Fomba Telo Iezahan'ny Governemanta Rosiana Ifehezana ny Aterineto

Sioka malaza indrindra ao amin'ny tontolon'ny twitter Rosiana. Sary namboarin'i Kevin Rothrock.
Ity manaraka ity dia dikantsoratr'ilay mpanao gazety Rosiana Darya Luganskaya. Novaina ho mazava kokoa sy ny halavany ny lahatsoratra. Afaka mamaky ny lahatsoratra orizinaly ato ianao.
“Noforonin'ny CIA ho tetikasa manokana ny aterineto, ary mivoatra araka izany” hoy i Vladimir Potinina telo taona lasa izay tamin'ny herinandro teo. Nanomboka teo, vao mainka nihena ny fitokisan'ny manampahefana Rosiana ny aterineto.
Na dia teo aza izany laza ratsy eo amin'ny manampahefana izany, manan-danja amin'ny toekarenan'ny firenena kosa ny lafiny ara-barotra ao amin'ny aterineto Rosiana, mahasahana ny 1,35 arivo miliara robla (23,7 miliara dolara), na 2,4 isanjaton'ny harin-karena faobe Rosiana izy tamin'ny taona 2015, araka ny antontanisa avy amin'ny Fikambanana Rosiana misahana ny Fifandraisana Elektronika (RAEC). Raha mieritreritra marina “hitondra filaminana” ho an'ny aterineto ny manampahefana, izay nolazain'izy ireo fa iriany tokoa, dia ho ezaka tena lafo vidy izany. Nahafantatra fomba telo ny OpenEconomy mety ho azon'ny manampahefana atomboka “hamerenana ny filaminan'ny aterineto” amin'ny taona ho avy .
1. Fanarahamaso Feno Tanteraka
Amin'ny 1 Jolay 2018, hanan-kery amin'izay ny ampahany faharoa amin'ilay antsoina hoe «fonosana Yarovaya», fitambarana lalàna miady amin'ny fampihorohoroana novolavolain'ilay solombavambahoakan'ny “Duma”-m-panjakana, Irina Yarovaya, izay mampandroso fomba vaovao amin'ny fitehirizana sy famantarana ny fifamoivoizana amin'ny aterineto. Hoterena hitahiry ny firaketana an-tsoratra amin'ny antso an-tariby sy ny hafatry ny mpiserasera, ary ireo tahiry rehetra amin'ny fifamoivoizana amin'ny aterineto koa (vaovao momba izay nitsidika tranonkala, sy ny fotoana nitsidihana izany) tao anatin'ny enimbolana ireo mpamatsy tolotra, anisan'izany ny MTS, MegaFon, Beeline sy Rostelecom. Tsy maintsy omena ny sampan-draharahan'ny fiarovana izany torohay izany rehefa mitaky izy ireo.
Tena mandany vola be ny fitehirizana izany torohay izany: Manombana ny TMT Consulting fa andanian'ny tsenan'ny fifandraisandavitra Rosiana vola mitentina eo amin'ny 1700 miliara robla (29,8 miliara dolara) izany amin'ny taona 2018. Miresaka amin'ireo sampan-draharahan'ny fiarovana momba ny fomba hampihenana ny fanapariahana ny fitehirizana ho avo folo heny ny minisitry ny fifandraisandavitra, saingy mbola ho goavana kokoa ny fandaniana.

Mpandray anjara tamin'ny Fandraharahana amin'ny aterineto tao amin'ny Forum Rosia tamin'ny taona 2014. Sary: Kremlin.ru
Teren'ny fitsipika handefa ny tenimiafina amin'ny fanafenan-tsoratra any amin'ny FSB (Sampan-draharahan'ny Fiarovana Federaly) ihany koa ny mpamatsy tolotra aterineto rehefa takiana aminy izany raha tsy izany mety hiharan'ny fandoavana onitra, na dia tsy mazava tsara aza hoe an'iza ary inona no tenimiafina tian'izy ireo takiana. Nitatitra kosa ny Kommersant tamin'ny volana Septambra fa miezaka mitady fomba hamahana ny fifamoivoizana rehetra amin'ny aterineto ao Rosia ny FSB amin'ny fampiasana ny Fonosana Fanarahamaso Lalina ( Deep Packet Inspection )(DPI), na dia eo aza ny zava-misy fa tsy dia mahomby izany raha mampiasa arofeni-piarovana https ny tranonkala, nefa maro amin'ireo tranonkala Rosiana lehibe no mampiasa izany.
Nanomboka tamin'ny volana Septambra 2015, noterena hotehirizina ao amin'ny tany Rosiana izany torohay rehetra manokana momba ny tena izany, manery ny orinasa vahiny hanontany raha te hanohy hiasa ao Rosia izy ireo na tsia. Tsy mora vidy ny lohamilina fanampiny, ary mety ho lafovidy ho an'ny mpiseraseran'izy ireo sy ny lazan'izy ireo manerantany ny fiantraikany ara-politika amin'ny fanapahan-kevitra tahaka izany.
Tamin'ny volana Novambra 2016, nakatona tao Rosia ny Linkedln noho ny fanitsakitsahana izany baiko izany. Saingy mety hiova izany – araka ny filazan'i Andrei Soldatov, mpiara-mpanoratra ny “Ny Ady hiarovana ny RuNet”, fantatra amin'ny fiarahamiasa amin'ny manampahefana Rosiana ny Microsoft, havan'ny orinasa LinkedIn. Voalaza, ohatra, fa nanome kaody ho an'ny manampahefana Rosiana ny Windows mba ahafahan'ny governemanta manohy mampiasa ny fitaovany. Toa mampitombo ny mety hanokafana ny LinkedIn ao Rosia izany amin'ny fotoana mety.

Ny fiafaran'ny LinkedIn ao Rosia?
Efa ela ny Twitter no tsy nety nanaraka ity lalànan'ny fangitra tahiry ity, na dia nilaza aza ny orinasa fa eo am-pandinihana ny politika azo antoka ho an'ny mpiserasera Rosiana, ary mety handinika indray ny “toerana hitehirizany ny tahirin'ny mpiserasera Rosiana izay manana fifandraisana ara-barotra amin'ny maha-mpanao dokambarotra ao amin'ny sehatra.”Nanao fanambarana mitovy amin'izany koa ny rafitra fandefasan-kafatra Viber sy ny fampiharana Uber.
Mihevitra i Soldatov fa tsy hanome torohay manokan'ny mpiserasera any amin'ny manampahefana izany ny Facebook sy Google. Mbola tsy nandrahona hanakatona azy ireo ny Roskomnadzor, mpandrindra lehibe ny RuNet, ary nilaza koa i Soldatov fa tsy ho ampidirina ao anatin'ny lisitry ny orinasa hanaovana fanamarinana fanarahan-dalàna matetika izy ireo.
Nandray fepetra tahaka izany ny firenena sasany mba hifehezana ny aterineto, hoy i Rose Dlougatch tamin'ny Open Economy, Dlougatch dia mpiandraiki-draharaha zokiny ao amin'ny Freedom House, izay mamoaka isan-taona ny filaharan'ny fahalalahan'ny aterineto manerana izao tontolo izao. “Ao Torkia, tsy nahazo fahazoan-dalana intsony ny PayPal noho ny fandikana ny lalànan'ny fangitra. Nilaza kosa ny manampahefana Iraniana fa tsy maintsy hitahiry ny angon-drakitra ao anatin'i Iran tsy ho ela ny tolo-pifandraisana. Tany am-piandohan'ny taona 2016, nolaniana tao Kazakhstan ny lalànan'ny fangitra tahiry tahaka izany. Noho izany, azon'ny manampahefana idirana ny torohain'ny olom-pirenena ary natosika hiala teo amin'ny tsena eo an-toerana ny sehatra vahiny,” hoy i Dlougatch nanazava.
2. Manakana Tranonkala
Tamin'ny taona 2012, nanomboka nieritreritra ny manampahefana Rosiana amin'ny rafitra ahafahan'izy ireo mifehy ny aterineto—”fampidirana anaty lisitra mainty” ny tranonkala. Tafiditra ao anatin'ny lisitry ny governemanta misy ireo tranonkala voaràra noho ny fandikana ny iray amin'ireo lalàna mifehy ny votoaty an'aterineto (tahaka ireo fandraràna ny fampielezan-kevitra momba ny famonoan-tena sy ny zava-mahadomelina, na ireo mandràra ny antso hanaovana hetsika mitrifana na fampihorohoroana), nakatona ny tranonkala, matetika tsy misy fandinihana ara-pitsarana. Ny tapaky ny Aprily 2017, nanisa tranonkala 4 tapitrisa mahery voakatona tamin'izany fomba izany ny tranonkalam-baovao Roskomsvoboda misahana ny fahalalahana maneho hevitra.
Imbetsaka nandrahona hanakatona tranonkala lehibe toy ny YouTube, Reddit, Vimeo, ary Wikipedia ny Roskomnadzor (ary efa notapahana nandritra ny ora maro ny fidirana tamin'ireo tranonkala ireo). Saingy tsy mahakasika ny tranonkala iray manontolo ireo fampitandremana ireo, fa mikasika pejy manokana sasantsasany izay, araka ny filazan'ny manampahefana ho nandika lalàna iray. Raha mampiasa ny arofeni-piarovana https ny tranonkala, dia tsy afaka manakana pejy iray ihany ny mpamatsy tolotra, izay midika fa tsy maintsy manakatona tranonkala iray manontolo mandra-paha tapa-kevitry ny tompony hanaisotra ny votoaty voalaza.
Azo atao ny miditra amin'ny tranonkala voaràra amin'ny alalan'ny fampiasana ny fitaovana tsy itononana anarana tahaka ny tolotra VPN izay manafina ny adiresy IP anao, ka mahatonga anao tahaka ny mitsidika tranonkala ho avy ao Angletera fa tsy avy ao Rosia. Mavitrika mampiasa izany fitaovana tsy itononana anarana izany ny Rosiana. Ohatra, ny Amerikana ihany no mampiasa ny fitaovana tsy itononana anarana malaza Tor mihoatra noho ny Rosiana, ary efa ho 12 isanjato ny mpanjifa ny Tor no hita ao Rosia.
Tamin'ny faran'ny volana Aprily 2017, nitatitra momba ny tetkasan'ny Roskomnadzor mikendry hanakana ny fidirana amin'ny fitaovana ahafahan'ny mpiserasera mitsidika tranonkala voasakana ny Vedomosti. Na izany aza, azo sorohana tsy ho voasakana ny tolotra, raha manapaka am-panahy iniana ny fidiran'ny mpiserasera amin'ny tranonkala ao anatin'ny “lisitra mainty” ny Roskomnadzor ry zareo. Mandidy ny milina fikarohana mba hanakana ireo tranonkala voasakana tsy hiseho eo amin'ny voka-pikarohana ihany koa ny volavolan-dalàna. Azo saziana handoa onitra hatramin'ny 700.000 robla izy ireo raha tsy manaraka ny didy.

Sary: Pixabay sy ny Sampan'ny gazety Kremlin, novain'i Kevin Rothrock.
Ny tanjon'ity tetikasa ity dia ny hametrahana fa tsy ara-dalàna ny manodina sakana sy mba hanakanana ny fitaovana lehibe tsy itononana anarana. Na izany aza, tsy mbola lasa ny fitaovana tsy itononana anarana.
Nitatitra ihany koa ny Vedomosti fa raha tokony tsy hanakana ireo tranonkala manokana ireo, azo raisina ny fepetra ho an'ny mpiserasera hanasarotana ny fidiran'izy ireo amin'ny tranonkala, ohatra ny fampandehanana ny tranonkala miadana kokoa. Saingy ho sarotra tanteraka sy lafo vidy ny manatanteraka izany. Araka ny filazan'ny Ivo-toeram-pikarohana momba ny aterineto, mitaky fitaovana manokana mety hitentina 5 miliara dolara ny mamolavola sy mampihatra ny famerana ny zotra eo amin'ny mpiserasera.
3. RuNet Mizakatena
Farany, miezaka mandamina ilay antsoina hoe “fotodrafitrasa sarotra” ao amin'ny RuNet i Rosia—toerana fifanakalozana an'aterineto amin'ny firenen-kafa sy ny anaran-tsehatra .ru sy .рф.
Roa taona lasa izay nandritra ny fivoriana tao amin'ny Vaomieran'ny Fiarovana Rosiana, nandidy ireo sampam-panjakana mba handinika ny fomba hihazonana ny fitoniana ao amin'ny RuNet i Potinina raha toa ka tafasaraka amin'ny any ivelany izany. Ary tamin'ny faran'ny taona teo, niresaka momba ny lalàna mikasika ity lohahevitra ity mihitsy ny Minisitry ny Fifandraisana sy ny FSB.
Manolo-kevitra hitondra ny zotra mankany amin'ny Rafi-Baovao Tokana an'ny Governemanta ny Minisitera, izay nolazain'ny Vedomosti fa ilaina hamantarana ny toerana misy manao zavatra amin'ny aterineto. Manolo-kevitra ihany koa ny minisitera hamindra ny toerana ifanakalozana amin'ny aterineto ho eo ambany fifehezan'ny fitantanan-draharahan'ny orinasa Rosiana irery. Farany, te-hampiditra fitsipika ihany koa ny minisitera izay mandidy fa ny mpitantana rafitra anaran-tsehatra nasionaly dia andrim-panjakana rosiana ara-dalàna sy andry mpanatanteraka manana fahefana amin'ny fifandraisana—izany hoe ny Minisitera tenany ihany.
Ny FSB, mandritra izany fotoana izany, dia nanolotra fanovana tao amin'ny fehezan-dalana famaizana [misahana ny heloka bevava] noho ny fahapotehana na fandrahonana ny fototrafitrasa ara-torohay iankinan'ny aindehiben'ny firenena—ahitana fanasaziana hatramin'ny 6 taona an-tranomaizina.
Ireo tolokevitra ireo dia samy tratran'ny tsikera henjana. Nanohitra ny planin'ny FSB ny Microsoft sy ny Cisco, ary mbola tsy nankatoavin'ny RAEC na ny komitin'ny manam-pahaizana ao amin'ny governemanta ny tolo-kevitry ny Minisiteran'ny Serasera. Tsy mbola misy lasa lalàna ireo tolo-kevitra ireo.
Sokajy

Atombohy ny resaka


Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Febroary 2021 45 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...