Na Misy Aza Ny Fifanenjanana, Fahombiazana ny Fetiben'i Jamaika 2017

Mpisarontava tamin'ny Fetibe Jamaika 2017. Sary an'i Emma Lewis, nahazoana alàlana.

Manana fifandraisana iray ifamahofahoan'ny fitiavana/fankahalàna amin'ny Fetibeny i Jamaika. Fanafàrana kolontsaina iray tamin'ny 1989, naorin'i Byron Lee, ilay Jamaikàna mpiangaly mozika, ary miteraka fihetsehampo miharoharo eny anivon'ny Jamaikàna maro izy io. Tamin'ity taona ity, taorian'ny andro iray nisian'ny orambe nivatravatra sy tondradrano tany amin'ny faritra maro tao amin'ny nosy, nahagaga fa tsara tampoka teo ny toetrandro tamin'io andro io. Betsaka lavitra noho ireo taona tany aloha ny fandraisana anjara, satria ny fianakaviana Lee, izay niverina namelona ilay fombandrazana hatramin'ny nahafatesany, dia nanolotra akanjo takabidy ho entina mampiakatra ny lentan'ny Bacchanal Jamaica, tamin'ny alàlan'ny tarika roa vaovao, Xaymaca sy Xodus.

Patria-Kaye Aarons, mpanao matoandahatsoratra, dia namelona indray ilay adihevitra momba ny mozika “soca vs dancehall”  efa naharitra ampolo taonany:

Na efa notondroin'ny UNESCO aza i Kingston hoe tanànan'ny fahaizana mamorona mozika, tsy mbola manana ny toerany eto foana ny dancehall. Ahoana no nandraisana ny dancehall, raha tsy resahana ny fampiroboroboana, tao an-tanànan'i Kingston? Mitohy atao toy ny valalan'alika ny Dancehall ao an-tanàna niaviany. Azo antoka, tsy ny rehetra no mankafy azy io, noho ny tsindry mavesatra tsy maintsy iafenany any an'elakelantrano any isaky ny miseho sehatra, ny fandosirana polisy ora maro. Mbola misy foana ny tolona ifanaovana amin'ilay Lalànan'ny Fampihenana ny Kotaba izay manery ny fikatonana mialoha, mifanohitra tanteraka amin'ny kolontsain'ny dancehall.

Manohitra mafy ilay Fetibe ilay mpanao matoandahatsoratra toa azy, Gordon Robinson:

Fotoana izao tokony hampitsaharana ity fananiham-bohitra feno tabataba, tsy misy fahalalam-pomba sy -mitratrevatreva isantaona ataon'ny kolontsaina vahiny ity. TSY misy na iray aza ny lafiny tsara

Tsy iombonan'ny rehetra izany:

365 isantaona ny dancehall
tsy afaka ny mba hanana ny 40 andro natao ho azy ve ny Soca?
Jeeezum!
Izany rehetra izany fony mbola seho an-tsehatra ny fotoanan'ny soca dancehall
Fa naninona no nisaraka?

Ilay mpandraharaha, Zachary Harding, dia isan'ireo manipika ny tombontsoa ara-toekarena entin'ilay Fetibe, isan'izany ny fanasongadinana an'i Kingston ho toy ny toerana falehan'ny mpizahatany :

Tsy hay tohaina. Mpitsidika 25.000 nandalo tao amin'ny serampiaramanidin'i Kingston tamin'ny Aprily = fitomboana 34% = LAFY TSARANY! Manondrana ny kolontsaintsika koa isika. Tontolon'ny fanontoloana

Ary ireo mpiasa malaza amin'ny fahitalavitra, Archibald Gordon sy Simon Crosskill kosa nidera: Tena mavitrika manohana ny mozika “zanatanin” dry zareo ve ny Jamaikàna??

@ArchibaldKeane @Petchary @djmillerJA @KemeshaKelly_ @BigBlackBarry Firifiry tamin'ireo olona maro nitaraina momba ny fitomboan'ny lazan'ny fetibe no nanatrika ny fetibe iray naharitra herinandro natao ho an'ny reggae

Na izany aza, ny marimaritra niraisan'ny rehetra tety anaty media sosialy dia taona iray tena lafatra ny 2017. Hoy ny bitsiky ny olona iray:

Mitombo ny fetibe!

60% tamin'ireo mpifetin'ny Bacchanal Jamaica no avy any ampitan-dranomasina.

Tanaty fanamarihana iray mitokana, Xodus nanana mpifety 1.800 teny an'arabe.

Nampian'ilay mpikatroka mpiaro zon'olombelona, Jaevion Nelson :

Tena nahasondriana ny fetibe. Ny tena ilaina dia hoe mifarana amin'ny fotoana iray eo amin'ny toerana iray izy rehetra, miaraka aminà dihy goavana eo amin'ny kianja HWT.

HWT dia fanafohezana ny Half-Way Tree square, toerana iray fifamoriana ao Jamaika.

Marobe ny Jamaikàna no nandray tamin'ny fony manontolo ilay Fetibe, ary dia nifaly fotsiny izao. Niparitaka be ireo sary maro avy amin'ilay lanonana. Nibitsika ny Jamaica Gleaner hoe :

#MasMania: Teboka tsangambato! Nampiakarin'ity mpifety ity hanana lenta iray hafa ny fetibe fanaovana diabe Xaymaca

#MasMania: Mandray ny Arabe Waterloo, St Andrew, ireo tariky ny Xaymaca

#MasMania: Vitany koa io! Miara-mizotra aminà tanora roa mpifety ny zokiolona iray ao anatin'ny Fetibe fanaovana diabe Jamaika – Jermaine Barnaby

Mazava loatra, nohararaotin'ireo politisiana ihany koa ny fotoana mba hisehosehoana ho fanta-bahoaka indray. Olivia “Babsy” Grange, Minisitry ny Kolontsaina, Miralenta, Alavoly ary Fanatanjahantena ary i Delroy Williams, Ben'ny Tanànan'i Kingston dia samy niseho sehatra avokoa,  nibitsika hoe:

Rehefa mahadona isika !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.