireo gadra Palestinana nitokona tsy hihinan-kanina ao amin'ny fonja Israeliana nanomboka tamin'ny 17 Aprily.

Nandefa ny sarin'ilay mpitarika Palestiniana Marwan Bargouti tao amin'ny pejiny Facebook ny Pizza Hut Israely, sary voalaza fa mampiseho an'i Bargouti niafina tsy nanaja ny fitokonana tsy hihinan-kanina tao an'efitra ao am-ponja. Nanamboatra sary baoritra pizza sy silaka pizza tamin'ny sary ny orinasa, miaraka amin'ny fanehoan-kevitra maneso hoe: “Barghouti, raha tsy hanaja ny fitokonanao tsy hisakafo ianao, tsy pizza ve no safidy tsara indrindra?”

“Barghouti, raha tsy hanaja ny fitokonanao tsy hihinan-kanina ianao, tsy ny pizza ve no safidy tsara indrindra?” Pikantsary tao amin'ny Facebook.

Gadra Palestiniana maherin'ny 1500 amin'ireo 6.500 [4] nogadraina ao amin'ny fonja Israeliana no eo amin'ny faha-26 andro amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina ho fanoherana ny fikarakarana ratsy, fanaovana tsirambina ny fitsaboana, ny fanokanan-toerana, fanagadrana ara-pitantanana sy hiady hahazoana fepetra tsara kokoa.

Tezitra noho ny fanesoana ny tolon'ilay Palestiniana gadra politika ho an'ny zon'izy ireo ao amin'ny fonja Israeliana, Nampiasa media sosialy tamin'ny tenirohy #Boycott_PizzaHut [5] amin'ny teny Arabo sy teny Anglisy ny Palestiniana mba hiantso ny fanaovana ankivy manerantany.

.@pizzahut [6], satria sarobidy kokoa noho ny pizza-anareo ny fahamendrehana maha-olombelona!! #Boycott_PizzaHut [7]

Mananihany ny fitokonana tsy hihinan-kanina ho amin'ny fahamendrehana ataon'ny Palestiniana ny Pizza Hut

Maharikoriko ny famazivaziana sy ny fanaovana dokambarotra amin'ny antony maha-olombelona tahaka ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina ho amin'ny Fahamendrehan'ny Palestiniana! Tsara raha mitsipaka ny _pizzahut [11]

Mahamenatra indrindra ny famazivaziana ireo mahery fò Palestiniana ao anatin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina ao amin'ny fonjan'i Israely

Eny! Manohana ny  #boycott_pizzahut [11] aho, tsy afaka mananihany momba ny fitokonana tsy hihinan-kanina ianao!! Tsy mampihomehy izany!!

Nofafana avy hatrany tao amin'ny pejy Facebookn'ny Pizza Hut Israely ilay dokambarotra taorian'izay, ary niala tsiny [21] tao amin'ny Facebook noho ny “fanafintohinana rehetra nateraky ny lahatsoratra vao haingana tao amin'ny pejy Facebookn'ny Pizza Hut Israely” ny orinasa:

It was completely inappropriate and does not reflect the values of our brand. The local franchisee in the country removed it immediately and the relationship with the agency that posted it was terminated, and we truly regret any hurt this may have caused.

Tsy mifanaraka mihitsy sy tsy maneho ny soatoavin'ny marikanay izany. Nofafan'ny “franchisé” (orinasa nanao fifanekena ara-barotra) ao an-toerana ao amin'ny firenena avy hatrany izany ary nofaranana ny fifandraisana tamin'ny sampan-draharaha namoaka izany, manenina tanteraka amin'ny fanafintohinana mety naterak'izany izahay.

Fanambarana momba an'i Barghoudi ho tsy manaja am-piafenana ny fitokonany tsy hihinan-kanina

Mandray anjara am-piesoesoana tamin'ny lahatsary vao haingana [22] navoakan'ny manampahefan'ny fonja Israeliana tamin'ny 7 Mey ny dokambarotra manafintohina izay voalaza fa mampiseho an'i Marwan Barghouti mihinan-kanina miafina ao amin'ny efitra fidiovana ao amin'ny efitra misy azy ao am-ponja, Barghouti dia gadra Palestiniana mpitarika antoko ara-politika Fatah, ary izy no mitarika ny fitokonana tsy hihinan-kanina.

Nampangain'ny Komitim-pirenena Palestiniana ho amin'ny Fahalalahana sy ny Fitokonana Mendrika, vondrona izay manohana ny fitokonana tsy hihinan-kanina amin'izao fotoana izao ny filazana, ary nilaza fa efa tamin'ny taona 2004 fara fahakeliny ilay lahatsary. Tamin'ny fanambarana [23], nilaza ihany koa ny komity fa “manangana ady lehibe amin'ny alalan'ny lainga sy vaovao mamitaka i Israely mba hiteraka fisafotofotoana eo amin'ny vahoaka Palestiniana sy eo amin'ireo gadra mitokona tsy hihinan-kanina.”

Notsipahan'ny vadin'i Bargouthi ihany koa ny fiampangana nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety [24] tao Ramallah, nilaza izy fa “mampiasa hetsika mahatsiravina” i Israely ary “efa zatra ny laingan'i Isiraely ireo gadra, ary mariky ny fiandohan'ny firodanany ny lalao sy ny lahatsary avoakan'izy ireo, “ary vao mainka hahatonga ireo gadra ho hentitra kokoa.

Tsy zava-baovao ny fanesoana ny fitokonana tsy hisakafo ataon'ny gadra Palestiniana. Tany am-piandohan'ny fitokonana, Isiraeliana am-polony no nanomboka nitono hena tao ivelan'ny fonja Ofer, [25] ao akaikin'ny tanànan'i Ramallah, Morondrano Andrefana, izay gadra Palestiniana marobe no nanatevin-daharana ny fitokonana. Nilaza [26] ireo Israeliana mpanohana ny ankavanana tonga nanatrika ny fitonoan-kena fa manantena izy ireo fa “hankafy hiaina setroka sy hijaly amin'ny fofon-kena ireo Palestiniana mitokona tsy hihinan-kanina.”