Raha toa ianao ka liana amin'ny fandehanana am-bisikileta sy hanao topimaso ny ambanivohitr'i Japana izay tsy mbola hitan'ny ankamaroan'ireo Japoney, manana bilaogy ho anao momba izany ilay mpanoratra sady teknology Jeffrey Friedl .
Mipetraka ao Kyoto, Japana, mitarika matetika ny ” fitsangatsanganana amin'ny bisikileta an-jato kilaometatra “ hatrany amin'ny 160.9 kilaometratra na mihoatra izy miaraka amin'ny fanazavana ny dia . Voahodidina amin'ny lafiny telo i Kyoto dia amin'ny tendrombohitra feno ala mitandavana ary manana toeram-pambolena maro be, midika izany fa mamakivaky ireo toerana tsara tarehy mahatalanjona ny fandehanany am-bisikileta .
Ohatra, ao amin'ny bilaogin-dahatsoratra iray tany amin'ny faran'ny volana Aprily, nitodika nankany Atsimo atsinanan'ny afovoan-tanànan'i Kyoto i Friedl, mizotra mankany amin'ny faritra fambolena dite any amin'ireo havoana manelanelana an'i Kyoto sy i Nara:
I had a nice ride through the mountains of Uji and Wazuka (Japan, near Kyoto/Nara) the other day. Both Uji (宇治) and Wazuka (和 束) have been famous for their tea for centuries, and have tea fields tucked away in the most seemingly-unlikely nooks and crannies of their mountains.
Nahafinaritra ny diako namakivaky ny tendrombohitra Uji sy Wazuka (Japana, akaikin'i Kyoto / Nara) tamin'iny andro iny. Samy malaza i Uji (宇治) sy Wazuka (和束) noho ireo fambolena dite nandritra ny taonjato maro, ary manana saha fambolena dite miafina any amin'ny tena takotakona sy ny lempon'ny tendrombohitra ireo.
Ankoatra ny fandehanana am-bisikileta, manome ny topimaso lalina momba ny hay solosaina, ny saripika, ny fampandrosoana tranonkala mahomby DIY [Ianao ihany no manao azy] ny bilaogin'i Friedl, ary ahitana ny sehatry ny lokon-tsary nomerika midadasika, ny tabilao andrana auto-focus izay novolavolainy, ary ny antsipirihany amin'ny Fikirakirana ny Kalitaon'ny Lightroom JPEG ihany koa.
Angamba vokatry ny fikarohana nataony ara-teknika teo aloha, dia voasokajy sy voamarika antsakany sy andavany ny bilaogin-dahatsoratr'i Friedl momba ny fitsangatsanganana am-bisikileta ka mahatonga izany ho mora ahitana ny toerana nangalana ireo sary miaraka amin'ny rohy mankany amin'ny sary hafa ao amin'ny toerana iray ihany, na nalaina teo akaiky teo. Maneho an-tsary ny làlana nodiaviny ihany koa i Friedl, anisan'izany ny tao amin'ny Strava, tambajotra sosialy ho an'ny atleta izay nanolorany fanadihadihana ny làlany.
Ao anaty fikasany hianika ny havoana maro araka izay azo atao, sy hanalavitra ny làlana feno olona marobe dia matetika manaraka ny lala-mangina na aiza na aiza toerana halehany ny fitsangatsanganan'i Friedl am-bisikileta . Tamin'ity lahatsoratra tamin'ny volana Oktobra 2016 ity, nandeha tany amin'ny tanànan'ambanivohitra ao Miyama i Friedl, any avaratra atsinanan'i Kyoto, any anaty tendrombohitra any.
Matetika ahitana sary sy tsakitsaky, sakafo sy fiatoana kely eny an-dalana ny dian'i Friedl. Ity misy sakafo maivana iray tao amin'ny fivarotana kafe iray tany ambanivohitra:
Azo jerena eto Ny fanazavana an-tsarintany momba ny fitsangatsanganana am-bisikiletan'i Friedl manodidina an'i Japana:
Mamela anao hikaroka ny toerana ao Japana ny sarintanin'i Friedl. Ohatra, ankoatra ny sarintany nalaina teo akaikin'i Kyoto (etsy ambony), dia ireto misy sary nalain'i Friedl teo akaikin'i Obama , eo amoron-dranomasin'i Japana, avaratra any amin'ny 100 kilaometatra an'i Kyoto.
Afaka manaraka an'i Jeffrey Friedl ao amin'ny bilaoginy ianao. Misy tahirin-dahatsoratra maro ao, sady toerana tsara hanombohana ny fitrandrahana ihany koa ny lohahevitra ao anatiny (TOC) .