- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Volavolan-dalàna Mety Hitakiana Amin'ireo Ejiptiana ny Hanoratany Ny Anarany Any Amin'ny Fanjakana Rehefa Mampiasa Media Sosialy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Sary tao amin'ny Pixabay ary novàn'ny Global Voices. Navoaka ho an'ny daholobe ary nampiasàna ny lisansa CC0.

Tsy ela akory izay, nandany [1] volavolan-dalàna iray momba ny “fandrindràna ny fampiasàna sy fitrandrahana ny tambajotranà media sosialy” ireo solombavambahoaka enimpolo mpikambana ao amin'ny antenimiera.” Raha lanin'ny antenimiera, mety hitaky amin'ireo mpampiasa media sosialy ilay lalàna mba hisoratra anarana any amin'ny manampahefana hahafahany mampiasa ireo tranonkala ao amin'ny media sosialy, isan'izany ny Facebook sy Twitter.

Ilay lalàna dia hametraka departemanta iray hisahana ny fanomezana alàlana ireo olompirena hampiasa ny media sosialy. Ato anatin'ny enina volana manaraka ny fandaniana ilay lalàna, tsy maintsy hisoratra amin'ny tena anarany miaraka amin'ny karapanondrony any amin'ilay departemanta misahana ny tranonkala ireo mpampiasa mba ho afaka hampiasa tambajotra amin'ny media sosialy. Ny tsy fahavitàna izany dia mety hitondra amin'ny fanasaziana hatramin'ny enina volana an-tranomaizina sy fandoavana sazy ara-bola.

Ilay volavolan-dalàna misy toko enina, izay naelin'ny mpilaza vaovao ao an-toerana, isan'izany ny  Youm7 [2] sy ny Egypt Independent [1], dia mamaritra ny media sosialy ho toy ny “fampiharana rehetra izay miasa amin'ny alalan'ny aterineto sy ampiasaina hifandraisana amin'ny hafa amin'ny alàlan'ny feo, hafatra an-dahatsary sy soratra.”

Tsy mazava ny fomba mety hampiharana ilay lalàna raha vantany vao lany, satria ilay volavola tsy milaza mihitsy ny fomba mety hataon'ireo manampahefana Ejiptiana hanerena ny fisoratana anaran'ireo mpampiasa na hitsongoana ireo izay tsy misoratra anarana, indrindra fa hoe tsy ananan'ny governemanta Ejiptiana amin'izao fotoana izao ny fahafahana handrindra ireo orinasanà media sosialy amin'io ambaratonga io. Fa ny mpanohana ilay volavolan-dalàna, ny solombavambahoaka Riyad Abdul Sattar, nilaza tamin'ny [3] Al-Monitor [3] hoe hahazo solonanarana sy tenimiafina avy amin'ny ministeran'ny fampahalalambaovao ireo mpampiasa voasoratra anarana, mba “hahafahany mandingana ny rindrina fibahanana ny Facebook.”

Mety midika izany fa miomana ny hanangana rindrina mahenika ny firenena i Ejipta mba hamefena ny -facebook, amin'ny alàlan'izany no hahafahan-dry zareo mitaky amin'ireo Ejiptiana hameno ny mombamomba azy mba hahafahany miditra aminà tambajotra. Saingy tsy mbola misy ny drafitra tahaka izany, hatreto.

Somary kely finoana ihany ireo mnampahaizana ao an-toerana momba ny ho fahafahana ara-teknika hanatanterahana an'ilay volavolan-dalàna. Ramy Raoof, zokiolona mikaroka momba ny teknolojia ao anatin'ny Egyptian Initiative for Personal Rights (EIPR) – Hetsika Ejiptiana ho an'ny Zo Manokan'ny Tena, nilaza tamin'ny Global Voices hoe:

Tena faran'izay misalasala aho momba ny fahafahahana ara-teknika sy ny fahalalan'ireo manampahefana ao Ejipta manoloana ireo olana mifandray amin'ny resaka teknolojia. Amin'ny hevitro manokana, toy ny fomba fihevitr'izy ireo ihany momba ny fifehezana amin-kery ny zavatra hita maso sy ireo toerana natao ho an'ny daholobe ny fomba isainan-dry zareo hoe mety azo atao ety anaty aterineto izany. Raha raisiko amin'ny fomba matotra izy ireo, midika io fa handeha hanaparitaka rafitra iray matanjaka ry zareo mba hanivanana ireo olompirenena izay manao fangatahana hahazo alàlana na tsia, ary midika io fa hisy rafitra adaladala iray hanaraka akaiky ireo fihetsiky ny olona no sady koa hitondra azy ireo amin'ny fitsaràna. Tsy dia manaraka mihitsy ny tena zavamisy ara-teknika — saingy ao Ejipta, azo atao ny zavatra rehetra

Mba ho lasa lalàna, ilain'ilay lalàna aloha ny iresahana azy ao anivon'ny kaomitin'ny  antenimiera mpanao lalàna sy momba ny lalàm-panorenana, alohan'ny hitondrna azy manoloana ny fivoriambe ara-potoana. Na mahomby na tsia ny fandaniana sy fampiharana azy, ilay volavolan-dalàna dia “fitohizan'ny toetsaina mpandàla ny rafitra miaramila ao amin'ny antenimiera izay napetraka hampitombo ny fanarahamaso sy hanaovana izay hahazoana antoka fa tsy hisy fandikàna hafa ho hita eny an-tsehatra,” hoy i Raoof.

Tamin'ny taona lasa, ny solombavambahoaka Tamer El-Shahawy dia nanolotra [4] volavolan-dalàna iray hiadiana amin'ny heloka bevava atao ety anaty aterineto, izay mety hahazoana fidirana am-ponja mandrapahafaty ho an'ireo izay voaheloka ho “nandrahona ny filaminambahoaka” sy “niantso fanaovana hetsipanoherana”.