Vaovao Farany GV Lingua : Aprily 2017

The Lingua ProjectMiarahaba ny rehetra! Ity ny mikasika ny Lingua volana Aprily 2017.

Tamin'ny fitambaran'ity volana ity, namoaka lahatsoratra miisa 624 isika, nahasarika mpitsidika 255.043 ary jeripejy miisa 315.380. Nahatratra 261.905 ny mpankafy ny pejy Facebook iombonana Lingua, ary mpanjohy 264.858 tao amin'ny Twitter.

Ity ny topi-maso mikasika ny fandehan'ny tranonkala rehetra tamin'ny volana lasa.

Songadina

Nitombo avo telo heny ny zotra Shinoa tamin'ny volana lasa noho ny Facebook sy ny PsiphonToday.com. Ireto avy ireo lahatsoratra ireo:

  1. https://zhs.globalvoices.org/2016/09/11/14816/
  2. https://zht.globalvoices.org/2017/04/22/20481/
  3. https://zht.globalvoices.org/2017/04/30/21309/

Ireo nitarika tamin'iny volana iny:

Lahatsoratra

Malagasy 152
Espaniola 107
Frantsay 90
Rosiana 55
Grika 53

Ireo Pejy Be Mpitsidika

Espaniola 91.722
Shinoa T. 48.138
Frantsay 35.397
Japoney 25.249
Portiogey 22.709

Facebook

Arabo 133.100
Shinoa 42.257
Espaniola 19.798
Frantsay 17.794
Amharika 8.646

Twitter

Shinoa 174.981
Arabo 44.211
Espaniola 7.493
Bangla 6.875
Frantsay 5.555

Ho an'ny mpandika GV teny rehetra, sy ho an'ny toniandahatsoratra Lingua rehetra, misaotra betsaka anareo tamin'ny fanatontosana izany! Tamin'ny fandikan-teny, ny famoahan-dahatsoratra sy ny fampiasana ny fiteny! Tsy afaka nanao izany izahay raha tsy teo ianareo 🙂

Aza adinoina ny manaraka ny Lingua ao amin'ny Twitter, Facebook ary Google+! Zarao amin'ny namanao sy ny tambajotra azafady ny taratasy fangatahana hanatevin-daharana ny Lingua. Mandika teny amin'ny teny maherin'ny 40 izahay !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.