Tantara tamin'ny 10 Mey 2017
Nyetflix Sy Ny Dill: Nosoniavin'i Potinina ny Lalàna Mifehy ny Tolotra Fandefasana Sarimihetsika Vahiny An-tserasera Mivantana

Mitovy kokoa amin'ny Netflix sy ny chill ny Nyetflix sy ny dill ao Rosia rehefa nanasonia ho lalàna ny volavolan-dalàna izay mametra ny fidiran'ny mpamatsy tolotra fandefasana horonantsary mivantana vahiny amin'ny tsenan'ny Rosiana i Vladimir Potinina .
WeChat? Tsy Ao Rosia.

Nakaton'ny mpanao fanampenam-bava federaly ao Rosia ny WeChat, fampiharana fandefasan-kafatra amin'ny finday lehibe indrindra avy ao Shina. Araka ny filazan'ny Roskomnadzor, tsy nahavita nisoratra anarana tao amin'ny governemanta federaly ho "mpandrindra ny fanapariahana vaovao" ny WeChat.
Avelao Izahay Hitsifitra : Tonga Any Rosia Ny Graffiti Ortodoksa

Mazàna tsy miaraka ny Eglizy Ortodoksa Rosiana sy ny zavakanto an-dalambe , kanefa nanaporofo ny zavatra naningana tamin'izany fomba fijery izany ny fiaraha-miasa vao haingana teo amin'ny mpanakanto an-dalambe sy ny Pretra any amin'ny faritany iray.
Fampielezankevitra Mampididoza ao Makedonia Mikendry ireo Masoivoho Tandrefana
"Misy vokany mampididoza ny fankahalàna vahiny, sa tsy izany? Noho izany, atsaharo ny fanelezana azy io!"
Mpikatroka Breziliana Ao Anatin'ny Tsy Fahatsiarovan-tena Rehefa Nodarohan'ny Polisy Kibay Nandritra ny Fihetsiketsehana Ny Lohany
Nampidirina hopitaly notsaboina vonjimaika tamin'ity herinandro ilay mpianatra Breziliana 33 taona, rehefa nodarohan'ny polisy tamin'ny kibay ny lohany nandritra ny fihetsiketsehana tao an-tanànan'i Goiânia tamin'ny Zoma, izay an-tapitrisany ny olona nanatevin-daharana ny fitokonana manerana ny firenena ho fanoherana ny fanavaozana ny fitsitsiana.