- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiainana Isan'Andro ao Tokyo Avoakan'ny Mpakasary Iray

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina
Lee Chapman Photo [1]

Mpiasan'ny tsenan'ny trondro, Tokyo, Japan (sary tsy nanana lohateny na anarana). Saripikan'i Lee Chapman / Tokyo Times [1]. Nahazoana alalana.

Mpakasary an-dalambe mavitrika mandrakitra ny fiainana ao Tokyo i Lee Chapman. Raha maka sary ho an'i Guardian, Economist, Daily Mail ary ireo famoahana hafa i Chapman, dia mitazona rakitsary an-tseraserra antsoina mahatra hoe portfolio [2] izy, voafahana intelo isan-kerinandro ihany koa ny blaoginy Tokyo Times [3].

Adim-piainana isanandro

Nonina tao Japan hatramin'ny taona 1998 i Chapman. Ny fikasany voalohany dia hoe herintaona na roa taona ihany no hitoerany, saingy ankehitriny milaza izy fa i Japan no fonenany. Araka ny antsafa vao haingana hita an-tserasera [7], milaza i Chapman fa mampiasa Leica M8 Rangefinder [8] — ity fakantsary kelikely ity no ahafahany manatona ny zavatra jereny — ary nisy vaikany tamin'ny asany.

Raha mandrakitra fiainana ao sy manodidina an'i Tokyo i Chapman, dia nahazo sary haikyo,   karazana fakana sary mandrakitra ny faharavana tsikelikely amin'ny tranobe ao Japana sy any an-kafa nilaozana.

Sary vaovao: fahanginan'ny tanànakely japoney nilaozana

Nanampy toko amin'i Japan nilaozana ao amin'ny portfolio ihany aho ny farany.

Tokyo konka, mirodana sy nilaozana

Ahitana ny karazan-javatra isan-karazany araka izay mahaliana ny tsirairay ihany koa ao amin'ny bilaogin'i Chapman, ary tafiditra amin'izany ny sarintava amin'ny fomba ofisialy:

Pretra Shinto: Sarintava miloko

Ary ny zavatra mahafinaritra indrindra, dia ahitana seha-piainana andavanandro ao Japan ny bilaogin'i Chapman, ny sasany amin'ireo moa dia mety ho tsy taza-maso intsony :

Fivarotana fanorotoroam-bary nentin-drazana ao Tokyo [toa mitovy endrika amin'ny mofogasy]

Noho ny fahavitrihan'i Chapman tokoa, dia mety ho sarotra ny itadiavana ny toerana hanombohana ny famakivakiana ny sariny, Soa ihany fa efa nandahatra ny “sary nankafiziny indrindra tamin'ny taona 2016 [23]” izy, izay toerana tsara isantarana ny fijerena ny saripika an-dalambe nataony.

Raha liana amin'ny antsipirian'ny teknika fanaovany ny saripikan'i Chapman ianao, dia misy ny antsafa iray mahafinaritra nifanaovany tamin'ny mpakasary iray hafa monina ao Japan Martin Bailey [24], mpakasarin'ny natiora sy ny fiainam-biby mpirenireny.

Vao namoaka ny antsafa an-dahatsary iray nifanaovana tamin'i Lee Chapman, mpakasary an-dalambe na i @tokyotimes [25] aho. Lahatsary sy ny rohy:

Ankilan'ny blaogy sy portfolio an'i Chapman, ny saripikany dia mety ho hitanao ao amin'ny Tokyo Times Instagram [29] sy ny Kaonty Twitter [25].