Maneho Hevitra Ilay Mpanao Gazety Rosiana Tompon'andraikitra Tamin'ny Sarin'i Trump-Lavrov Nampiadihevitra

Sary: Alexandr Scherbak/Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana/Instagram

Araka ny tatitra tamin'ny haino aman-jery Amerikana, tezitra i  Washington fa namoaka ny sarin'ny Filoha Trump nivory niaraka tamin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Rosiana Sergey Lavrov sy ny Masoivoho Rosiana ao Etazonia Sergey Kislyak tamin'ny Alarobia ny fampahalalam-baovaom-panjakana Rosiana.

“Tsy nanampo ny Trano Fotsy fa hamela ny masoivohom-baovaom-panjakany hamoaka [ny] sary ny governemanta Rosiana,” hoy ny tatitry ny CNN tamin'ny Alakamisy. “Namitaka anay izy ireo,” hoy ny manampahefana tezitra iray tao amin'ny Trano Fotsy tamin'ny tambanjotram-baovao. “Izany no olana amin'ny Rosiana – mandainga ry zareo,” hoy ihany koa ny manampahefana.

Tamin'ny Alakamisy, namaly tao amin'ny Facebook ilay mpaka sary fanao an-gazety ao amin'ny TASS, Alexandr Scherbak, ilay lehilahy naka ny sary mampiadihevitra tao amin'ny Birao Boribory Lavalava, niampanga ny governemanta Amerikana sy ny haino aman-jery ho “taitaitra loatra”, nolazainy fa mangarahara tanteraka tamin'ny fihaonan'ny Minisitra Lavrov tamin'ny filoha Trump ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana.

Nandika ny hafatr'i Scherbak eto ambany ny RuNet Echo:

Мое обращение к американским СМИ.
Признаться, для меня это нонсенс. Я непубличный человек и никогда прежде не комментировал свою работу, но эта истерия в отношении моей съемки в Белом Доме заставила меня написать эти строки лично.
Работаю в пуле Министра с 15го года, куда я периодически привлекаюсь для освещения поездок и встреч Министра иностранных дел С.В. Лаврова наравне с другими коллегами по цеху. Освещал практически все встречи, которые проходили в США, Франции, Германии, Швейцарии и многих других странах, в коих удалось побывать за время моей работы. Это были закрытые и открытые встречи, саммиты и форумы, много всего, что приходится делать по долгу своей профессии. Списки представителей СМИ, которые освещают поездку, всегда подаются заранее, все знают, кто и где работает, кого представляет и т.д.
По условиям совместной работы МИД России и агентства ТАСС я отдаю часть фото материала в МИД для бесплатных публикаций на официальной странице и в других источниках, часть материала идет в наше агентство ТАСС, далее фотографии распространяются так же, как и в любых других фото- и информационных агентствах.
В съемке встречи Д.Трампа и С.Лаврова не было ничего необычного, все в штатном режиме. После встречи с Р.Тиллерсоном меня забрал представитель со стороны американцев, привезли в Белый Дом, я прошел обычную проверку на сканере, личный осмотр, затем обнюхали собачки. Далее провели в Белый Дом, где я в одной из комнат ждал приезда нашей делегации. Познакомили меня с девушкой-фотографом, которая там работает, сказали держаться ее, так как она знает весь протокол и т.д. На саму съемку я пошел только с двумя фотоаппаратами, все вещи, включая мобильник, я оставил в другом помещении – так, как мне заблаговременно про это сказали. Съемка обычная, хендшейк со всей делегацией, обмен слов, далее началась встреча, минуту поработали, потом мне сказали «все». Вышел из Овального кабинета и проследовал в помещение, где до этого и находился, встреча закончилась, и я уехал вместе с делегацией в Посольство России на пресс-конференцию. И на этом все, мы улетели.
Я обращаюсь к американским журналистам с просьбой не терять чувства профессионального достоинства и не перекидывать свой провал в организации съемки и прохода своих СМИ на других людей. Работаю профессиональным фотокорреспондентом много лет, и, признаться, впервые приходиться сталкиваться с таким абсурдом и бредовыми обвинениями.

Ny hafatro ho an'ny fampahalalam-baovao Amerikana:

Ekeko fa tsy misy dikany ho ahy izy ity. Tsy olom-panjakana aho, ary mbola tsy naneho hevitra momba ny asako tahaka izao, saingy manery ahy hilaza izay voasoratra eto ny kiakiaka be mikasika ny sary tao amin'ny Trano Fotsy.

Niasa tao amin'ny sampan-gazetin'ny Minisiteran'ny [Raharaham-bahiny] aho nanomboka tamin'ny taona 2015, ary matetika aho angatahana mba hitatitra ny dia sy ny fihaonana amin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Sergei Lavrov sy ny mpiara miasa namany. Notateriko avokoa saika ny ankamaroan'ny fivoriany rehetra tao Etazonia, Frantsa, Alemaina, Soisa, sy ny firenena maro hafa, izay efa vitako notsidihana nandritra ny asako. Fivoriana mikatona sy misoka-baravarana, fihaonambe sy fifanakalozan-kevitra ireo, ary maro hafa nandritra ny fotoana niasako.

Ekena mialoha foana ny lisitry ny anaran'ireo mpanao gazety mpikambana manangom-baovao amin'ny dia, ary mahafantatra izay miasa, ny halehany sy ny soloiny tena, sy ny sisa ny tsirairay.

Araka ny fepetran'ny asa eo amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana sy ny masoivohom-baovao TASS, manome ny ampahan'ny sary nalaiko any amin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny aho mba havoaka malalaka ao amin'ny tranonkala ofisialiny sy loharanom-baovao hafa, ary mankao amin'ny efitra famoaham-baovaon'ny TASS ny ampahany amin'ny tatitrako, ary avy eo zaraina toy izany ny sary ka misy ireo masoivohom-baovao hafa mampiasa ny sary.

Tsy nisy ny zavatra hafahafa nitranga raha naka sary ny fihaonana teo amin'i Donald Trump sy i Sergei Lavrov. Nisosa tsara araka ny nomanina ny zava-drehetra. Voalohany, taorian'ny fihaonana tamin'i Rex Tillerson, solontena Amerikana iray nitondra ahy tao amin'ny Trano Fotsy, izay nanaovana fanadihadiana ahy mahazatra, nosaivana, ary avy eo nofofonin'ny alikan'ny polisy.

Avy ao nentina tany amin'ny faritra hafa ao amin'ny Trano Fotsy aho, ka niandry ny fahatongavan'ny delegasionanay tao amin'ny efitra iray. Nampahafantarina vehivavy iray mpaka sary miasa ao aho, ary nilaza ahy ireo mba hanaraka azy foana satria izy no mahalala ny fifanarahana rehetra sy ny sisa. Fakan-tsary roa ihany no nentiko hangalàna sary ny fihaonan'i [Trump-Lavrov]. Najanoko tao amin'ny efitra hafa avokoa ny  zavatra hafa rehetra taty amiko (anisan'izany ny finday) – satria efa nampahafantatra ahy izany mialoha izy ireo.

Mahazatra ny tifi-tsary. Nisy ny fandraisan-tanana tamin'ny delegasiona tsirairay, fifanakalozan-kevitra, ary avy eo nanomboka ny fivoriana. Niasa nandritra ny iray minitra aho, ary avy eo nilaza tamiko izy ireo hoe: “Izay ihany.” Niala ny Birao Boribory lavalava aho ary niverina tao amin'ny efitrano niandrasako teo aloha. Rehefa tapitra ny fivoriana, niala niaraka tamin'ny delegasiona aho ary niverina tao amin'ny Masoivoho Rosiana hiatrika valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety. Rehefa vita izany rehetra izany, niverina tany amin'ny seranam-piaramanidina izahay, nandray fiaramanidina, ary lasa nisidina.

Miantso ireo mpanao gazety Amerikana aho mba hifantoka amin'ny fahamendrehana matihanina fa tsy hamindra ny tsy fahombiazan'izy ireo mandamina tifi-tsary amin'ny asa fanaovan-gazety Amerikana any amin'ny olon-kafa. Niasa ho mpaka sary matihanina fanao an-gazety nandritra ny taona maro aho, ary miaiky fa ity no voalohany nahazoako fiampangana tsy misy fotony sy mampihomehy tahaka izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.