Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nandritra ny Fitsidihany Tao Nizeria, Narehitry ny CNN Indray ny Adin'ny Vary Jollof tao Afrika Andrefana

Pikantsary ahitàna an'i Lai Mohammed , Minisitry ny Fampahalalambaovao Nizeriana, sy Richard Quest (mitondra loviam-bary Jollof Nizeriàna)

Sosotra tamin'i Lai Mohammed, Minisitry ny Fampahalalambaovao ary ny Kolontsainy, ireo Nizeriana noho ny nahasahiany nanambony laza ny vary jollof senagaly fa tsy ny an'i Nizerià izay hanina betsaka tokoa ao an-toerana. Niteraka hatezerana nanerana ny firenena ny nataon'Ing  Mohammed rehefa namaly ireo fanontanian'i Richard Quest avy amin'ny CNN, izay mitsidika amin'izao fotoana izao ny ao Nizerià.

Rempotra mandrakitra an-tsary manodidina an'i Lagos androany. Hibitsika ireo fihevitro voalohany aho tamin'ny niverenako tao Nizerià taorian'ny 10 taona

Loviam-bary malaza any Afrika Andrefana ny Jollof – indrindra fa ao Nizerià, Ganà, Senegaly ary Gambia.Ny 22 Aogositra no fankalazàna ny andro erantany ho an'ny vary jollof. Samy manana ny fahandrony ny vary Jollof. Ity, ohatra,  ny fomba fikarakaràna vary jollof ao Nizerià.

Nisy ny ady teo amin'ireo Nizeriàna sy ireo Ganeana mpiray vodirindrina aminy momba ny hoe iza no tena mahay mahandro jollof tsara indrindra.

Voalohany dia notsapain'i Quest ny halalin'ny rano momba ny adihevitra manodidina ny Jollof, niaraka taminà bitsika somary mandranitra :

Vary Jollof. Mafilotra. Ganà sa Nizerià? Ny an'iza no tsara indrindra? Tsy hiditra amin'ny adin'ny jollof aho

Toy ny hoe tsy ampy azy izay, fa avy eo izy nanontany ny fomba fijerin'ny minisitra Nizeriana misahana ny Fampahalalambaovao sy ny Kolontsaina:

Noraketin'ny gazety ThisDay ao Nizerià ny fahatafintohinan'ireo Nizeriàna noho ny valintenin'ilay minisitra:

Nankarary an-doha ireo mpanaraka ny CNN omaly ny Minisitry ny Fampahalalambaovao sy ny Kolontsaina,  Alhaji Lai Mohammed rehefa nilaza fa ny vary jollof karakarain'ny Senegaly no tsara indrindra. Filazàna iray tena nahaketraka ny mantra ‘Nizerià Aloha’,  natao handrisihana ny fiarovana ireo vokatra Nizeriàna sy ho fanosehana ny fiarenana ara-toekaren'ny firenena ao anatin'ilay fandaharana manokan'ny  Quest Means Business vokarina ao  Lagos. Na ohatra aza Ing Richard Quest taty aoriana nanazava fa tsy takatry ny minisitra ny tiany hahatongavana tamin'ilay fanontaniana izay noheveriny fa midika hoe firenena avy aiza no niavian'ny vary jollof. “Izany no nahatonga azy hamaly hoe Senegaly.” Kanefa, efa eo aloha ny vokadratsiny, satria ny media sosialy tsy hamela an'i Lai Mohammed tamin'ny hadisoam-pamindra vitany.

Toy izao no nanazavan'i Quest ilay valinteny nomen'ny minisitra:

Mba hazava izy ity. Tsy ren'ny minisitra tsara angamba ka noheveriny fa izay namorona ny vary jollof voalohany no nanontaniako – noho izany ny valiny (marina) nomeny dia Senegaly

Na teo aza ilay fanazavana, tsy vonona ny hamela ilay heverin'izy ireo ho famadihana ny reharehampireneny handalo fotsiny eo ambany masony ireo Nizeriàna.

“Famadihana tsy misy fangarony” no namaritan'i Ola ilay valintenin'ny minisitra:

Famadihana tsy misy fangarony. Nohosen'i Lai Mohameda tamin'ny tany fotsiny izao ny Hambontsika amin'ny vary Jollof

Ity Nizeriana mpisera ity dia namaritra ny jollof ao Nizerià ho toy ny ‘kabiyesi’ (mpanjaka):

Nizeriàna iray tsy mahalala akory fa ny vary jollof Nizeriàna no ‘mpanjakan'ny jollof manerana izao tontolo izao, dia mbola ho azo lazaina fa hoe Nizeriàna ve ny olona toy izany?

Midika ve io fa tsy mba afaka miteny ny marina i Lai Mohameda na dia indray mandeha fotsiny aza?
Na dia momba ny vary jollof aza, tsy maintsy nandainga izy
Fa maninona ilehio no tahaka io ?

Rehefa nisy nilaza fa vaky ny ady lehibe fahatelo, iza no nanampo fa hoe ny adin'ny Jollof izay?

Araka izany dia natahotra ilay rangahy ity hilaza fa i Nizerià no namorona ny vary jollof…Issokay!

Ny sasany namintina hoe ireo fanehoankevitr'Ing. Mohammad dia nidika faharesena tamin'ny adin'ny vary jollof:

Ary toy izany no naharesy antsika tamin'ny adin'ny vary jollof, Lai Mohamed !!! Nahoana?

Ary ny sasany aza tonga hatrany amin'ny filazàna fa tokony hoesorina ilay minisitra:

Ity no ratsy indrindra nataon'i Lai Mohamed. Tsy afaka ny hitazona an'io ela intsony isika. Tokony horoahana io na alefa sesitany. Oh…Ry ilay vary jollof malalako.

Araka ny lazain'i John, tokony hanitsy ny fanambaràna ataon'ireo minisitra ny ao amin'ny lapam-panjakana ao, ka hilaza hoe “haratsiam-panahy sy tsy misy fitiavana tanindrazana”

Mila manao fanambaràna ny lapam-panjakana hanitsiana ireo fanehoankevitr'i Lai Mohamed ho tsy mitombina, ratsy fanahy, manimba ary tena tsy misy fitiavana tanindrazana

Lai Mohamed: ny jollof senegaly no tsara indrindra
Nizeriàna: ahoana tsara hoe?

Fa farafaharatsiny, olona iray mpampiasa Twitter no nilaza fa efa nilaza nibata fandresena i Nizeria tamin'io adin'ny vary jollof io tany aloha tany.

Ry Lai Mohamed malala, ity i Jennifer Fong ao amin'ny Facebook miteny momba ny Jollof araka ny tokony hilazàna azy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.