- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fianjeran'ny Bus Iray Nahafatesana Ankizy Am-polony Tany Tanzania Avaratra

Sokajy: Afrika Mainty, Tanzania, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tanora, Vaovao Mafana, Voina
[1]

Fandehanana Bus mankany Arusha, ao Tanzania. Saripikan'i Jerry Michalski, CC BY-SA 2.0.

Nidoboka tany amin'ny renirano tao Arusha, Tanzania avaratra, ny bus iray mitondra olona 40, ary mpianatry ny fanabeazana fototra sy ny mpampianatra ary ireo no ankamaroan'ireo, ary farafahakeliny 31 no maty, araka ny tati-baovao [2].

Nilaza [3] ny Associated Press taty aoriana fa 35 ny fitambaran'ny isan'ny maty, ka ankizy ny 32 amin'izany, manonona ny fanambarana avy amin'ny manampahefanan'ny polisy.

Teo ampanaovana dia an-tsaha ny mpianatra, nitsidika sekoly iray tao Karatu, distrika iray ao amin'ny faritra, ary avy eo nokinasa ny handray fiara ho any amin'ny toerana voajanahary mahafinaritra indrindra eto amin'izao tontolo izao [4], ny Tevan'i Ngorongoro, hoy [5]ny Daily News, gazety iray ao an-toerana.

Tsy tonga saina mihitsy ry zareo. Manoritsoritra sehatra saro-tantaraina ireo nanatri-maso. Rehefa nandingana ny tanàna itatry ny havoanan'i Rhotia ny bus, nihamafy teo am-pidinana mankany amin'ny ampahan-dalana fantatra hoe ‘Kwa-Karani’, hitan'ny nanatri-maso ilay fiara nitsimbadimbadika ary nitontona teo ankadilalan'ny reniranon'i Marera, tao Karatu, araka ny nolazain'ny Daily News. Nampiely ny sary mampihoron-koditry ny fiara rotidrotika ny media sosialy.

Alahelo amin'ny ankizy 30 ahiana ho namoy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana.

“Maro dia maro ireo mpianatra matiny,” hoy [9] i Theresia Mahongo, Mpiadidy ny distrikan'i Karatu tamin'ny The Citizen, gazety iray tao an-toerana.

Nilaza ny filoha John Magufuli fa “tohina” sy “nalahelo” tamin'ny fandrenesana ny vaovao. Nanapaka tarangana ny nofinofin'ireo ankizy eo am-pifakarakana ny fanompoana ny tanindrazana indrindra izao loza izao, hoy izy [10] tao amin'ny fanambarana iray:

“Muhimu kwa sasa tuwaombee marehemu wote wapumzishwe mahali pema, majeruhi wapone haraka na wote walioguswa na msiba huu wawe na moyo wa subira, ustahimilivu na uvumilivu katika kipindi hiki kigumu” Amesema Mhe. Rais Magufuli.

Ny zava-dehibe tokony atao amin'izao fotoana izao indrindra dia ny mivavaka ho an'ireo maty mba handry am-piadanana, mivavaka ho an'ireo maratra mba ho sitrana haingana ary ho an'ireo rehetra tratran'ny voina, hanam-paharetana sy fikirizana ao anatin'izao fotoan-tsarotra izao anie ny fony.

Misy ihany koa ny tatitra milaza fa efa nandefa ny fiaraha-mioriny tamin'ireo tratran'ity voina ity ihany koa ny filohan'i Kenya, Uhuru Kenyatta:

Miantso fotoam-pahanginana ho fanomezam-boninahitra ireo mpianatra miisa 30 namoy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana tao Tanzania ny filoha Kenyatta, nandefa ny fiaraha-mioriny.

Maro ny mpiserasera nizara ny alahelony tao amin'ny Twitter:

Mahonena ny mandre fivarinan'ny bus ao Tanzania izay nahafatesana mpampianatra sy ankizy

Manana ny taha anisan'ny ambony indrindra eo amin'ny fahafatesana vokatry ny lozam-pifamoivoizana [14] i Tanzania eto Afrika, araka ny tatitra [15] ankapobeny navoakan'ny sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) tamin'ny taona 2015 miompana amin'ny [lozam-pifamoivoizana]:

Tamin'ny taona 2015, manakaiky ny 3600 ny isan'ny olona matin'ny lozam-pifamoivoizana, nisy fihenana ihany izany raha nampitahaina tamin'ny taona teo alohany izay nanakaiky ny 3900 ny maty araka ny tatitra [16].