Manasoketa Ilay Mpitarika Ny Mpanohitra Ao Amin'ny Lahatsary Fandihizana Rap Mikaviavia Ireo Rosiana Misotro Ronono

Sary tao amin'ny YouTube

Nanasoketa ilay mpitarika ny mpanohitra Rosiana Alexei Navalny ny vondrona mpikatroka avy any amin'ny sisiny tao anaty lahatsary mampiseho ireo misotro ronono nihirahira sy mandihy mikaviavia sady malemilemy tao anatin'ny hira hala tahaka farany an'ilay tarika Okrainiana Griby  “Tayet Lyod” (Mitsonika ny Ranomandry) .

Roa herinandro mafy ho an'i Navalny izany. Tamin'ny 27 Aprily, nanondraka azy indray tamin'ny fanafody famonoana otrikaretina (antiseptique corrosif) ny mpanafika ka niteraka fahavoazana lehibe tamin'ny masony ankavanana izany tamin'ity indray mitoraka ity ary voatery tsy maintsy nitady fitsaboana tany Barcelona izy. Ary avy eo dia tonga ity lahatsary ity, izay mety hanome fakam-panahy ireo mpijery haka fanafody famonoana otrikaretina mba hanadiovana ny mason'izy ireo.

Toy izao manaraka izao ny tononkira:

Тихо дождь идёт над Москвой,
Навальный шагает с братвой по Тверской.
Надежда в его пустой голове:
Как бы Россию присвоить себе.
Только Лёхе башкой не понять,
Что Россию под себя не подмять.
Специальные службы за ними следят и ему по башке настучат.

Midina ny làlan'i Tverskaya i Navalny sy ny forongony
Misy ny fanantenana ao anaty ny lohany goana:
Ahoana no hiheverany an'i Rosia ho an'ny tenany
Kanefa tsy nahazo izany i Lyokha
Fa tsy milefitra amin'ny sitraponao i Rosia
Manara-maso azy ireo ny iraka manokana ary mively ny lohany

Iray amin'ireo hira malaza indrindra ao Rosia tamin'ity taona ity ilay hiran'i Griby ôrizinaly ary niteraka hala tahaka maro. Niseho tao amin'ny YouTube ity hala tahaka farany ity tamin'ny faran'ny volana Martsa, ary lasa niparitaka be rehefa avy namoaka izany indray tao amin'ny Twitter i Navalny  .

Dia izay. Tapitra hatreo ny fanaovako politika. Efa nahazo daroka faran'izay mafy indrindra azo natao aho : nanao cover an'i “Tayat Lyod” momba ahy” i Rosia Mitambatra” ao Krasnodar

Novokarin'ny fikambanana mpikatroka  avy any amin'ny sisiny ao Krasnodar antsoina hoe “Fitsarana Sosialy” ny lahatsary raha ny marina na dia nihevitra izany ho avy amin'ny Rosia Mitambatra aza i  Navalny.

Natokana hizara fanampiana ho an'ny fianakaviana mahantra ny Fitsarana Sosialy, kanefa lasa nanjary fantatra kokoa tao amin'ny Aterineto Rosiana noho ny fandotoana resaka ratsy momba an'i Navalny izany. Ahitana lahatsary hafahafa isankarazany ny fantsony YouTube  izay matetika manasongadina ny feon'olona mametraka fanontaniana manandanja amin'ireo mpikatroka zokiolona izay mamaly amin'ny teny lava feno hevi-diso manohitra ny mpanohitra sy ny petra-kevitry ny firaisana tsikombakomba. Araka ny voalazan'ny lahatsoratra nivoaka tao amin'ny tranonkala Medialeaks dia fara fahakeliny vehivavy iray tao amin'ny lahatsary misy dihy no hita loha-laharana tao amin'ny bemidina [fanafihana] iray vao haingana tao amin'ny biraon'ny Navalny tao Krasnodar.

Tsy vao voalohany izao ny iray amin'ireo lahatsarin'ny Fitsarana Sosialy no nahazo fanesoana mba ho lasa nalaza be. Tamin'ny taona 2013, nanana hira iray hafa mampiahiahy izy ireo izay mitondra ny lohateny hoe “Ny Hevitry ny Mpanao Fanadihadihana Momba an'i Navalny” izay toa tahaka ny tsy misy fanesoana. Manasongadina vehivavy zokiolona iray nitsikera tamim-pahatezerana momba ny fiampangana hafahafa sy hita fa lainga, toy ny filazany tsy marim-pototra fa nalefan'i Navalny tany amin'ny toeram-pitsaboana areti-tsaina ny vadiny ary avy eo “nanenjika mpivaro-tena izy.” Ao amin'ny lahatsary iray hafa tamin'ny taona 2013, nanome tsiny an'i Navalny io vehivavy io noho ny hetsi-panoherana tao Okraina izay nitarika ny Revolisiona EuroMaidan , ary nilaza fa “Vola, vola, vola, ihany no tadiavin'i Navalny,  fa tsy misy afatsy izay. “

Toa hita fa somary kendakenda sy toa namboarina ny feon'ny lahatsary, izay mahatonga ny sasany haminavina ny mety ho fanararaotana ireo zokiolona, kanefa hita fa tsinontsinona ireo beantitra ao amin'ny lahatsary rehefa sady tsy mavitrika amin'ny heviny sy ny filazàny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.