- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanao Haiady Mifangaro (MMA), Mampiasa Ny Folo Segondra Nandreseny an'ilay Mpampianatra Tai Chi Mba Hihantsiana Ireo Shinoa Mpanao Kung Fu Mpitàna Birao

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

MMA VS Tai Chi. Pikantsary

Tao anatin'ny folo segondra teo ho eo, Sinoa Mpanao Haiady Mifangaro (MMA), Xu Xiaodong, no nandresy ilay andrarezin'ny Tai Chi, Wei Lei, nandritra ny ady tany Chengdu tamin'ny 27 Aprily 2017. Nitranga taorian'ny fifandirana tao amin'ny aterineto  teo amin'izy roalahy momba ny fampandrosoana ny Kung Fu Shinoa ilay ady — notsikerain'i Xu ny haiady Shinoa nentim-paharazana noho ilay izy sady miteny no manatanteraka, manary ny fampiharana ilay fahaizamanaony noho ireo mpitàna birao izay mitantana ireo fikambananà haiady ho toy ny orinasa.

Niteraka tabataba tamin'ny aterineto naharitra herinandro mahery ireo tsikerany momba ny “fifaninanana sandoka” sy ilay fihantsiany ampahibemaso ireo solotenan'ny mpanao haiady nentim-paharazana.

Nalefa tamin'ny alalan'ny haino aman-jery sosialy ary vetivety dia niparitaka tamin'ny aterineto ilay adin'i Xu sy Wei. Ity ambany ity misy dika iray avy amin'ny YouTube:

Taorian'ny ady, niezaka nanavotra ny lazany ireo manodidina ny Tai Chi tamin'ny filazàna fa i Wei Lei dia tsy tena mpampianatra lehibe, nefa ny hafa kosa nanamarika fa tsy ara-drariny eo anatrehan'ny haiady Shinoa nentim-paharazana ireo fitsipiky ny ady.

Namaly [1] tao amin'ny WeChat i Xu fa mbola hanohy hihantsy ireo mpitarika ny solotenan'ny haiady Shinoa izy, mba hampibaribary ilay tranganà “Kung Fu sandoka” eo anatin'ilay sehatra:

我徐晓冬,在中国武术界打假,要打也要打大老虎,我今天39也不年轻,有年轻的掌门我打,有老的掌门,我一晚上连打两个或三个!那些掌门不要逃避,都掌门了,怎么不敢打?

Izaho, Xu Xiaodong, dia te-hampibaribary ny haiady Sinoa sandoka sy ireo tigra lehibe. 39 taona aho amin'izao fotoana izao. Hiady amin'ny solontena tanora sy solontena antitra aho. Mety hanao fihodinana roa na telo aho ao anatin'ny alina iray. Aza andosirana ilay ady azafady, amin'ny maha-solontenan'ny endrika fototry ny Kung Fu, ho sahy tsy hiditra amin'ny ady ve ianareo?

Tamin'ny 7 May, notapahana ny kaonty Weibo sy WeChat an'i Xu.

Niteraka hatezeran'ny vahoaka ny olan'ny fampisehoana “Kung Fu sandoka” tato anatin'ny taona vitsy. Ny ohatra tena nalaza dia ny vokatra tsara azon'ilay andrarezin'ny Tai Chi, Yan Fang, tamin'ny “Chi”  ny Septambra 2012. Nabaribarin'ny mpanao gazety iray teo an-toerana ilay fandresena sandoka tamin'ny nandavoany bandy vaventy efatra tamin'ny alalan'ny Chi ary niparitaka be ilay lahatsary [2]. Yan no Filoha Lefitry fahadimin'ny fikambanan'ny Haiady Hebei.

Noho izany, Sinoa mpisera maro no nanohana an'i Xu ary faly nahita ady imasom-bahoaka mismisy kokoa. Fa nampirisika ny mpianany mba tsy hamaly ny fihantsian'i Xu i Chen Zhenglei, mpampianatra lehibe ny Tai Chi.

Ity ambany ity ny taratasin'i Chen, izay niparitaka [3] tamin'ny alalan'ny haino aman-jery sosialy Sinoa:

各位弟子大家节日快乐!我和你们师母昨晚访欧归来!看到网上炒作徐晓东挑战武林高手之事沸沸扬扬!我看是别有用心的人在故意挑逗武林流派门户之争,这样下去不利于武林团结发展!我建议国际武联和中国武协应出面制止一下!徐要真有能力,让他到国际赛场上去为国争光!这是我给中国武协领导的建议。并得到回复,明天上班就研究措施。并嘱咐让我转告陈家沟的拳师们不要冲动,盲目应战。如这样正当下怀,上当受骗。狂徒在媒体漫骂可以通过法律程序控告他,所以我特告戒咱们的弟子们要谨言慎行,且勿盲目冲动。通过此事也要求弟子们加强练功,增强功力,一旦遇到挑战,要为师门争光,为国争光!师父陈正雷。

Tratry ny fetibe [01 May, Fetin'ny Asa] ry mpianatra malala isany! Tafaverina halina avy tamin'ny fitetezam-paritra nataonay tany Eoropa izaho sy ny reninareo ary nijery ilay vaovao niparitaka momba ny adin'i Xu Xiaodong tamin'[ilay] mpampianatra Kung Fu! Ny zavatra hitako dia misy olona manana saina ratsy mila ady amin'ny alalan'ny sehatry ny haiady Shinoa. Hanimba ny firaisankina misy ao anatin'ny sehatry ny haiady izany. Miantso ny Federasiona Iraisampirenen'ny Haiady sy ny Fikambanan'ny Shinoa Mpanao Haiady aho mba hampitsahatra izany. Raha manana ny fahaizana i Xu, avelao izy handray anjara amin'ny fifaninanana iraisam-pirenena ary hiady ho an'ny voninahitry ny firenena. Izay no sosokevitro ho an'ireo mpitarika ny Fikambanan'ny Mpanao Haiady. Efa nanome ny valinteniny izy ireo ary rahampitso no handinika ilay olana. Efa nampirisika ny mpianatra Tai Chi ao amin'i Chen koa izy ireo mba tsy hamaly ilay fihantsiana raha tsy izany dia hilatsaka ao anatin'ny fandrika napetrany isika. Raha mbola manohy manempotra ny hafa ihany ilay bandy adala, afaka mandray fepetra araka ny lalàna isika. Henoy, manasa anareo aho mba hitandrina amin'ny fihetsikareo. Mampirisika anareo koa aho mba hanohy ny fampiharana, mba hahafahantsika miady amin'ny fo tony ny ady Tai Chi an'i Chen, ary ho an'ny firenena rehefa miatrika zava-tsarotra isika amin'ny ho avy.

Nahita ny kabary tsara lahatra maneho fitiavan-tanindrazana nataon'ny mpampianatra Tai Chi ho toy ny taratry [4] ny fitondrantena fitadiavana tombontsoa [5]n'ny mpanao haiady Shinoa ilay mpitoraka bilaogy Cheng Wangdong:

众所周知,这些年大家都在做民族复兴这个梦,有些东西,是很奇怪的,一旦成为口号,也就成了绝对正确。

而中国武术,恰恰又是复兴梦中一个不可分割的部分,一荣俱荣,一损俱损,就成了一个捆绑真实,也就更容易从一个个人摩擦事件,上升到整体家族的火拼斗殴。

[…]当一个武林门派,出了问题不用武林门派的规矩解决,首先噗通一声就是跪在权力的面前求庇护,我觉得陈正雷宗师已经不是武林人士了。

Samy mahalala ny rehetra fa notanterahintsika ny nofin'ny fifohazam-pirenena nandritra ireny taona maro ireny ary miseho ho toy ny fahitsiana tanteraka ny teny filamatra. Lasa tsy azo sarahina amin'ilay nofy ny sehatry ny haiady Shinoa. Mifamatotra ny voninahitra sy ny henatra. Lasa tranga niraisana [an'ny daholobe] ireo fifandirana manokana[…] Raha misy olana mitranga ao amin'ny sehatry ny haiady, tsy mamaha ilay olana amin'ny fitsipiny samy irery ny sehatra, fa mandohalika mitady fiarovana eo anatrehan'ny manampahefana. Te-hilaza aho hoe tsy ao anatin'ny sehatry ny haiady intsony i Chen Zhenglei.

Araka izay efa nampoizina, tamin'ny 3 May, namoaka fanambarana [6]niampanga an'i Xu ho “mpila ady” ny Fikambananan'ny Shinoa Mpanao Haiady, ary nanambara fa tsy ara-dalàna sy manohitra ny soatoavin'ny Kung Fu ilay fihestiny.

Mazava àry, fa ltsaka lavitra any ambadiky ny fivoarana sy ny fametrahana ny sehatry ny haiady ho toy ny resaka fitantanana no fahitan'ny daholobe ny haiady. Nanao tatitra momba ny fanadihadiana mikasika Haiady Sinoa ny orinasa fanaovan-gazety ao an-toerana Beijing News [7] ary nahatsapa fa ireo tena mpikirakira ny haiady nentim-paharazana, anisan'izany Shaolin [8], Wudang [9], Qingcheng [10], Emei [11] ary Kongdong [12] dia nivoatra ho lsa vondron'orinasa izay nanokatra sekoly fianarana haiady, mamokatra sarimihetsika, mivarotra fanafody Shinoa, mampandroso ireo toerana fizahantany sy ny maro hafa.

Tamin'ny alàlan'ny fandraràna ireo mpikambana ao aminy tsy hamaly ilay fihantsiana, nanavotra ny endrik'ireo solontena fanta-bahoaka amin'ireo sakelika haiady goavana ilay fanambaràn'ny Fikambanana Shinoa Mpanao Haiady.

Na izany aza, dodona hiady amin'i Xu amin'ny fampiasana ireo fitsipika napetrany manokana ireo any ivelan'ny fikambanana haiady Shinoa. Ohatra, Hu Qiong, mpampianatra Xiaolin Chi, dia nihantsy an'i Xu Xiaodong hampiasa ilay fitaovam-pandavahana.

[13]

Fampisehoan'i Hu Qiong ny fanamby ampiasàna fitovana fandavahana. Sary miely be avy ao amin'ny Weibo, tao amin'ny Stand News.

徐晓冬那么能打,有本事让我拿电钻来钻他的太阳穴、喉咙等部位,钻不进去,不会受伤,我就认同他功夫了得,认同他打假传统武术的说法

Raha tena mpiady tsara i Xu Xiaodong, avelao aho hitazona ny fitaovam-pandavahana ary handavaka ny fihirifany, ny tendany sy ny sisa. Raha tsy maratra izy, hoekeko ny Kung Fu-ny sy ny teniny momba ny tranganà haiady Shinoa sandoka.