- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao Paragoay, Fampiharana Iray Hianarana “Tsy Ankiato” Ny Teny Anglisy, Namboarina Avy Hatrany Tamin'ny Teny Guaraní

Sokajy: Amerika Latina, Paragoay, Fanabeazana, Fiteny, Mediam-bahoaka, Teratany, Rising Voices
[1]

Ny sekoly Santa Clara. Hernandarias. Alto Paraná. Paragoay. Sary an'ny mpampiasa Borja, nalaina avy ao amin'ny Flickr ary nampiasàna ny lisansa Creative Commons. (CC BY-NC-ND 2.0)

Mba hanakelezana ny hantsana misy amin'ny mpiteny Guarani sy ny fianarana teny Anglisy, izay amin'ny ankapobeny dia natokana ho an'ireo mpiteny Espaniola ao Paragoay, noforonina ny fampiharana Guaranglish. Ny tanjon'ilay fampiharana dia ny hampifandray ireo maro an'isa, izay betsaka isanjato kokoa avy amin'ny mpiteny Guarani raha mitaha amin'ny Espaniola, amin'ny fianarana mifandray kokoa amin'ny lalambe migodanan'ny torohay manerantany tsy ilàna akorymandrefy fahaizana [2] “:

Ny iray tamin'ireo mpamorona ilay fampiharana, Luis Rojas, no nitafan'ny Koga Blog [3] sy nanome topimaso momba ireo vahaolana katsahan'lay fampiharna ho atolotra ary ireo fomba iandrasana ny Guarani haka ny lohalaharana amin'ny tontolon'ny fianarana ao anatin'ny tontolo Paragoayàna:

tsy toy ny ankamaroan'ireo firenena ao Amerika Latina, ny teny mibahana toerana ao Paragoay dia ny fiteny Guarani an'ireo vazimba teratany, fa tsy ny Espaniola; miteny Guarani ny 89% amin'ny Paragoayàna. Ny ankamaroan'ny fomba ampiasaina hampianarana ny teny Anglisy ao Paragoay dia amin'ny teny Espaniola.

Mbola ao anatin'ny fanandramana azy mihitsy izao ilay fampiharana ary mitady izay mpampiasa afaka handrefy ny fahombiazany. Nahazo fankatoavana [4] ilay tetikasa ary natolotra sy nampahafantarina taminà sehatra maro isankarazany [5].  Ao anatin'ilay lahatsary nozarain'ny tariky ny Guaranglish, hazavain'ny mpitarika azy ny fomba niainan-dry zareo manokana amin'ny maha-mpiteny Guarani azy sy ny hoe tena tosika tamin'ny famoronana ilay tetikasa ireo fetra nandraisana azy io ho an'ny fanabeazana manaraka ny fenitra tao an-drenivohitra :

Miaraka miasa amin'ireo fikambanana tohanan'ny governemanta Amerikàna ireo mpamorona ilay fampiharana, ary nampifandray ilay fampiharana amin'ireo hetsika hafa toy ny atrikasa ho an'ireo mpampianatra sy lasy ho an'ny teny Anglisy. Katsahan'lay fandraisana andraikitra ihany koa ny hisian'ny fifandraisana amin'ireo vahoaka tsy mponina an-tanàndehibe miaraka aminà teny iray hafa izay mety hampifandray azy ireo aminà tontolo hafa, sady koa manamora ny fianarana ny teny Guarani ho an'ireo izay miteny Anglisy:

… te-handeha lavidavitra kokoa aza izahay, tsy hoe fotsiny ho an'ireo Paragoayàna fa koa ho an'izao tontolo izao, ary miaraka amin'ilay fampiharana Guaranglish, dia ho azo atao izao ny mianatra teny Anglisy na Guarani tsy misy sakantsakana hibahana ny fianarana tenimpirenena, na noho ny zara fa fisian'ny fitaovana na fampivangongoana ny fahafahana manao izany. “