Mitohy Hatrany Ny Herisetra Ara-politika Ao Venezoela, Kanefa Tsy Mandaitra Amin'ny Fampitsaharana Ny hetsi-panoherana Izany

Sary nataon'i  Leonardo González. Nahazoana alàlana .

Mitohy hatrany ny fivoaran'ny krizy venezoeliana amin'ny fitomboan'isan'ireo lasibatra sy ny hetsi-panoherana amin'ny endriny samihafa sy amin'ny toerana samihafa ary nahatonga fifamaliana eo amin'ny governemanta sy ny mpanohitra. Nirongatra tao amin'ny media sosialy ny tantaran'ny famonoana niampangana ny Mpiambina Nasionaly Bolivariana sy ny vondrona mitam-piadiana manohana ny governemanta ary tonga hatrany amin'ny fampitam-baovao iraisampirenena izany.

Toy izany koa, mameno ny tambajotra ny tatitra momba ny herisetran'ny Fanjakana miha-mahery vaika ary nangonin'ny fikambanana tsy miankina miasa ho amin'ny fiarovana ny zon'olombelona ny filazàna ny fanitsakitsahana izany. Araka ny tatitry ny Amnesty International momba an'i Venezoela , ho entina eo anatrehan'ny fitsarana miaramila ireo mpanao hetsi-panoherana ary ampangaina ho manao heloka bevava hanamarinana ny fihazonana azy ireo tsy misy porofo:

Las autoridades venezolanas están utilizando el sistema de justicia de manera ilegal para incrementar la persecución y los castigos contra quienes piensan diferente [Acciones ilegales con el fin de reprimir] incluyen las detenciones sin órdenes judiciales por parte del Servicio Bolivariano de Inteligencia Nacional (SEBIN), el procesamiento de activistas pacíficos por delitos “contra la patria” y la imposición de medidas de prisión preventiva sin justificación y campañas difamatorias en medios de comunicación contra miembros de la oposición, entre otras medidas.

Mampiasa ny rafi-pitsarana tsy ara-dalàna ny manampahefana Venezoeliana mba hampitomboana ny fanenjehana sy ny sazy amelezana izay mihevitra amin'ny fomba hafa. [Ireo hetsika tsy ara-dalàna izay miafara amin'ny famoretana ] dia ahitana fisamborana tsy nahazoana alàlana avy amin'ny Sampam-pitsikilovam-pirenena Bolivariana (SEBIN), ny fanenjehana ireo mpikatroka noho ny heloka bevava “mamely ny firenena” sy ny fametrahana fepetra famonjana fisorohana tsy misy porofo, ary ny fanalam-baraka any amin'ny fampitam-baovao amelezana ireo mpanohitra, ankoatra ireo fepetra hafa.

Tsy mitsahatra miitatra hatrany ny korontana isan'andro ary mameno ny tambajotra ny endrika hetsi-panoherana vaovao. Anisan'ireo niely sy nanaitra indrindra ity vehivavy ity izay nantsoin'ny fampitam-baovao hoe Maria José mba hiarovana ny mari-panondroana azy ary nijanona teo anoloan'ny fiara mifono vy iray izay an'ny Mpiambina Nasionaly Bolivariana .

Toy izany ihany koa, nanaitra ny saina ny fihetsik'i Hans Wuerich izay tonga nitanjaka tao amin'ny hetsi-panoherana, niaraka tamin'ny Baiboly teny an-tanany ary nampiseho ny hodiny feno diam-bala(mborona).

Nanakiana ny fihetsik'i Hans sy niampanga azy ny fampitam-baovao sasany izay nikatsaka ny hanitatra ny fitantaran'ny governemanta. Na izany aza, mbola mifandray hatrany amin'ny fijoroana vavolombelona isankarazany sy nahasarika hetsi-panoherana tamin'ny endriny maro samihafa ireo sary ireo, toy ny fisintahan'ny vondrona vaovaon'ny Fetiben'ny Teatira Caracas, na ny hetsi-panoheran'ny vondrona mpanakanto miaraka amin'ny teny hoe  “Ese pudo haber sido yo” (Saika izaho no tratra teo amin'ny toerany), izay nalaina tao amin'ny lahatsarin'i Yibram Saab Fornino, zanakalahin'ny Mpiaro ny Vahoaka, Tarek William Saab.

Ao amin'ity lahatsary ity, manontany ny rainy i Saab Fornino ao anatin'ny karazana taratasy misokatra mba hirotsaka an-tsehatra hanohitra ny herisetra famoretana atao amin'ny hetsi-panoherana, ary nanasongadina ny raharaha Juan Pernalete izy, izay matin'ny baomba mandatsa-dranomaso notifirina ampotony teo amin'ny tratrany :

Condenó la brutal represión por parte de los cuerpos de seguridad de la nación de la cual fui víctima el día de hoy, como [también lo fue] el joven Juan Pablo Pernalete, de 20 años de edad, estudiante universitario a quien le quitaron la vida debido al terrible e inhumano uso los gases lacrimógenos, luego de que sufriera un impacto en el pecho. Ese pude haber sido yo.

Manameloka ny famoretana ny firenena amin'ny fomba feno herisetra nataon'ny mpitandro ny filaminana ary nihatra tamiko androany aho, ary [lasibatra toy izany koa] ilay tovolahy Juan Pablo Pernalete, 20 taona, mpianatra izay namoy ny ainy noho ny habibiana mahatsiravina sy ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaso, rehefa voa teo amin'ny tratrany. Saika izaho no tratran'izany teo amin'ny toerany.

Niely ihany koa ireo sary hafa nanaitra, toy ilay tovolahy iray nilalao cuatro [fitaovana nentim-paharazana Venezoelana ] sy ny fanentanana an-tserasera #AdoptaUnCivil  (Manangana olon-tsotra) izay mizara ny anarana sy ny hetsiky ny olon-tsotra mba hanasongadinana ny fandraisana anjaran'izy ireo eo amin'ny fiainana ara-politika sy ny fiainana maha-olom-pirenena Venezoelana, izay mifangarika amin'ny fomba fitantarana mahazatra momba ny tantaram-pirenena ara-politika Venezoeliana izay mametraka fa ny miaramila no tena mibahana ny sehatra:

Tena tiako izany hevitra izany.

José Ignacio Cabrujas. Nivoaka avy tamin'ny peniny ny tena famaritana marina ny mari-panondroana Venezoeliana.

Mbola mitohy ny tantaran-tsehatra Venezoeliana na dia mbola eo aza ny fanjavozavoana. Nambara fa mikasa ny hiala amin'ny Fikambanan'ny Fanjakana Amerikana i Venezoelà izay dingana mankany amin'ny fitokana-monina iraisampirenena.

Izao no tsy isalasalana rehefa mahita ny fampiasan-kery ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny fitantarana mifanohitra tanteraka eo amin'ny governemanta sy ny mpanohitra eo amin'ny fiainan'ny Venezoeliana : tsy mbola hita mangirana ny varavarana ivoahana ary tsy ho mora sy eo noho eo izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.