Tantara tamin'ny 11 Mey 2017
Manasoketa Ilay Mpitarika Ny Mpanohitra Ao Amin'ny Lahatsary Fandihizana Rap Mikaviavia Ireo Rosiana Misotro Ronono

Novokarin'ny fikambanana mpikatroka avy any amin'ny sisiny ao Krasnodar antsoina hoe "Fitsarana Sosialy" ny lahatsary.
Misy Ny Rindrina Manavatsava ny Sisintanin'i Meksika sy i Etazonia ka Te Hampiseho ny Momba Izany Aho
Efa misy ilay rindrina goavana sy "mahafinaritra" nampanantenain'ny mpanao politika sasany. Saingy na dia eo aza ireo fefy vy lehibe sy ny toeram-pisavana feno miaramila, tsy misy sisintany ny fitiavana.
Fotoana Iray Fanararaotra Ho An'ireo Vehivavy Ao Iràna Ny Fifidianana Monisipaly Hoavy ao Iràna
Hametraka ireo Iraniàna manoloana ny vintana ahafahany mandrafitra ny governemantany amin'ny alàlan'ny fametrahana vehivavy misimisy kokoa eo amin'ny sehatry ny politika ireo fifidianana monisipaly ho avy amin'ny faramparan'ity volana ity
Taona Fito Taorian'ny Namonoana Azy, Mbola Tavela ny Lovam-Panantenana Navelan'i Farzad Kamangar, ilay Kiorda Mpampianatra
"Fantatro fa indray andro any, ho vita rarivato ho an'ireo mpampianatra ity làlana henjana sy mikintaontaona ity ary ny fijaliana iaretanareo dia ho toy ny mariky ny voninahitra ..."
Ny “Famotsiana” Ara-tSosialy Araka izay Iainana sy Ahitàn'ilay Lasibika Afro-Kolombiàna Azy
"Ireo ankizy ho voadio ara-tsosialy nefa tsy ho tonga saina amin'izany akory no eritreretiko. Avakavahana ry zareo nefa tsy mahalala na inona na inona momba izay razambeny" . Inona no ho fiantraikany amin'ireny ankizy ireny rehefa tsy toriana ny tahàka izany?
Fanamby Ranon-tsira, Mandingana Sakafo sy #DignityStrike: Maneho Firaisankina Amin'ireo Gadra Mitokona Tsy Hisakafo Ny Palestiniana
Isan-taona isaky ny 17 Aprily, mankalaza ny Andron'ny Gadra Palestiniana ny Palestiniana ao anatin'i Palestina sy ny any am-pielezana mba hihazonana ny fankalazana sy ho fantatr'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fisarihana ny saina manoloana ny fijalian'ireo gadra Palestiniana.
Ho Fitsinjovana ny Ampitso, Namadika Ny Horonam-peo Kasety Ho Nomerika ny Firenena Voalohany ao Canada

Miaraka amin'ny fanampiana avy amin'ny tetikasa Indigitization , mitahiry amin'ny fomba nomerika ny votoatin'ny kolontsaina manankarena hita ao amin'ny horonam-peo kasety ireo vondrom-piarahamonin'ny Firenena Voalohany ao Kolombia Britanika .
Miara-miasa Amin'ny Fikarohana Ny Ankizy Very i Jamaika sy ny Facebook
Tamin'ny 1 Mey, nanomboka fiarahamiasa ny governemanta sy ny Facebook Jamaikana mba hanitatra ny fanairana momba ireo ankizy tsy hita ao amin'ny nosy - fiarahamiasa voalohany amin'ny fampiasan'i Jamaika ny media sosialy ho amin'izany tanjona izany.