Avonavon'Ampanjaka Tamin'Ampanjaka Iray Hafa Niteraka Adihevitra Mafana Tao Nizeria

Pikantsary. L-R: Oba Ogunwusi (Ooni of Ife), Igwe Achebe (Obi of Onitsha) sy Oba Akiolu (Oba of Lagos)

Vao haingana ny Chartered Institute of Bankers of Nigeria (CIBN) na Ivontoerana Solontenan'ny Mpandraharahan'ny Banky ao Nizeria no nampiantrano ny andiany faha-22 amin'ny Fihaonambe Manerantanin'ny Ivontoeran'ny Banky notontosaina tao Lagos, Nizeria. Na dia izany aza, ratsy ny vaovao momba ny lanonana nivoaka tao amin'ny CIBN noho ny hadalana nataon'ny ampanjaka iray nandritra ny lanonana fanokafana ny fihaonambe. Nambanian'ny Oba ao Lagos, dia ny ampanjaka Oba Rilwan Aremu Akiolu ny Ampanjaka Imperialy na ny Ooni ao Ife Oba Adeyeye Enitan Ogunwusi.

Mitantana demaokrasia federaly rafetin'ny fanjakana 36 sy governemantam-paritra marobe an-toerana i Nizeria. Na dia izany aza, ahitana fanjakana nentim-paharazana matanjaka nanjaka talohan'ny fanjanahantany ihany koa ny firenena. Tsy mampiasa fahefana ara-politika intsony ireo ampanjaka nentim-paharazana ireo, saingy manana fahefam-panintonana tanteraka kosa any amin'ny sehatra misy azy ireo tsirairay avy any. Samy manana ny heriny tsirairay avy izy ireo any amin'ny misy azy any amin'ny fitazonana ny fandriampahalemana ary tonga hatrany amin'ny famahàna ny ady amin'ny alalan'ny rafi-pitantanana nentim-paharazana izany. Manana hery goavana ao amin'ny politika Nizeriana ankehitriny ihany koa ny ampanjaka nentim-paharazana saranga voalohany. Matetika ihany koa izy ireo tadiavin'ny mpanao politika na/sy ny governemanta hahazoana ireo olom-pirenena eny ifotony.

Notevatevain'ny Oba ao Lagos ampahibemaso ny Ooni ao Ife nandritra ny lanonana iray tao Lagos. Lahatsary: TV360Nigeria

Ao amin'ny lahatsary eo ambony,  rehefa avy nifananihany tamin'ny Ampanjaka Igwe Nnaemeka Achebe, izay Obi ao Onitsha ny Ooni ao Ife dia nandeha niarahaba ny Oba ao Lagos izay niavona ankitsirano ny Ooni.

Nahatonga ny mpiserasera Nizeriana hiresaka izany satria andrin'ny kolontsain'ny vahoaka Yoruba, iray amin'ireo vondrona ara-poko lehibe indrindra ao Nizeria ny “fanajana fatratra ireo mpitarika”

Mpanoratra Nizeriana, Molora Wood, nidera tanteraka ny Ooni ao Ife:

Tiako kokoa ny Ooni ao Ife taorian'ny fianjonanjonan'ny lehibem-poko kely iray. Nilalao irery i Oba Akiolu ao Lagos.

Nidera ny Ooni koa i Olamide Abe noho izy tony nanoloana ny fihantsiana:

Tsy maintsy midera ny Ooni ao Ife aho noho izy tony nanolona ny fihantsiana. Tsy mamaritra ny fahamatorana ny taona. Raha izany ..

Wale kosa nanoro-hevitra ny Oba ao Lagos mba hanatsoaka lesona avy amin'ny Filoha teo aloha Olusegun Obasanjo, fa na dia zokiny kokoa noho ny Ooni aza izy dia nanaja ny sezan'ny Oba tanora tamin'ny fiondrehana teo am-piarahabana:

Niankohoka nanoloana ny Ooni ao Ife i Obasanjo. Araka ny tokony atao izany.

74 taona ny Oba ao Lagos, Rilwan Akiolu raha 42 taona kosa ny Ooni ao Ife, Adeyeye Ogunwusi. Sokajiana ho “akanin'ny sivilizasiona Yoruba ny Ile-Ife”. Ambony voninahitra kokoa noho ny Oba ao Lagos ny Ooni ao Ife na dia tanora kokoa aza.

Nisy ireo mpiserasera sasany nanampy vazivazy mikasika ny toe-draharaha:

Raha te hiresaka ny fifanandrinan'ny Oba ao Lagos sy ny Ooni ao Ife ny [avy amin'ny foko Igbo] tahaka ahy, dia tsarovy fa monina ao Lagos sy ny Dobontsiraka manodidina aho.

Tsy vao sambany tafiditra anaty adihevitra ny Oba ao Lagos. Tamin'ny volana Aprily 2015, niteraka tabataba goavana tao amin'ny firenena ny fandrahonana nataony tamin'ny vahoaka fa “ho faty an-drano” [mg] izay tsy manaraka ny fombany [didiny amin'izay olona tokony hofidiana].

Na izany aza, namerina ny fanajany ny mpanjaka rahalahiny ny Ooni. Nilaza izy fa “mbola manaja tanteraka an'i Oba Akiolu ary ny zava-nitranga omaly dia tsy hanakana ny Ooni hanaja azy”.

Kanefa, nandà ny filazana fa niavona tamin'ny Ooni ny Oba ao Lagos. Nanazava i Oba Akiolu fa nosakanan'ny fomba amam-panao ao Lagos tsy hanoroka ny Ooni izy. Araka ny filazan'i Oba Akiolu, “afaka mieritreritra izay tiany ny rehetra. Tsy nisy na inona na inona tao. Tahaka izany ny fomba amam-panao na ny fomban-drazana ao Lagos. Tsy mifanolo-tanana izahay, tsy mifamihina. “

Na izany aza, nilaza ny Insider Source fa mety misy ifandraisany amin'ny fifamaliana tamin'ny Ooni ao Ife ny fihetsik'i Oba Akiolu :

…the whole issue started when the Ooni placed a call to Oba Akiolu, informing him about his invitation to the Commonwealth. But the Oba of Lagos got angry that he wasn’t invited for the event, and he requested that the Ooni boycotted the trip, a request that the Ooni did not honour. The Ooni duly attended the Commonwealth Day celebrations in London, presented a speech, laid a wreath and graced many other events during the trip. Since the Ooni returned from London, the Bankers’ event of Tuesday, April 25 was the first time both were meeting.

… nanomboka ny olana rehetra raha niantso an-tariby an'i Oba Akiolu ny Ooni, nampahafantatra azy momba ny fanasana azy hanatrika ny Commonwealth. Saingy tezitra ny Oba ao Lagos satria tsy nasaina tamin'ny lanonana, ary nangataka izy mba tsy handray anjara amin'izany ny Ooni, saingy tsy nanaiky ny Ooni fa mbola nandeha. Tsy maintsy nanatrika ny fankalazana ny Andron'i Commonwealth tao Londra ny Ooni, nanao lahateny, nametraka fehezam-boninkazo sy nandray anjara tamin'ny lanonana marobe hafa nandritra ny dia. Hatramin'ny niverenan'ny Ooni avy tao Londra, ny lanonan'ny mpandraharahan'ny Banky tamin'ny Talata 25 Aprily no fihaonan'ny roa tonta voalohany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.