Nandroaka Mpiasam-Panjakana Miisa 10 000 Noho ny Fanamboamboarana Diplaoma ny Filohan'i Tanzania

Ny filohan'i Tanzania, John Magufuli , mikabary amin'ny tangoron'olona nandritra ny fankalazana ny fetin'ny voalohany volana mey 2017. Sary ho an'ny gazety avy amin'ny Lapam-Panjakana.

Tamin'ny andro fanombohan'ny volana mey, andro ialan'izao tontolo izao sasatra hanomezam-boninahitra ny mpiasa ao aminy, no nanalan'ny governemantan'i Tanzania baraka mpiasam-panjakana anarivony ao amin'ny firenena.

Tamin'ny 28 Aprily, nomen'ny Filoha John Magufuli ny baiko androahana eo noho eo ny mpiasam-panjakana miisa iray alina eo ho eo rehefa hita tamin'ny fanadihadiana fa mitazona toerana noho ny fanamboamboarana mari-pahaizana tsy nananany akory ny sasantsasany amin'ireo mpiasan'ny governemanta ireo.

“Mpangalatra tahaka ny mpangalatra hafa ihany koa izy ireo,” araka ny notsongaina ho nolazain'i Magufuli. “Mety ho nigadra fito taona araka ny nolazain'ny lalàna izy ireo.”

Sari-itatra namboarina ho an'ny anio

Tonga izao fanadiovana izao herintaona taorian'ny nahitan'ny governemanta fa manary shillings amina miliara isan-taona amin'ny “mpiasa matoatoa” amin'analiny izy.

Hita ao amin'ny tatitra, izay nanamarina ny fahamarinan'ny mari-pahaizana eo amin'ny mpiasan'ny governemanta miisa 450.000, fa ny any amin'ny kaominina no mitari-dalana amin'ny isan'ny mpiasam-panjakana nanamboatra diplaoma amin'ny isa 8 716. Arahin'ny sampan-draharaham-panjakana tahaka ny Oniversiten'ny Fambolena ao Sokoine nahatrarana olona manana mari-pahaizana faikany miisa 33 sy mpiasan'ny Fiaraha-miasan'ny Lalambin'i Tanzania nahatrarana olona manana mari-pahaizana faikany miisa 24 izany.

Vaovao ‘Safi sana’

Tsy ela dia nifampizarana an-tserasera izany vaovao izany.

Misy ny olona sasany naneho ny fangorahana ireo mpiasam-panjakana voaroaka, mangaaka amin'Andriamanitra ny hanomezana tanjaka ireo nanana mari-pahaizana faikany ireo.

Manopy maso fotsiny ireo anarana mivezivezy ao amin'ny WhatsApp saingy mahavaky fo ny zavatra tahaka izao ary mety hisy fiantraikany any amin'ny saina. Hanome tanjaka ho an'ireo nitazona mari-pahaizana faikany anie Andriamanitra.

Ny hafa kosa manatsipotipotika hanihany momba izany zavatra rehetra izany.

Manomboka amin'ny talata ho avy izao, raha mahita mpiasam-panjakana tsy mandeh amiasa ianao, fa iara-milalao amin'ny ankizy ao an-trano izy, dia aza manontany zavatra betsaka loatra!

Amin'ny ankapobeny dia nahazo “poa sana” (tena tsara), “safi sana” (tena mahafinaritra) maro ny vaovao satria finaritra amin'ny fandraisana andraikitra amin'ity karazn'olona ity ny olona. Eny fa na dia ny filoha teo aloha Benjamin Mkapa aza dia niseho ampahibemaso nanohana ny hetsika nataon'i Magufuli, nilaza fa “tara” ny fanapahan-kevitra.

‘…tia manome asa ho an'ny fianakaviany ry zareo…’

Mazava loatra fa misy ny olona nandray ny raharaha tsy ho zavatra maivana.

Nankao amin'ny Twitter i Hery Ayubu mandresy lahatra amin'ny tokony hametrahana vaomiera mahaleotena hanapa-kevitra amin'ity raharaha ity.

Tokony hisy vaomiera mahaleotena ajoro hihaino ny fitarainan'ny mpiasa nanana ny mari-pahaizana faikany. Tsy afaka mitsara ny raharahany ihany ny governemanta.

Mandritra izany fotoana izany, nisioka ny antoko iray ao amin'ny fanoherana, Alliance for Change and Transparency (ACT na Fiarahan-Dia ho amin'ny Fiovana sy ny Mangarahara), fa na dia manohana ny fitarihan'ny governemanta iadiana amin'ny mari-pahaizana hosoka aza ry zareo, dia nanontany ry zareo fandrao lasa lavitra loatra ny fampiharana.

Ny raharaha faharoa izay tsy mety dia ny fanambaran'ny Minisitra Angellah Kairuki fa tsy nahatafidirana politisiana na ny tinendrin'ny governemanta ny raharaham-panamarinana mari-pahaizana.

Nanolo-kevitra ny antoko fa nataon'ny governemanta izay hiarovana ireo olona notendreny.

Ny tsy nampidirana ny olo-malaza ara-politika amin'ny asam-panamarinana fahaizana no porofo fa mitolona mafy ny governemanta hiaro ireo sasantsasany amin'ny notendren'ny filoha.

Nanaiky ny nolazain'ny tatitra i Felix Milinga fa ny any amin'ny distrika sy ny kaominina no tena ahitana ny mpanitsakitsa-dalàna be indrindra, mandresy lahatra fa ny kiantranoantrano no amaritan'ny olona ny fahazoana ny asam-panjakana.

Ny eo amin'ny sehatry ny distrika no mitari-dalana tamin'ny fanaovana mari-pahaizana hosoka noho ny fitiavan-dry zareo manome asa ho an'ny fianakaviany na ireo izay fantany fa tsy mijery ny fahaiza-manaon'ireo kandidà mandray anjara

‘[Hodarohana] ihany koa ve ny ao amin'ny rafi-panabeazana tsy mahavokatra tsara?’

Ny fanehoan-kevitra malaza indrindra amin'ity raharaha ity angamba dia avy amin'i Issa Shivji, profesoran'ny lalàna, izay nanao fanadihadiana amin'izay ho ataon'ny governemanta iadiana amin'ireo manana mari-pahaizana ara-dalàna fa faikany kosa ny fanabeazana.

Avy eny anjoron-dalambe: Voaroaka/voadaroka ireo nitazona mari-pahaizana hosoka. Fa ahoana kosa ny amin'ireo manana mari-pahaizana manankery fa faikany ny fanabeazana? [Hodarohana] ihany koa ve ny rafi-panabeazana tsy mahavokatra tsara?

Nanolo-kevitra ny Dr Hellen Kijo-Bisimba, tale mpanatanteraky ny Foiben'ny Lalàna sy ny Zon'Olombelona, fa amin'ny manaraka tokony hanome antoka ny governemanta fa tsy tokony horoahina ireo olona manana mari-pahaizana hosoka.

“Tokony any amin'ny fitsinjovana mialoha no anaovana ny ady amin'ny mari-pahaizana faikany. Tokony hisy ny rafitra apetraka hiantohana fa tsy tokony hisy olona ampiasaina rehefa nanamboamboatra mari-pahaizana ry zareo,” hoy i Kijo-Bisimba tamin'ny The Citizen, gazety iray ao an-toerana mivoaka amin'ny teny anglisy.

Eo amin'ny sehatra iraisampirenena, misy ireo olona midera ny nataon'i Magufuli ary mampitaha ny olan'ny mari-pahaizana faikany amin'ny an'ny firenen-kafa. Misy fanehoan-kevitra mivoaka ao amin'ny pejy Facebook an'i BBC Africa no mitehaka amin'ny hetsika nataon'ny filoha Tanzaniana. “Nanao ny asa tokony natao indrindra ny filoha,” hoy i Chimwemwe Tembo, izay milaza amin'ny momba azy ho avy ao Malawi :

Its indeed bad development. I head that even some degrees are fake. The president has done a very recommendable job. Let those who fought for papers secure jobs. In Malawi if that happens, then its on rare cases but many of us, we use genuine papers

Fivoarana ratsy tokoa io. Mieritreritra aho fa misy aza ny mari-pahaizana no faikany. Nanao ny asa tokony natao indrindra ny filoha. Avelao ireo niady hahazoana diplaoma ho voaantoka ny asany. Aty Malawi raha mitranga izany dia vitsivitsy kokoa ny tranga, fa ny maro aminay no mampiasa taratasy tena izy

Mientanentana ao anatin'ny fiderana ihany koa i Gezahegn Arebo, avy ao Ethiopia:

Well done, Mr. President! This is mostly an African problem,but the leaders arent willing to solve it; they are fake themselves!

Mety tsara ny nataonao Atoa Filoha! Tena olana Afrikana tokoa io amin'ny ankapobeny saingy tsy marisika amin'ny hamahana izany ny mpitarika; ry zareo aza no faikany koa!

Mampihevitra ny fahamaroan'ny mari-pahaizana namboamboarina sy ny setriny avy amin'ny vahoaka fa olana lehibe ity raharaha ity ao Tanzania. Azo heverina fa ny fahadisoam-panabeazana sy ny rafitra fampidirana mpiasa miaraka amin'ny tsy firaharahiana ny kiantranoantrano no nitazona ity olana ity tany amin'ny miafina nandritra ny taona maro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.