Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fiainana Isan'Andro ao Tokyo Avoakan'ny Mpakasary Iray

Lee Chapman Photo

Mpiasan'ny tsenan'ny trondro, Tokyo, Japan (sary tsy nanana lohateny na anarana). Saripikan'i Lee Chapman / Tokyo Times. Nahazoana alalana.

Mpakasary an-dalambe mavitrika mandrakitra ny fiainana ao Tokyo i Lee Chapman. Raha maka sary ho an'i Guardian, Economist, Daily Mail ary ireo famoahana hafa i Chapman, dia mitazona rakitsary an-tseraserra antsoina mahatra hoe portfolio izy, voafahana intelo isan-kerinandro ihany koa ny blaoginy Tokyo Times.

Adim-piainana isanandro

Nonina tao Japan hatramin'ny taona 1998 i Chapman. Ny fikasany voalohany dia hoe herintaona na roa taona ihany no hitoerany, saingy ankehitriny milaza izy fa i Japan no fonenany. Araka ny antsafa vao haingana hita an-tserasera, milaza i Chapman fa mampiasa Leica M8 Rangefinder — ity fakantsary kelikely ity no ahafahany manatona ny zavatra jereny — ary nisy vaikany tamin'ny asany.

Raha mandrakitra fiainana ao sy manodidina an'i Tokyo i Chapman, dia nahazo sary haikyo,   karazana fakana sary mandrakitra ny faharavana tsikelikely amin'ny tranobe ao Japana sy any an-kafa nilaozana.

Sary vaovao: fahanginan'ny tanànakely japoney nilaozana

Nanampy toko amin'i Japan nilaozana ao amin'ny portfolio ihany aho ny farany.

Tokyo konka, mirodana sy nilaozana

Ahitana ny karazan-javatra isan-karazany araka izay mahaliana ny tsirairay ihany koa ao amin'ny bilaogin'i Chapman, ary tafiditra amin'izany ny sarintava amin'ny fomba ofisialy:

Pretra Shinto: Sarintava miloko

Ary ny zavatra mahafinaritra indrindra, dia ahitana seha-piainana andavanandro ao Japan ny bilaogin'i Chapman, ny sasany amin'ireo moa dia mety ho tsy taza-maso intsony :

Fivarotana fanorotoroam-bary nentin-drazana ao Tokyo [toa mitovy endrika amin'ny mofogasy]

Noho ny fahavitrihan'i Chapman tokoa, dia mety ho sarotra ny itadiavana ny toerana hanombohana ny famakivakiana ny sariny, Soa ihany fa efa nandahatra ny “sary nankafiziny indrindra tamin'ny taona 2016” izy, izay toerana tsara isantarana ny fijerena ny saripika an-dalambe nataony.

Raha liana amin'ny antsipirian'ny teknika fanaovany ny saripikan'i Chapman ianao, dia misy ny antsafa iray mahafinaritra nifanaovany tamin'ny mpakasary iray hafa monina ao Japan Martin Bailey, mpakasarin'ny natiora sy ny fiainam-biby mpirenireny.

Vao namoaka ny antsafa an-dahatsary iray nifanaovana tamin'i Lee Chapman, mpakasary an-dalambe na i @tokyotimes aho. Lahatsary sy ny rohy:

Ankilan'ny blaogy sy portfolio an'i Chapman, ny saripikany dia mety ho hitanao ao amin'ny Tokyo Times Instagram sy ny Kaonty Twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.