- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera Shinoa Malaza Nosamborina Noho Ny Fanehoan-kevitra An-tserasera Taorian'ny Fandrahonan'ny Polisy Azy Nandritra Ny Taona Maro

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Wu Bin nandefa ity sary ity tao amin'ny Twitter tamin'ny 26 Aprily.

Nosamborin'ny polisim-pirenena ao Shenzhen tamin'ny 27 Aprily noho ny fanehoan-kevitra an-tserasera i Wu Bin (@xuicai1911 [2] @秀才江湖), bilaogera Shinoa fanta-daza sady mpaneho hevitra ao amin'ny Twitter, araka ny tatitra [3] iray avy amin'ny Canyu, vohikalam-baovao izay mifantoka amin'ny zon'ny olom-pirenena Shinoa .

Nandefa ny fanairana tao amin'ny Twitter i Wang Aizhong, naman'i Wu, taoriana kelin'izay:

Nanao antso sy nilaza i @ Xiucai1911 fa teo ivelan'ny tranony ny polisim-pirenena ao Shenzhen sy ny polisin'ny filaminam-bahoaka, ary hisambotra azy izy ireo. Noho ny teniny tao amin'ny aterineto no anton'izany. Miangavy anao hihaino an'i Xiucai Wu Bin.

Taty aoriana, nanoratra tao amin'ny WeChat (tamin'ny alàlan'ny Canyu) i Huang Meijuan, vadin'i Wu Bin :

警察国保来了七八个,领头的便衣,估计是国保,说因为小孩子马上放学,不在家里谈话,我说进来一个谈可以,他们不同意。最后秀才同意跟他们去布吉派出所,没有开书面传唤证。美娟~我说没有传唤证不要去,秀才开门跟着走了,出门后他的电话就打不通了。深圳布吉派出所电话:0755-28872922 大家帮忙打派出所电话问问情况,拜托各位。

Nisy polisy teo amin'ny fito na valo teo tao. Nanao akanjo tsotra ny mpitarika ny ekipan'izy ireo ary mino aho fa polisin'ny fiarovam-pirenena izy io. Nilaza izy ireo fa tsara kokoa raha tsy ao an-trano no atao ny resaka satria efa hiverina avy nianatra ny ankizy. Nilaza aho fa mety raha polisy iray ihany no miresaka ao an-trano. Tsy nanaiky anefa izy ireo. Nanaiky ny handeha ho any amin'ny paositry ny polisy any Buji ihany i Xuicai ny farany. Koa satria izy ireo tsy nitondra filazana an-tsoratra fiantsoana, dia niteny taminy aho mba tsy handeha hiaraka amin'izy ireo. Kanefa namoha ny varavarana ary nanaraka ny polisy i Xiucai . Tsy nandeha intsony ny findainy rehefa lasa izy. Ny laharan'ny findain'ny paositry ny polisy ao Buji  dia 0755-28872922, miangavy anao mba hiantso izany ary hanontany ny zava-mitranga.

Nandeha nankany amin'ny paositry ny polisy i Huang  ny ampitso mba haka ny fandraketana an-tsoratra momba ny fiantsoana ny vadiny. Nihevitra izy fa haharitra andro vitsivitsy ihany ny fihazonana azy .

Lasibatra noho ny ” fanaraha-mason'ny filaminana” i Wu Bin, ary niharan'ny herisetran'ny polisy imbetsaka tao anatin'ny taona vitsivitsy. Tamin'ny volana Septambra 2013,  notànan'ny polisy tao Hanzhou nandritra ny 10 andro [6]izy   noho ny “fitabatabana” an-tserasera. Tamin'ny volana May 2014, notànana tsy ara-dalàna [7] izy  iaraka  tamin'ny mpisinta-kevitra maro hafa talohan'ny tsingerintaonan'ny hetsi-panoheran'ny mpomba ny demokrasia tao Tiananmen taona 1989.

Tamin'ny 14 Novambra 2015, nosamborin'ny [8] politikan'ny filaminam-pirenena sy ny filaminam-bahoaka ao Shenzhen i Wu Bin, rehefa avy nandray anjara tamin'ny fivoriam-bahoaka momba ny “fahafatesana tsy voajanaharin'” ilay olom-pirenena tao Guangzhou antsoina hoe Zhang Liumao fony izy mbola notànan'ny polisy. Tamin'ny 13 Desambra tamin'io taona io ihany, nalain'ny [9] polisy tao Shenzhen i Wu Bin izay nilaza fa hitondra azy hivoaka ny tanàndehibe mandritra ny andro vitsivitsy izy ireo.

Tamin'ny 16 Septambra 2016, nampiantson'ny [10] polisy izay niampanga azy ho nampiely tsaho momba ny hetsi-panoherana tamin'ny tanànakely tao Wukan i Wu Bin.  Nosamborina ihany koa ny vadiny tamin'izany fotoana izany, noho ny fitaterana vaovao momba ny hetsi-panoherana tao Wukan ihany koa. Nametraka fitoriana manohitra ny Paositry ny Polisy Long Gang  ao Shenzhen izy nanomboka tamin'izay noho  fitazonana azy tsy ara-dalàna nandritra ny 10 andro [11]. Nanomboka tamin'ny 28 Aprily ny fitsarana izany fitoriana izany.

Niady mikasika ny fakana tany hatramin'ny taona 2011 ny tanànakely fanjonoana ao Guangdong antsoina hoe Wukan, ary efa maro ireo fihetsiketsehana faobe nitranga. Nanomboka nanao diabe isan'andro ny mponina mba ho fanoherana nanomboka tamin'ny tapaky ny volana Jona 2016 taorian'ny fisamborana ny mpitarika ny hetsi-panoherana Lin Zulian (fantatra tamin'ny anarana hoe Lin taloha Zuluan), lehiben'ny tanàna voafidy .

Mbola tsy fantatra hoe inona marina no nahatonga ny fisamborana an'i Wu Bin. Nilaza izy tamin'ny 26 Aprily fa notànana nandritra ny ora maromaro [12] ny namany Wang Yingguo rehefa avy nihaona tamin'ny namana iray avy any Etazonia. Nandefa fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter [13] momba ny raharaham-pitsarana nitorian'ny vadiny ny polisy tamin'ny 28 Aprily ihany koa izy.

Mitombo hatrany ireo mpisera izay mitsikera ny governemanta no ampiantsoina na tazomin'ny polisy eo ambanin'ity fepetran'ny “fanaraha-mason'ny filaminana” ity. Maro tamin'ny fisamborana sy ny fihazonana no tsy misy tati-baovao ary mangina sy mitsahatra mandefa fanehoan-kevitra an-tserasera ny mpisera amin'ny ankamaroan'ny tranga. Wu Bin sy ny vadiny no anisan'ireo vitsy an'isa izay manohy ny fanandratana ny feony na dia eo aza ny loza mety hitranga.