- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miara-miasa Amin'ny Fikarohana Ny Ankizy Very i Jamaika sy ny Facebook

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tanora, Teknolojia
[1]

Zon'ny Ankizy; sary avy amin'i Robert Schrader, CC BY-NC-ND 2.0.

Volan'ny Ankizy [2] ao Jamaika ny volana Mey – fanendrena ofisialy izay nankalazain'ireo ONG sy ny vahoaka amin'ny ankapobeny nandritra ny taona maro. Manoloana ny fiahiana ny mahasoa ny ankizy ao amin'ny fiarahamonina Jamaikana, nisafidy ny lohahevitra “Raiso ny Andraikitra! Sakano ny Fanararaotana Ankizy” ho an'ity taona ity ny Komity Nasionaly ny Volan'ny Ankizy [3] (izay efa tamin'ny taona 1953).

Tamin'ny 1 Mey, nanomboka fiarahamiasa [4] ny governemanta sy ny Facebook Jamaikana mba hanitatra ny fanairana momba ireo ankizy tsy hita ao amin'ny nosy – fiarahamiasa voalohany amin'ny fampiasan'i Jamaika ny media sosialy ho amin'izany tanjona izany. Na dia matetika mampiasa ny media sosialy amin'ny fomba tsy ofisialy aza ny Jamaikana sy ny hafa mba hamoahana ny sarin'ireo olon-dehibe sy ankizy nanjavona, misy ny olana mety mifandray [5] amin'izany, anisan'izany ny olana ara-pitsarana mety hiseho. Miasa mamorona rafitra mahomby kokoa i Jamaika, izay ahitana Jamaikana maherin'ny 1,2 tapitrisa mampiasa  Facebook ankehitriny.

Sarotsarotra kokoa tsy araka ny hiheverana azy ny olana momba ny fanjavonan'ireo ankizy ireo. Ao Jamaika, tahaka ny any amin'ny firenen-kafa, ny antony mahatonga ny fahaverezan'ny ankizy dia ny trafikan'olombelona [6], ny fiarovana ny sisintany sy ny olana amin'ny fitaizan-dray aman-dreny. Na izany aza, araka ny filazan'ny Tambajotran'ny Ankizy Very Manerantany [7] (GMCN), izay ahitana firenena mpikambana 25, ao anatin'izany i Jamaika -,vitsy ny antontan'isa azo antoka momba ny ankizy very manerantany. Any amin'ny firenena maromaro, tsy misy mihitsy izany antontan'isa izany ary mbola tsy misy ny arofenitra fanairana momba ny ankizy tsy hita. Nilaza ny GMCN fa vao mainka sarotra ny raharaha noho ny tsy fisian'ny famaritana mazava sy manerantany momba ny “ankizy very”.

Fara faharatsiny, ao Jamaika, nisy ny fanadihadiana fa nihena [8]ny isan'ny ankizy tsy hita amin'ny ankapobeny noho ny fametrahana indrindra ny fanairana Ananda [9] (mitovy amin'ny rafitra Amber Alert ao Etazonia). Na izany aza, mbola eo amin'ny 10% n'izy ireo no tsy hita isan-taona. Araka ny filazan'ny Sampana Fanarahamaso ny Olona Very ao amin'ny Hery Tafika Jamaika, ankizy 1.725 no very tamin'ny taona 2016 [10], 269 tamin'izy ireo no tsy hita mihitsy. Ny rafitra fanairana Jamaikana dia mitondra ny anaran'i Ananda Dean, 11 taona, izay nisy naka an-keriny tamin'ny taona 2008 , raha iny izy hody avy nianatra ary hita faty andro vitsy taty aoriana. Napetraka ny rafitra fanairana herintaona taty aoriana

Eo ambanin'ny fandaharana vaovao, nanamarika [11] ny Talen'ny Fahatokisana sy ny Fiarovana ao amin'ny Facebook, Emily Vacher, izay nanatrika ny fampahafantarana ny fandaharana tamin'ny 1 Mey tao Kingston fa voalohany ao anatin'ity sehatra ity i Jamaika sy ny Biraon'ny Lisitry ny Ankizy (OCR):

When Facebook receives an alert from OCR, within 15 minutes that alert will be prepared and disseminated to the public. When you see this missing child alert it pops up as [an] Active Ananda Alert that will have the picture of the missing child and a brief description. When you click ‘Learn More’ it will take you off Facebook to the page prepared by the Global Missing Children Network (GMCN), where you will see the age, height, weight, last clothing seen in, and a description of the vehicle or licence plate number if all that was witnessed.

Raha naharay ny fanairana avy amin'ny OCR ny Facebook, nokarakaraina sy naparitaka tamin'ny vahoaka tao anatin'ny  15 minitra izany fanairana izany. Raha mahita ity fanairana ankizy very ity ianao, mipoitra toy [ny] Fanairana Ananda izany izay hahitana ny sarin'ny ankizy very sy ny mombamomba azy fohifohy. Raha manindry ny ‘Fantaro Bebe Kokoa’ ianao, dia tafala ao amin'ny Facebook ary tafiditra amin'ny pejy nokarakarain'ny Tambajotran'ny Akizy Very Manerantany (GMCN), ka hahita ny taona, ny halava, ny lanja sy ny akanjo nahitàna azy farany ary ny famariparitana ny nomeraon'ny fiara raha hita maso avokoa izany.

Nanazava bebe kokoa izy fa hisy ny bokotra “hizara (share)” ho an'ny mpiserasera mba handefasan'izy ireo ny votoaty ao amin'ny Facebookn'izy ireo sy hanara-maso ny fivoarana. Nanipika i Vacher fa niniana natao ny fanadinoana ny bokotra ‘Tiako’ sy ‘Maneho hevitra’, mba hanakanana ny olona tsy hanome soso-kevitra mikasika ny fangalàna ny ankizy amin'ny toerana mety tsy ho voaaramaso.

Nilaza ihany koa i Vacher fa tsy ho hosoloina ny fanairana misy amin'izao fotoana izao ao amin'ny fampitam-baovao mahazatra; fa hohatsaraina amin'ny fampiasana Facebook.

Ny Biraon'ny Lisitry ny Ankizy ao Jamaika, izay mandray ny fanairana sy mitantana antso an-tariby momba ny fampijaliana ankizy, nisioka tamim-pireharehana hoe:

Jamaika no firenena Karaiba voalohany manana rafitra fiatrehana sy voalohany manana ny Fanairana Ananda tamin'ny fisantarana andraikitra amin'ny #Facebook

Tanora mpikatroka Neville Charlton nizara hoe:

Asa mahafinaritra, miara-miasa amin'ny manampahefana Jamaikana ny @facebook [15] mba hanampy amin'ny tolona hikarohana ny ankizy very

Mpikatroka ny zon'ny ankizy Betty Anne Blaine, izay mavitrika ao amin'ny GMCN nandritra ny taona maromaro ny fikambanany tsy miankina Henoy ny Tomanin'ny Ankizy [20], nanampy hoe:

Betty Ann Blaine: raha mba nanana izany tamin'ny fahaverezan'i Ananda isika, angamba mety mbola velona izy ankehitriny! Fiarahamiasan'ny  #AnandaAlert [18] Facebook-OCR

Richard Dean, rain'i Ananda, nanana teny farany:

Richard Dean, rain'i Ananda: “Mba mailo, mitandrema & hevero fotsiny fa zanakao manokana izany – ka hanampy olona ianao.” #AnandaAlert [18]