- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lamaody Ao Brunei Ny Foloara-Sarondoha ‘Royal Duck’ Kanefa Maro No Diso Fanantenana Amin'ny Halafony

Sokajy: Azia Atsinanana, Broney, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Vehivavy sy Miralenta
[1]

Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube misy ny torolàlana amin'ny fomba hisalorana ny sarondoha-foloara dUCk.

Vetivety dia lany ireo foloara-sarondoha Royal Duck natonta tamin'ny isa voafetra taorian'ny nanoloran'ny [2] Printsesy Sarah tao Brunei azy. Nahazo dera avy amin'ny mpisera aterineto maro ny endrik'ilay foloara, kanefa maro ihany koa no nametra-panontaniana raha mety tokoa ny mividy hijab iray izay mitentina 190 dolara Brunei (136 dolara amerikana).

Novokarin'ny dUCk , orinasa Maleziana vaovao vao misondrotra iray izay nitsangana roa taona lasa izay, ny foloara Royal Duck ary lasa malaza avy hatrany tao Malezia sy Brunei noho ireo fanamboarana foloara sy poketra meva tokoa .  Manana mponina Miozolomana maro an'isa i Malezia sy i Brunei .

The most anticipated photo of all ever appearing on my Instagram feed. I have goosebumps seeing this photo of Her Royal Highness Sarah wearing one of our own. It is truly an honour to have collaborated with her through The Royal dUCk and I think there are no words to express the special feeling in my heart. I have never met her in person, so tomorrow will be the first time I admire her from afar. Your Royal Highness, if you're reading this, thank you for continuously inspiring all of us and thank you for making this a huge milestone for us at dUCk and all dUCkies. We all feel so honoured to see a glimpse of your positive values that are rarely shown, and our admiration grows. And here she is, donning the Peach Royal dUCk. ❤ – D. #duckscarves #scarves #hijab #theroyalduck @srdesign.brunei [3]

A post shared by The dUCk Group (@theduckgroup) on

Tany am-piandohan'ity volana ity, nanambara ny dUCk fa miara-miasa amin'ny Printsesy Sarah izy amin'ny fampahafantarana ny -sarondohafoloara vaovao antsoina hoe Royal Duck. Nandritra ny fampahafantarana, nilaza ny Printsesy Sarah fa fanomezam-boninahitra [4] ny vehivavy ny foloara Royal Duck :

It is special because it celebrates and stands for the defining characteristics of what makes every woman truly special.

Whether soft, gentle and warm, or fiercely independent and opinionated, whether a dreamer or an adventurer, a mother or a daughter – whatever we choose, however many roads we travel, our diversity is our strength.

Tena miavaka izy ity satria mankalaza sy mijoro ho amin'ny famaritana ny toetra mahatonga ny vehivavy rehetra ho miavaka .

Na malefaka, na malemy fanahy na mafana fo, na masiaka kanefa mahaleotena ary mahita hevitra maro, na mpanonofy na mpirenireny, na renim-pianakaviana na zanaka vavy, na inona na inona safidintsika, na dia lavitra aza ny lalana diavintsika, dia ny fimaroana [na fahasamihafana] no herintsika.

Tao amin'ny pejiny Instagram, nanasongadina [5] ny fanamarihana toy izany ihany koa ny dUCk :

The Royal dUCk is about women. How we should celebrate each other, how we should be kind to each other, and each of the 5 elements that Her Royal Highness Sarah advocates are symbolized in this one dUCk.

Natokana ho an'ny vehivavy ny Royal dUCk. Ny fomba hankalazantsika antsika, ny fomba hifandraisantsika tsara, ary ireo marika miisa 5 izay nolazain'ny Printsesy Sarah dia samy hita avokoa ato amin'ity dUCk iray ity.

Ny kodia[rana], ny diamondra, ny tantely, ny voninkazo, ary ny makarakara no marika miisa dimy hita ao amin'ny famolavolana ny foloara.

Efa nandrasana fatratra ny fivoahan'ny foloara-sarondoha Royal Duck tao Brunei ary nasongadin'ny [6] fampahalalam-baovao mahazatra sy ny gazetiboky lamaody ny famoahana azy .

Maro ireo mpisera aterineto ao Brunei no faly tamin'ny fiaraha-miasan'ny dUCk sy ny printsesy.

Nizara ny hafaliany tao amin'ny media sosialy ny sasany tamin'ireo nisalotra ny foloara vaovao Royal Duck avy ao Brunei sy Malezia. Nisy ihany koa anefa ny sasany izay nanamarika fa lafo tokoa vao mahazo ity hijab meva ity.

Rm600 vao mahazo royal duck ? Mama a!! efa afaka handoavana saram-pianarana mandritra ny enim-bolana hahaha

Ny vidin'ny royal duck

Will I ever proceed to checkout? My brain cant justify! . . #duckscarves #duckcollection #theroyalduck [11]

A post shared by Just Another Duckies (@amalinaxduck) on

Ringgit Maleziana no ilazana ny RM. Mitovy amin'ny 190 dolara Brunei ny RM600  .

Raha nanoratra tao amin'ny vondrona bilaogy Songket Alliance, dia nanoro hevitra [12] ny namany Bruneiana i Zairina Zairin mba ho “mpanjifa vory saina” kokoa :

I believe you should be allowed to buy whatever you want with the money you earn, but we also need to be conscious consumers. Indulging yourself with something expensive once in a while isn’t a crime. We shouldn’t be spending unnecessarily on things that we do not need or just for the sake of owning something just because everyone does.

Mino aho fa afaka mividy izay tianao amin'ny vola azonao ianao, kanefa mila mahatsapa ho mpanjifa vory saina ihany koa isika. Tsy heloka ny manaram-po amin'ny zavatra lafo indray mandeha. Tsy tokony handany vola amin'ny zavatra tsy ilaintsika isika na noho ny fitiavana fotsiny ny hanan-javatra satria hoe manana avokoa ny olon-drehetra.

Nandrisika ireo mpisera aterineto ihany koa izy mba hahatsiaro ireo fampianarana ara-pivavahana mifandray amin'ny fanaovana ny hijab:

The amount of selfies I have seen of people just to show their dUCK scarves is part and partial of what Islam does not encourage: vanity.

While being chic is an aim, many of us have forgotten the concept of humbleness that our Malay and Islamic culture has taught us. So the next time you buy something that is outside your necessity, ask yourself: do I need it? Will my happiness and bank account sustain at this current frame of mind I am in well into a month of me owning this thing?

Ampahany sy sombiny amin'ny zavatra tsy ankasitrahan'ny finoana silamo fa zava-poana ny habetsahan'ny selfies efa hitako nalain'ny olona mba hanehoana fotsiny ny foloara dUCK.

Raha ny mihaingo no tanjona, dia maro amintsika no manadino ny hevitry ny fahamenarana izay nampianarin'ny kolontsaina Malay sy Islamika antsika. Noho izany amin'ny manaraka ianao rehefa mividy zavatra izay tsy tena ilainao, dia manontania tena aloha hoe: tena mila izany ve aho? Moa ve mahasambatra ahy sy mahasolo ny kaontiko any amin'ny banky mandritra ny iray volana ity zavatra iriako amin'izao fotoana izao ity ?

Kanefa nisy fanehoan-kevitra iray nampitandrina azy tamin'ny fitsaratsarana ny zavatra alefan'ny olona ao amin'ny media sosialy:

Who are we as mere humans to judge a person’s intentions? because from what I understand, a person’s intentions is between them and Allah. I advise you to not judge or assume a person’s intentions exactly from what they show on their social media.

Iza moa isika izay olombelona fotsiny ihany no mitsara ny fikasan'ny olona iray? satria raha ny fahafantarako azy, ny fikasan'ny olona iray dia izy sy Allah ihany no mahita izany. Koa manoro hevitra anao aho mba tsy hitsara na hihevitra ny fikasan'ny olona iray amin'ny zavatra izay asehony ao amin'ny media sosialy.

Tao amin'ny antsafa navoakan'ny gazety Maleziana tamin'ny volana Janoary teo, nanazava [13] ny solontenan'ny dUCk fa tsy natao ho an'ny tsena mihaja akory ny vokatra na dia tena lafo aza ny vidiny..